Tsy Tian'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Anti-Gay ao Jamaika Ny Antsoina Hoe Mpankahala Pelaka

The Jamaican flag is front and centre on a banner at a STOP HOMOPHOBIA demonstration in Berlin on August 31, 2013. Photo by Flickr user by Adam Groffman. CC BY-NC-SA 2.0

Manatrika sy afovoan'ny sora-baventy nandritra ny fihetsiketsehana STOP HOMOPHOBIA tao Berlin tamin'ny 31 Aogositra 2013 ny sainam-pirenena Jamaikana. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Adam Groffman. CC BY-NC-SA 2.0

Ao anatin'ny adihevitra mieli-patrana momba ny zon'ny pelaka i Jamaika, firenena fahita amin'ny lohateny lehibe ahitana trangan-kerisetra amin'ny pelaka sy ny hômôfôbia (fankahalana pelaka) avy amin'ny mpitondra azy tao anatin'izay taona vitsy izay. Nanasokajy izany tranga izany ho tahaka ny adin'i Davida sy i Goliata ny fampahalalam-baovao, adin'ny hasina Kristianina nentim-paharazana amin'ny fanerena ataon'ny pelaka, ary nanam-peo amin'ny fanemeloahana ny fahapelahana ireo vondrona anti-gay.

Na dia eo aza ny fanoherana sahisahy ataon'izy ireo amin'ny zon'ny pelaka, niezaka nanalavitra ny tsy hametahana azy ireo ho “hômôfôby” (mpankahala pelaka) kosa ny sasany. Hoy ny teny filamatra malaza teo amin'ireo mpanao fihetsiketshana izay nanao hetsika vao haingana manohitra ny mety ho fanafoanana ny lalàna momba ny sodomia tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany, izay manameloka ny sodomia hoe “tsy hômôfôbia ny filazana ny marina”.

Mpanoratra Kei Miller, izay nilaza ny fitantarana diso nataon'ny fampahalalam-baovao amin'ny adihevitra momba ny zon'ny pelaka, nanadihady ny fironana:

This declaration by negation is getting quite popular across the island. The term homophobia is now regarded as a pejorative – a bad and backward thing to be – and so everyone wants to distance themselves from it. But sometimes the assertion ‘I am not homophobic!’ is a bit like that proverbial American southerner who declares, ‘I’m not racist! Some o’ mah best friends is niggers!’

Nanjary nahazo vahana manerana ny nosy izany fanambaram-pandavana izany. Sokajiana ho ompa ankehitriny ny voambolana hômôfôbia – zavatra ratsy sy taraiky be – ka lasa te-hanalavitra an'izany ny rehetra. Saingy indraindray, ny filazana hoe «tsy hômôfôby aho!” dia toa mitovy kely amin'ny ohabolan'ny Amerikana tatsimo izay manambara hoe:« Tsy mpanavakava-pirazanana aho! Mainty ny sasany amin'ireo tena namanakà!

Mirona any amin'ny fiavian'ny teny “hômôfôbia” ny lahatsoratra ary milaza fa misy karazany izany, ka misy ireo valinteny masiaka sy henjana kokoa noho ny hafa manoloana ny fahapelahana:

Homophobia is therefore not a phobia in the medical sense of the word. It never has been. Homophobia, like its sister xenophobia, is a form of bigotry and discrimination. It can include fear and repulsion but in fact it describes a much wider range of negative responses towards the LGBT communities. 

Tsy tahotra araka ny dika ara-pitsaboan'ny voambolana ny hômôfôbia. Tsy mbola nisy mihitsy izany. Hômôfôbia, tahaka ny rahavaviny xenôfôbia, dia endri-pisainana tery sy endri-panavakavahana. Mety ahitana tahotra sy fankahalàna goavana saingy raha ny marina, mamaritra karazam-balinteny marobe manaratsy ny fiarahamonina LGBT izany.

Raha maharikoriko anao ny fihetsika fahapelahana ary maniry ny hametraka sy hihazona lalàna mametra ny fiteny ara-pananahana momba izany ianao, dia azo heverina fa “hômôfôby”, hoy i Miller nanoratra.

Nanohy ny adihevitra momba ny fihetsika iombonana ao Jamaika manoloana ny fahapelahana tao amin'ny bilaoginy i Miller hatramin'ny nipoiran'ny adihevitra voalohany tamin'ny fiandohan'ny volana Mey, raha nanolotra fijoroana vavolombelon'ny manam-pahaizana momba ny raharahan'i Caleb Orozco, lehilahy belizeana pelaka izay nitory ny lehiben'ny fampanoavana tao amin'ny firenena amin'ny maha-tsy tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenena ny fanamelohana ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana, ny profesora Brendan Bain, lehiben'ny Tambajotra Rezionaly Mampiofana momba ny HIV/AIDS ao Karaiba (CHART) tamin'izany fotoana izany. 

Nilaza i Bain fa “ambony tanteraka ny taha mety hahazoana ny VIH eo amin'ny lehilahy manao firaisana ara-nofo amina lehilahy (HSH)” ao Belize raha oharina amin'ny vahoaka ankapobeny, ary nanamarika fa tahaka izany ihany koa ny tranga ao amin'ireo “firenena hafa marobe izay azo jerena ny tahiry momba izany, anisan'izany ireo firenena izay nanafoana ny lalàna manameloka ny firaisana ara-nofo avy eo amin'ny lava-pitombenana sy ireo firenena izay mbola mampihatra ny lalàna”. Nahatezitra ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonin'ny pelaka izany fanambaran'i Bain izany, izay tsapan'izy ireo ho manohana ny lalàna manohitra ny fahapelahana .

Roa herinandro taorian'ny fijoroany vavolombelona, mbola tsy nohavaozin'ny Oniversiten'i Jamaika ao Antilles (West indies) ny taratasy fifanekena teo amin'i Bain sy ny CHART, ary niteraka adihevitra nasionaly momba ny zon'ny pelaka. Nanao fihetsiketsehana manohitra ny Oniversite ny olona ary nitory noho ny fandroahana tsy ara-dalàna an'i Bain.

Tao amin'ny lahatsoratra navoakany, miaiky i Miller fa nisy ihany ny ezaka vita amin'ny ady amin'ny hômôfôbia ao amin'ny firenena, saingy maro ireo ezaka tokony mbola atao:

It is a good thing that we are now willing to step away from the more extreme expressions of homophobia. It is a sign that, despite everything, some progress is being made in Jamaica. But the homophobia we must now work to challenge is a homophobia that is more subtle, more internalized, but one that is just as damaging in the long term. It is so ingrained that we take it for granted. We must now confront that homophobia as it exists in many of our values and also in our laws.

Efa zavatra tsara fa vonona hiala amin'ny fiteny tafahoatra indrindra momba ny hômôfôbia isika ankehitriny. Marika izany fa, na dia eo aza ny zava-misy, nisy ny ezaka vita tao Jamaika. Saingy ny hômôfôbia izay tokony hotoherintsika ankehitriny dia hômôfôbia marani-tsaina kokoa, any anaty kokoa, saingy koa mety manimba ao anatin'ny fotoana maharitra. Tena miorim-paka lalina ao amintsika fa toy ny zavatra efa ekena. Mila miatrika isika ankehitriny fa ny hômôfôbia dia mitoetra ao amin'ny soatoavintsika marobe sy ao amin'ny lalànantsika ihany koa.

Atsimo kokoa manamorona ny vondro-nosy, ao Trinité-sy-Tobago, mpikatroka iray, Brendon O'Brien nanamafy fa kinendrin'ireo vondrona Kristianina manohitra ny pelaka i Karaiba manontolo satria mihalozotra ny fanaitaizana ny hômôfôbia ao Etazonia :

The language of discrimination and ostracism that is present in anti-gay ministry is being rejected more and more as now half of the states in the US are acting against LGBT discrimination and even providing marriage equality. The good news is that means that they’re losing ground there. But, if you’re capitalist, you know that means that you need to find new ground.

And that means a whole new scramble for the Caribbean and Africa as places to keep beating the dead homophobia horse.

Miha-voatsipaka hatrany hatrany ny toritenim-panavakavahana sy fanilihana ny pelaka satria ny atsasaky ny firenena ao Etazonia ankehitriny no mihetsika manohitra ny fanavakavahana ny LGBT ary miantoka ny fitovian'ny rehetra amin'ny fanambadiana ihany koa aza. Ny vaovao mahafaly dia midika izany fa very kianja izy ireo any. Saingy, raha kapitalista ianao, dia fantatrao ny dikan'izany fa mila mitady kianja vaovao ianao.

Ary midika firohotana vaovao mankany Karaiba sy Afrika izany hikapokapohana hatrany ny soavaly matin'ny hômôfôbia .

Mihevitra i O'Brien fa eo am-pelatanan'ny vahoaka Karaiba ny tena fahefana. “Ankehitriny, miankina amintsika ihany ny mitaky amin'ireo mpitory filazantsara mba hitsaharan'izy ireo amin'ny fitondrana fankahalana fanampiny hoan'ny firenentsika “, hoy izy nanoratra. “… raha ohatra iray ny fitsipahana ny hômôfôbia ao Etazonia, na ho ela na ho haingana, hitsahatra hividy izay amidin'ny fankahalàna isika.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.