Malaza Noho i Messi Ity Tovovavy Mpilalao Football Ity Any Amin'ny Tanàna Kely Lavitra Andriana Misy Azy ao Nepal

Screenshot of the girls football team arriving after winning.

Pikantsarin'ireo vehivavy mpiray ekipa baolina fandaka tonga an-tanàna rehefa nilalao fifaninanana.

Mugu, iray amin'ny distrika mahantra indrindra ao Nepal, dia tsy mba manana kianja filalaovana baolina fandaka na dia iray aza. Saingy manana kalaza amin'ny baolina fandaka hindrahindraina tahaka ilay zanak'i Arzantina malaza dia malaza antsoina hoe Lionel Messi –ny tanàna ary dia vehivavy izany kalaza izany.

Noraisina tsara an-tanindrazana i Sunakali sy ny ekipany rehefa nandresy tamin'ny fifaninanana baolina fandaka nasionaly ho an'ny vehivavy tahaka ireny hoe nahazo ny amboara erantany tany Brezila ireny, hoy ny tatitr'i Mysansar, bilaogy Nepaley iray malaza.

Sambany nandao ny distrika feno tendrombohitra nisy azy ireo zazavavy tanora ireo mba handray anjara amin'ny fifaninanana tany Kailali, anaovana dia an-jatony kilaometatra. Nandeha an-tongotra nandritra ny roa andro ry zareo vao tonga tamin'ny seranana fitodian'ny voromby, ary nandeha fiaramanidina, posiposy ary sarety entin'omby voalohany indrindra teo amin'ny fiainan-dry zareo. Tsy misy lalana mivantana mampitohy an'i Kailali sy Mugu, ary ireo lalana sisa tavela moa dia ratsy dia ratsy.

Nandritra ny fifaninanana ny ekipan'i Mugu dia nifanandrina tamin'ny ekipan'i Badikhel avy any amin'ny distrikan'i Lalitpur, ekipan'i Baliya avy ao Kailali ary ny ekipan'i Patharaiya miaoha ny nihaonana tamin'ny ekipan'i Tikapur tamin'ny famaranana. Nandresy ny ekipan'i Mugu ary voatondro ho mahay mamono baolina indrindra i Sunakali.

Zavabita mahatalanjona izany noho ny antony maro, ary anatin'izany ny vao nampianarana ireo tanora zazavavy ireo fanatanjahantena voalohany tamin'ny 2011. Ao Mugu, ny taham-pahavelomana dia lazaina fa 47 taona, ka 49 taona ny an'ny lehilahy ary 39 ny an'ny vehivavy. Manakaiky ny androatokon'ny zazavavy 15 ka hatramin'ny 19 taona no manambady, ary ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra eo amin'ny vehivavy dia mihenahena eo amin'ny 9 isanjato. 

Rehefa tafody ilay ekipa nibata ny fandresena, dia nitsena azy ireo tao amin'ny seranam-piaramanidina ny mponina tao an-toerana ka nihiaka azy ireo hoe, “Sunakali, tahaka an'i Messi!” Nomanina ho an'ireo zazavavy ireo ny soavaly hitondra azy ireo mody any an-tanàna ambanivohitra, voninahitra izany any Mugu fa tsy fahita any izany vehivavy mitaingina biby izany. 

Nanomana lahatsarim-panadihadiana iray miompana amin'ny dia nataon'ireo zazavavy ireo hivoaka amin'ity volana jolay ity ny mpanoratra gazety Bhojraj Bhat. Fampiroboroboana ireo hita ao amin'ny YouTube mitondra ny lohateny hoe “Sunakali: Teenage girls’ journey to glory” (Sunakali: ny dian'ireo tanora tovovavy mankany amin'ny voninahitra) no ahitana ny topimason'ny fiainana any Mugu.

Hatramin'ny nisian'ny fandresena tamin'ny fifaninanana, dia lasa anarana fantatry ny rehetra ao Mugu i Sunakali, ary niely tany amin'ny media sosialy ny tantarany. Nanoratra ny mombamomba an'i Sunakali ny gazety mivoaka isan-kerinandro Saptahik taorian'ny lazany tato amin'ny Internet. Namoaka ny fonon'ilay famoahana an-tsioka i Bhat:

Sunakali, ilay Messi Nepali! ny vaova mafana indrindra avy ao Mysansar (75.139)

Mpisera Twitter Suraj, mamelabelatra ny momba ny tenany ho adalan'ny sarimihetsika sy mpanaksitraka ny lalao cricket, nisioka ny sarin'i Sunakali mitana ny amboara ary miaraka amin'ny reniny :

Messi-n'i Mugu: Sunakali Budha miaraka amin'ny reniny

Ilay blaogera Nepali nanana ny lazany Lex Limbu ihany koa dia nanoratra ny momba azy ao amin'ny bilaoginy, izay vakian'ny Nepaley manerana ny glaoby.

Ao an-tanàna ambanivohitr'i Sunkali ao Mugu, dia mbola nofinofy izany televiziona sy Internet izany. Saingy tsy maintsy nanontany tena ihany i Saroj Chapagai, mpianatra sosiolojia, mahita ny fampitahana rehetra eo amin'i Sunakali sy i Messi:

Na nahita ny lalaon'i Messi i Sunakali omaly na tsia, lasa saina ihany aho rehefa nijery ilay lalao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.