“Miaraka Aminao i Syria, Ry Gaza”

Efa nivoaka tao amin'ny SyriaUntold. ity lahatsoratra ity

A vigil with candles in solidarity with Gaza in Aleppo, Syria. Source: Syria Stands with Palestine's facebook page

Fiaretan-tory miaraka amin'ny fandrehetana labozia ho firaisankina amin'i Gaza ao Aleppo, Syria. Loharano: pejy Facebook-n'ny Syria Mijoro miaraka amin'i Palestina

“Voadaroka baomba i Syria, hatrany Aleppo ka hatrany Gaza” hoy ny teny tarigetra nasandratry ny Syriana mpanao fihetsiketsehana ho firaisankina amin'ny Palestiniana. “Gaza sy Aleppo, voninahitra sy hambo”, sy “Miaraka aminao i Daraa ry Gaza”, no teny tarigetra hafa. Avy amin'ilay poeta Syriana-Palestiniana Raed Wahash ka hatramin'ny mpikatroka avy ao afovoan'i Aleppo, izay tsy mitsahatra ny midaroka ny baomba, dia tsy miova ny fihetsiketseham-piraisankina Syriana-Palestiniana.

Hita mandrakariva ao Syria ny tolona Palestiniana, saingy hatramin'ny 2011 ny Syriana no nanandrana ny tena dikan'izany hoe fijoroana (resistance). 

“Ny fiaretana ao ambanin'ny andiam-baomba izay araraky ny fitondrana aminay no mahatonga  anay hifanakaiky kokoa amin'ny fanafihana iaretan'ny mponina ao Gaza, sy amin'ny tolona Palestiniana amin'ny ankapobeny”, hoy ny iray amin'ny mpandrindran'ny fanentanana “Syria Stands With Palestine”  (Syria Mijoro Miaraka amin'i Palestina) tamin'i SyriaUntold. 

“We feel closer than we ever did, and more united, especially in the field of civil disobedience and peaceful resistance.”

Mahatsapa ho akaiky indrindry tsy misy toy izany isika, sy mivondrona kokoa, indrindra eo amin'ny sehatry ny tsy fankatoavana sy ny fijoroana am-pilaminana.

A message in solidarity with Gaza, on a destroyed building in Daraa, Syria. Source: Lens of a Young Horani

Hafatra firaisankina amin'i Gaza, eo amin'ny trano iray rava ao Daraa, Syria. Ny vakin'ny graffiti mivaky hoe “Mahareta ry Gaza, Daraa ity.” Loharanom-baovao: Lens of a Young Horani

Ny fijoroana matanjaka ataon'ny fiarahamonim-pirenena Syriana miaraka amin'i Palestinaedia taratra ao amin'ny fanambarana nosoniavin'ny vondrona maro any amin'ny fototra, izay ahitana ny SyriaUntold, ho ao anatin'ny fanentanana “Syria Mijoro Miaraka amin'i Palestina” satria “ny fijaliana mafy indrindra azon'ny vahoaka iray zakaina dia ny tsy firaharahiana ny tolony, sy ny fanitsakitsahana ny zony.”

Misongadina ihany koa izany fitadiavana firaisankina iraisampirenena izany tamin'ny nosoratan'ilay blaogera Syria Freedom Forever:

“It is also necessary to remind everyone that the liberation of Palestine can only be accomplished through the overthrowing of all the authoritarian regimes in the region, which are complicit in the suffering of the Palestinian people. (…) This is why opposing any popular revolution in the region is not only betraying the cause of the people of Syria, Egypt, Tunisia, Bahrain and elsewhere, but also betraying the Palestinian cause and its people.”

 

Tsy maintsy ampahatsiahivina ny rehetra ihany koa fa ny fanafahana an'i Palestiana dia azo tontosaina amin'ny alalan'ny fanonganana ireo fitondrana jadona rehetra ao amin'ny faritra, izay mpiray tsikombakomba amin'ny fijalian'ny vahoaka Palestiniana. (…) izany no antony ilazana fa ny fanoherana ny revolisionam-bahoaka rehetra ao amin'ny faritra dia tsy famadihana ny tolon'ny vahoakan'i Syria, Ejipta, Tonizia, Bahain ary na aiza na aiza ihany, fa famadihana ny tolon'ny Palestiniana sy ny vahoakany ihany koa.

Tonga miaraka amin'ny firodorodon'ny zavakanto sy ny famoronana ny fanentanana, nampiroboroboan'ny The Syrian People Know their Way,(Mahalala ny andehanany ny vahoaka Syriana) sy ny fikambanam-pamonjena Syriana-Palestiniana antsoina hoe Jafra, ankoatra ny hafa. Nifampizaana fatatra an'aterineto ny saripika, trakitra, afisy ary stickers, izay mitaratra ny firaisan'ny tolona roa. 

“Zava-manahirana Iray”, no lohatenin'ny tsangan'asa farany indrindra navoakan'ilay artista Khaled Malek, izay mampiseho sarina balafomanga iray voarafitry ny fitambaran'ny saina Syriana sy ny saina Palestiniana. Ahmad Jalal, avy ao Kafranbel, nandoko sarin'ankizy roa Syriana sy Palestiniana maty, ary manolo-tanana ny anjelin'izy ireo.

Painting by Khaled Malek depicts a missile formed by the combination of the Palestinian and the Syrian revolution flags. Source: the artist's facebook page

Hosodokon'i Khaled Malek mampiseho balafomanga voarafitry ny fitambaran'ny saina Palestiniana sy ny sainan'ny revolisiona Syriana. Loharano: Pejy Facebook-n'ilay artista

Tsy mionona fotsiny amin'ny fihetsiketsehana an-tserasera ny firaisankina. Voamarika eny an-tanety ihany koa ny fiantraikany. Notontosaina tany amin'ny tanàna tahaka an'i Aleppo ny Sit-in sy ny fijoroana fiaretan-tory, ary miaraka amin'ny tarigetra toy ny hoe “Aleppo sy Gaza, hambo mitovy”, sy “Tsy ho resy izahay, na eo aza ny fanapoahana baomba, fandravana ary ireo daroka mahafaty.”

Maneho ny firaisankinany amin'ny fijalian'ny Palestiniana amin'ny fananiham-bohitra Israeliana ihany koa ireo Syriana avy ao amin'ny havoanan'i Golan. Saingy ny sary mazava indrindra amin'ny fijoroana avy avy amin'ny tobim-pialokalofana ao Yarmouk, izay iharan'ny fahirano mihoatra ny herintaona ataon'ny fitondrana ny Syriana-Palestiniana ao. “Toby Yarmouk mijoro miaraka amin'i Gaza manohitra ny daroka zionista”, no teny faneva hita ao amin'ny sora-baventy mameno ny toby.  

Mandray ny media sosialy ho sehatra fanehoan-kevitra firaisan-kinany amin'i Gaza koa ireo Syriana manan-daza. Nanoratra ny mpahay lalàna Michel Shammas: “Gaza, lasibatry ny fidarohana Israeliana sy ny fahadisoan-kajikajin'ny Hamas”. 

Ny Poeta Khawla Dunia nitsikera ny toerana ijoroan'ny firaisamonina Arabo momba an'i Palestina. “Lainga ampiasain'ny Tsy refesi-mandidy ny Arabism”, hoy ravehivavy tao amin'ny Facebook.

Maher Sharaf al-Din nampitaha ny fanagadrana Israeliana sy ny fanagadrana ao amin'i Assad, mampifandrohy azy roa ho endrika fananiham-bohitra. “Gadran'ny fananiham-bohitra Israeliana manao fitokonana tsy hihinan-kanina. Gadran'ny fananiham-bohitra Alawita matin'ny hanoanana”.

Firaisan-kinan'ny samy malemy ny firaisan-kina Syriana amin'i Gaza, firaisan-kinan'ny samy voaporitra, ireo mitady fandriampahelemana ao amin'ny tany najoro ho amin'ny fandriampahalemana nefa tsy nahita fandriampahalemana na oviana na oviana.

A mother with a child on her lap in devastated Yarmouk camp, Syria, cries “God protects our family in Gaza”, by artist Hani Abbas. Source: the artist's facebook page

Reny iray miaraka amin'ny zazakely eo an-trotroana ao amin'ny toby Yarmouk, Syria, rava tanteraka, mihiaka hoe “Andriamanitra o! arovy ny fianakavianay ao  Gaza”, avy amin'ny artista Hani Abbas. Loharano: Pejy Facebook-n'ilay artista

Efa nivoaka tao amin'ny SyriaUntold. ity lahatsoratra ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.