Mpisera Twitter Mihiaka amin'ny New York Times tamin'ny Fanovana ny Tatitry ny Fandarohan'i Israely Baomba Ny Ankizy Gazaita

Nisedra tadion-tsikera tao ho ao ny New York Times noho ny nitantarany ny fandarohana baomba ataon'i Israely sy nahafatesan'ankizy Gazaita nilalao baolina teo amin'ny tora-pasika.

Ilay gazety amerikana manko dia nanova ny lohateniny “Tanora lahy 4 nilalao teo amin'ny tora-pasik'i Gaza voatifitra” ho “Zatovolahy voasariky ny tora-pasik'i Gaza ka tafiditra tao anivon'ny gidragidran'Afovoany Atsinanana” izay heverin'ny sasany ho mandiso vaovao. Ny lohateny, araka ny tazana tao amin'ny NewsDiffs, dia niova tanelanelan'ny tamin'ny 8:35 alina sy tamin'ny 9:13 alina tamin'ny andron'ny 16 Jolay.

Ho setrin'izany, niangavy ny mpanjohy azy haka tahaka am-panesoana ilay fanovana lohateny ny habaka pan-African ‘Africa Is A Country‘ amin'ny fampiasana ny diezy #NYThistory [Ny tantara araka ny NYT] :

Screenshot of the status shared by 'Africa Is A Country'

Pikantsarin'ny sata nozarain'i ‘Africa Is A Country’ : “Ny mainty voasariky ny lalambe ka tafiditra anivon'ny fisavana sy fibojabojana ny vatana”, “Ny mponina voasariky ny tanànan-dry zareo Hiroshima sy Nagasaki ka tafiditra anivon'ny fipoahana nokleary”, “Ny Afrikana voasariky ny moron-dranomasina ka tafiditra anivon'ny dia miampita an'i atlantika”

Indreto ny ohatra sasantsasany hita tamin'ny diezy fanentanana:

Jeanne d'Arc voasinton'ny tsatokazo ka tafiditra anivon'ny afo lehibe

Rosa Parks voasinton'ny fiara fitateram-bahoaka sy tafiditra anivon'ny fifanenjanana ara-poko Amerikana

Fitondrana Alemana Tatsinanana nanangana ny Rindrin'i Berlin ka nanontany amin'ny lalànam-panangana-trano ampiharina.

Teratany voasinton'ny olona hatsatra be volombava ka tafiditra anivon'ny fikasana hamotika hatramin'ny fakany tsy mbola nisy toy izany

Akoho voasariky ny Tranobe fiompiana, ka tafiditra ao amin'ny Foibe Fampiharana Ny Fanomezan-Tsakafo

Kambojiana voasariky ny sahan'i Kambodza ka tafiditra afovoan'i Pol Pot

Tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, niditra tamin'ny andro faha-13 ny “Bemidina Sisim-Piarovana” nataon'i Israely ary namoizan'aina Palestiniana mihoatra ny 280 ka tafiditra amin'izany ny zaza amam-behivavy, ary iray ny Israeliana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.