Hena Lany Andro Aroson'ny McDonald, KFC Sy Ireo Sakafo Tselatra Ao Shina

A Starbucks in Beijing. Photo by Flickr user byLorena. CC BY-NC-SA 2.0

Starbucks iray ao Beijing. Sary an'i byLorena, mpampiasa Flickr. CC BY-NC-SA 2.0

Ao anatin'ny tantara ratsy iray farany momba ny resaka fahazoana antoka ara-tsakafo manerana ny firenena, izay manàmbana ny hampisavoritaka ireo orinasa mpamatsy ny mpivarotra sakafo tselatra manerana an'i Shina, voataritarika anaty fotaka ny lazan'ireo marika lehibe iraisampirenena toy ny Starbucks sy Burger King taorian'ny nahitàna fa mamatsy azy hena lany andro ny amin'ny iray amin'ireo mpamatsy azy. 

Voampanga ny Husi Food ao Shanghai, zana-tsampan'ny vondrona OSI avy any Illinois, ho mamerina anaty fonosana ireo hena akoho sy omby, sy sakafo hafa miharo hena efa simba mba hamatsiana an'ireo mpivarotra sakafo tselatra toy ny KFC, McDonald's sy Pizza Hut ao Shina.  

Nahazo vàhana teny anivon'ny media Shinoa ilay ampamoaka, izay vokatry ny fanadihadiana an-tsokosoko nataon'ny Dragon TV tao Shanghai, ka nanery ny McDonald's sy KFC hiala tsiny tamin'ireo mpanjifany. Taorian'ny nahavaky bantsilana ilay endrikendrika dia nanambara ireo toeram-pivarotana roa lehibe ireo sy ny Pizza Hut fa miomana ny hanàla ireo vokatra voakasik'izany tsy ho ao anatin'ny sakafo arosony. 

Tamin'ny Talata, niteny ny Starbucks hoe nivarotra vokatra misy hena akoho novatsian'ny Husi ny sasany tamin'ireo toeram-pivarotany, ary nampiany hoe efa natsahatry ny orinasany ny fivarotana sakafo mitondra ny anarana hoe “Akoho Misy Saosy Panini”. Burger King koa niteny hoe nanaisotra ireo vokatra rehetra namatsian'ny Husi azy tsy ho eny ambony talantàlany. 

Ho setriny ny krizin-tsakafo farany indrindra teo, nampanantena fanadihadiana lalindalina kokoa ny Sampan-draharaham-Panjakana misahana ny Fanafody sy ny Sakafo, izay manaramaso ny resaka fahazoana antoka ara-tsakafo. Nakaton'ny manampahefana ao Shangai ny ozinina fikarakarana notantanan'ny Husi. 

Tato anatin'ny taona vitsy, nolalovanà andian-tantara ratsy momba ny resaka fahazoana antoka ara-tsakafo i Shina, isan'ireny ny ronono misy poizina tamin'ny 2008 izay nahafaty zaza menava enina ary nampiditra hopitaly zazakely teo amin'ny 300.000.

Tamin'ny volana lasa, nilaza i Shina fa hametraka sazy ara-bola henjana be ho an'ireo mpandika ny lalàn'ny fahazoana antoka ara-tsakafo ary handroaka ny tompon'andraikitra ambony ao an-toerana raha mbola miverimberina ireny fandikàn-dalàna ireny. Niteny i Li Keqiang, praminisitra Shinoa, tamin'ny Martsa, fa “totohondry mavesatra” no ho entiny sy ireo mpiara-miasa aminy hiatrehana ny fandikàn-dalàna amin'ny fahazoana antoka ara-tsakafo. 

Nanely tsaho momba ny mety ho fiantraikan'ilay fanadihadiana amin'i Shina i Hema Hen Wenrou tao amin'ny Sina Weibo, mitovy amin'ny Twitter : 

河马很温柔:大家还是看结果吧,如果这次惩治力度大,对我们国内餐饮的食品安全也有相当大的警示作用

Aleo andrasantsika ny vokatry ny fanadihadiana. Raha toa ireo nandika lalàna ka tena ho voasazy henjana tokoa, dia ho antso fanairana goavana ho amin'ny fahazoana antoka ara-tsakafo aty Shina izany.

Mpampiasa Weibo avy any atsmo-andrefan'ny faritanin'ny Guangxi no nidera ireo mpanao gazety niasa namaky bantsilana ny olan'ny fahazoana antoka ara-tsakafo :

 这里不仅有企业社会良心的丧失,还有国家质监的疏漏。什么时候中国人能在外放心放胆的进餐呢?我还看到了社会记者的勇敢和付出,他们是社会的眼睛,向所有记者们致敬。

Eo ny olan'ny tsy fahampian'ny fahatongavan-tsaina ara-tsosialy avy amin'ireo orinasa, ny tsy fahampian'ny fanaraha-mason'ny fanjakàna ihany koa. Rahoviana ny Shinoa vao hihinana sakafo azo antoka ivelan'ny tranony? Hitako ihany koa ny fandavantenan'ireo mpanao gazety, izy ireny no mason'ny fiarahamonintsika. Mipao-tsatroka azy rehetra ireny aho.

Namoaka ny fisalasalàny i Jinzi Zai Sahuan mikasika ny orinasa mpamatsy ara-tsakafo ao Shina: 

对于这事件,突然想到一个问题,为什么福喜有这么多过期食品?甚至已经是发了霉的?如果照新闻所说,它供应十几个快餐连锁店的食品,它的库存应该不会积压到这么多东西过期,所以想问,这些过期牛肉、鸡皮什么的,该不会是这公司向外收购回来再加工的??

Tonga saina tampoka aho, inona no antony mahatonga ny Husi hanana sakafo lany andro betsaka tahaka izao? Efa lò mihitsy aza ny sasany? Raha marina izay voalaza tamin'ny vaovao fa hoe mamatsy ireo orinasa roa mpanao sakafo tselatra izy, tsy tokony hanana tahiry betsaka amin'ny hena lany andro izany izy. Te-hanontany antsika aho raha toa ireny hena akoho sy omby ireny ka tany an-kafa no novidiany fa nokarakarain'ilay orinasa fotsiny avy eo? .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.