Ady, Politika Ary Loza Mahatsiravina: Ny MH17 An'ny Malaysian Airlines Nianjera Tao Okraina

A relative of those on board flight MH17 getting emotional while being interviewed by media. Photo by Hon Keong Soo. Copyright @Demotix (7/18/2014)

Fianakavian'ny iray tamin'ireo tao anatin'ny sidina MH17, vonton'alahelo eo am-pitafàna amin'ny mpanangom-baovao. Fizakàmanana @ Demotix (18/07/2014)

Nitondra mpandeha niisa 298 ny sidina MH17 an'ny Malaysian Airlines hampitohy an'i Amsterdam amin'i Kuala Lumpur renivohitra Maleziana raha nianjera tany akaikin'i Torez ny Alakamisy 17 Jolay teo, faritra iray eo ambany fifehezan'ireo mpitaky fisintahana sady mpomba Rosiana any atsinanan'i Okraina.

Bala afomanga no inoana ho nandavo ilay fiaramanidina mpitatitra olona, saingy mifanilika amin'ny andraikitra tamin'ny tifitra mahafaty namely azy io ny governemanta Okraniana sy ny mpihoko. 

Io no loza mahatsiravina faharoa namely ny Malaysiana Airlines tao anatin'ny volana vitsy monja. Ny 8 Martsa, ny sidina MH370 nitondra mpandeha 239 no nanjavona afaka ora iray monja taorian'ny nandaozany an'i Kuala Lumpur nandritry ny diany ho any Beijing. Tsy mbola hita hatreto ny fiaramanidina MH370 sy ireo mpandeha tao aminy.

Raha hamaky misimisy: Volana Vitsy Monja Taorian'ny Fanjavonan'ny Zotra MH370, Tafintohina Tamin'ny Fianjerana Voromby Iray Tao Okraina Indray Ny Malayziana

Raha hamaky misimisy: Ny Maleziana Sy Ny Fidarabohan'ny MH17 : “Tsy ijerena Zom-pirenena, Iray Isika Ao Anaty Fahoriana”

Nanohina fianakaviana Shinoa maro ihany koa ilay fianjeràna, izay mbola miandry ny hahafantatra izay nanjo ireo havan-tiany tao anatin'ny MH370. Nisy Shinoa 154 tao anatin'ilay sidina.

Raha hamaky misimisyHo An'ireo Fianakaviana Shinoa Mbola Miandry Ny Valin'ny MH370, “Zavatra Efa Hita” Mahavaky Fo Ny Fianjeran'ny Fiaramanidin'ny Malaysia Airlines Tao Okraina

Ampangain'ny governemanta Okrainiana ny mpihoko izay vatsian'ny Rosiana fitaovam-piadiana bala afomanga fitifirana fiaramanidina avy ety an-tanenty. Nandà ho tsy tomponandraikitra ireo mpihoko ao Okraina. Tsy misy afa-tsy lahatsary ratsy kalitao ao amin'ny Youtube ary ireo fiampangàna haingam-pitombo sy miavosa no idiran'ireo Rosiana mpisera amin'ny aterineto ao anatinà fisavoritahan-tsaina tanteraka.

Raha hamaky misimisy: Fihetseham-Po Rosiana Voalohany Tamin'Ilay Voromby Nazera Tao Okraina Atsinanana

Ao anatin'ny fihetsehampo tafakatra avo dia avo, misy fanambaràna henjana azo isaina amin'ny rantsan-tànana, nalefan'ireo olo-malaza avy ao Maosko sy Donetsk, nahasarika ny sain'ireo Rosiana mpisera amin'ny aterineto.Tsy atao mahagaga, ankehitriny mivoaka sy tonga any anaty Wikipedia ny lalaon'ny fifanilihana, toerana itoloman'ireo mpanitsy votoaty mba handraketany ireo adihevitra izay tena mampiseho tsara ny zoro isankarazany ijereny ilay tantara.

Raha hamaky misimisy: Ireo Fanehoankevitra 5 Faran'izay Tsy Miraharaha Indrindra Ny Fidarabohan'ny Sidina MH17 Tao Okraina

Raha hamaky misimisy: Nahitsin'ny TV -mpanjakana Rosiana Ny Tao Amin'ny Wikipedia Mba Hanamelohana An'i Okraina Mikasika Fidarabohan'ny Sidina MH17

Tsy tara tamin'ny fanomezantoky ireo mpanjifany ny orinasam-pitaterana an'habakabaka, nilaza ny hoe avilin-dry zareo làlana ny sidina mba tsy handalo ny faritra atsinanan'i Okraina rotiky ny ady. Any Singapore, heverin'ny sasany fa tsy firaharahiana loatra ny hafatra nalefan'ny Singapore Airlines ka nahatonga ilay orinasa ho lasibatry ny tsikera ety anaty aterineto.

Raha hamaky misimisy: Was Singapore Airlines’ Facebook and Twitter Message After the MH17 Crash Insensitive?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.