Shily, Toeram-ponenana Ho An'ny Vondrom-piarahamonina Palestiniana Goavana Indrindra Any Ivelan'ny Tontolo Arabo, Manainga An'i Israely Hampiato Ny Daroka Baomba Ao Gaza

Chilean congressmen show banners calling for the end of genocide and occupation of Palestine. Image widely shared on Twitter.

Mpikambana ao amin'ny Kaongresy Shiliana mitazona sorabaventy mitaky ny fampitsaharana ny vono-olona sy ny fibodoana an'i Palestina. Sary nifampizaràna be tao amin'ny Twitter.

Tsy nandalo fotsiny ho an-dry zareo ao Shily ny zera baomba ataon'i Israely ao Gaza. Niantso ny governemanta ireo solontenan'ny vondrom-piarahamonina Palestiniana maromaro any an-toerana mba hihetsehany sy hilazàny ny heviny momba ny fifandonan'ny Israeliana sy Palestiniana ary niainga avy amin'ilay fanamelohana nataon'ny Filoha Michelle Bachelet tamin'ny herinandro lasa momba ilay daroka baomba.

Hatreto, 243 ireo Palestiniana, ahitàna zaza amam-behivavy, no maty ary maherin'ny 1.500 no naratra hatramin'ny nanombohan'ilay daroka baomba tamin'ny 8 Jolay, araka ny nambaran'ny minisitry ny fahasalamàna ao Gaza. Any Israely, nidoboka sy nandratra olona marobe ireo bala afomanga nalefa avy ao Gaza nefa tsy voasakan'ny bala afomanga Iron Dome, rafitra fiarovana ao Israely. Sivily Israeliana iray no maty rehefa nipithan'ny vakivakin-javatra tamin'ny fipoahana tao akaikin'ny sisintanin'i Gaza, ary miaramila iray Israeliana no maty nandritry ny fidirana an-tanety izay nanomboka tamin'ny 17 Jolay.

Shily, izay nankatò ny maha-“fanjakàna malalaka, manaleotena ary masi-mandidy” an'i Palestina tamin'ny 7 Janoary 2011, dia toerana onenan'ny vondrom-piarahamonina Palestiniana goavana indrindra ivelan'ny faritra Afovoany -Atsnanana. Vinavinaina ho eo amin'ny 450.000 hatramin'ny 500.000 eo no isan'ireo taranaka Palestiniana ao Shily.

Manodidina ny 1.000 ireo olona nanao hetsi-panoherana tao Santiago, renivohitra Shiliana, ny 12 Jolay, niaraka tamin'ny sorabaventy nivaky hoe “firaisana tsikombakomba ny fahanginana”. Andro roa taorian'izay, rehefa nitombo ny isan'ireo Palestiniana niharan-doza, notakian'ireo mpikambana ao amin'ny Kaongresy ny Ministeran'ny Raharaham-bahny mba hanao hetsika maika, ka tafiditra amin'izany ny fampiatoana ny Fifanarahana Fifanakalozana Malalaka / Free Trade Agreement (FTA) ; ny fampodiana ny masoivoho ao Tel Aviv; ary ny fanaovana antso hanamelohan'ny Filankevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana an'i Israely, izay amin'izao fotoana aloha dia tsy mpikambana maharitra ao anatiny i Shily.

“Tokony ho fitaovana hisian'ny fandriampahalemana i Shily, satria hatramin'ny fotoana nanekeny ny fanjakana Palestiniana, nankatoavin'i Shily koa ny tolona [ataon'ny Palestiniana] hananany fahalalahana sy fanjakana masi-mandidy,” hoy ny Loholona  Iván Moreira tamin'ny mpanao gazety.

Amin'ny lafiny iray, ireo vondrona Shiliana-Israeliana avy amin'ny Antenimieram-pirenena dia nihaona tamin'ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny, Heraldo Muñoz, naneho ny ahiahin'izy ireo manoloana ny fanambaràn'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny sy nampitandrina ny governemanta mba tsy hifantoka fotsiny amin'ny fanafihan'i Israely an'i Gaza fa tsy hijery ny andraikitry ny Palestniana amin'ilay fifandonana. “Nangatahanay ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny mba hitandrina tsara ka tsy hibaby ny fifandonan'ny Israeliana sy Palestiniana [ho aty Shily],” hoy ny Loholona Gabriel Silber. “Tena mila mitandrina manokana isika fa ny fanambaràna dia ho fitaratry ny tsy fitanilàna amin'ny zavatra mitranga ao amin'ny faritra Afovoany Atsinanana” .

Nisy fifanakalozana taratasy misokatra teo amin'ireo vondrom-piarahamonin'ny Jiosy sy Palestiniana any Shily. Taratasy iray nalefa ho an'ireo tanora Jiosy ao Shily ary nosoniavin'ny mpitarika ny vondrom-piarahamonina Shiliana-Palestiniana, manainga ireo vahoaka Jiosy hanandra-peo hanohitra ny fanitsakitsahana ataon'i Israely amin'ny zo maha-olombelona ny vahoaka Palestiniana: 

[…] No los culpamos porque, quizás, han crecido pensando en que somos sólo un grupo de personas sin rostro y no han tenido la oportunidad de mirarnos cara a cara. […]

Sabemos que ustedes conocen este sentimiento: el sentir que para otros, sus vidas son tan solo un número. Sentir que su pueblo está siendo masacrado y que el mundo, mientras tanto, permanece impávido. Entendemos, como nadie, el dolor que sus antepasados sintieron alguna vez y por lo mismo, es que nos extraña que ustedes, los más jóvenes de la comunidad judía, no estén llevando hoy la bandera de lucha de los derechos humanos con nosotros. […]

En Chile no hay conflicto porque ninguno impide al otro retornar a sus hogares, o controla hacia dónde y cuándo puede viajar, o coloniza sus tierras, o secuestra a sus hijos. Es cierto, debemos mostrar que podemos vivir sin odio y sin ocupación; pero sobre todo, que el camino hacia la paz y la fraternidad no es el sometimiento, sino que la justicia y el reconocimiento mutuo.

 

[…] Tsy manameloka anareo izahay, angamba ianareo notezaina tao anatin'ny fiheverana fa hoe vondrona ahitàna olona tsy misy endrika fotsiny izao izahay ary tsy nanam-potoana (vintana) hifanatrehana tava taminay ianareo […].

Fantatra fa nahatsapa ity ianareo : ny fahatsapàna hoe isa fotsiny ihany no fiheveran'ny hafa anareo. Ny fahatsapana hoe novonoina ny vahoakanareo raha izao tontolo izao kosa nijoro hatrany. Takatray, mihoatra noho ny hafa, ny hirifiry niaretan'ireo razambenareo ary araka izany tsy takatray ny antony tsy ananganan'ireo tanora Jiosy ny sorabaventy momba ny zon'olombelona miaraka aminay [..] .

Aty Shily, tsy misy fifandonana satria tsy misy olona manakana ny sasany tsy hody any an-tranony izany, na manara-maso izay alehany sy ny fotoana fivezivezeny, na manjanaka ny taniny, na maka an-keriny ny zanany. Mazava izany, tokony porofointska fa afaka miaina tsy misy fankahalàna isika, tsy misy fibodoana; saingy ambonin'ny zavatra rehetra, hoe ny làlana mitondra ho amin'ny fandriampahalemana sy ny firahalahiana dia tsy ny famoretana fa ny rariny sy ny fanekena ny andaniny sy ny ankilany.

Andro efatra taty aoriana, namaly izany ny taratasy misokatra nosoniavin'ny mpitarika ny vondrom-piarahamonin'ny tanora Shiliana-Jiosy.

No recordamos cuándo fue, pero aprendimos a referirnos los unos a los otros como primos. Hoy tenemos el atrevimiento de llamarlos hermanos. Hermanos, no porque compartamos una misma madre, sino porque anhelamos una misma patria.

[…] Nos invitaron a apuntar con el dedo a Israel, atribuyéndole toda la responsabilidad del conflicto sin dejar espacio para el entendimiento mutuo. ¿Esperan que luchemos por los derechos humanos? Por supuesto que lo haremos. Condenaremos directa y enérgicamente la violación de aquellos que se cometan en Medio Oriente o en cualquier otra parte del mundo. Marcharemos con ustedes por la búsqueda de la paz, pero ¿lo harán ustedes? ¿aplicarán a Hamas y la Autoridad Palestina el mismo estándar moral que exigen a Israel? […]

Nosotros, por nuestra parte, estamos dispuestos a tranzar porque tenemos la convicción de que el diálogo y las ansias de vivir en armonía en Medio Oriente son la única forma de terminar el conflicto. […]

[…] Hoy les tendemos la mano, no para que se unan a nuestra causa, sino para que entendamos que la causa de ambos pueblos sólo puede prosperar si es la misma. Los invitamos a caminar juntos, desde Chile, por la paz para Palestina e Israel.

Tsy tsaroanay hoe oviana ilay izy, saingy nianarantsika ny nifampitondra toy ny zanaky ny mpirahalahy. Androany, sahinay ny miantso anareo rahalahy. Rahalahy, tsy hoe satria iray reny, fa satria maniry firenena mitovy isika.

[…] Manasa anareo izahay hanondro any Israely, hahatonga azy ho tompon'andraikitra tanteraka amin'ny fifandonana tsy isian'ny toerana ho an'ny fifankahazoan'ny andaniny sy ny ankilany. Manantena anay hiady ho an'ny zon'olombelona ianareo? Mazava loatra, hanao izahay. Homelohanay mivantana ary mafy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana, na any an-toeran-kafa eto an-tany. Hanao hetsi-panoherana miaraka aminareo izahay hikatsahana fandriampahalemana, saingy, hanao izany ve ianareo? Hanao fampahatsiarovantena ho an'ny Hamas sy ny manampahefana Palestiniana ve ianareo, izay takianareo ho azo avy amin'i Israely? […].

Izahay, aty amin'ny toerana misy anay, dia vonona ny hitady marimaritra iraisana satria resy lahatra fa ny fifanakalozan-kevitra sy ny hetaheta hiaina anaty filaminana ao Afovoany Atsinana no hany làlana hampitsaharana ny fifandonana. […].

[…] Androany, manolo-tànana anareo izahay, tsy hoe ho fangatahana anareo hanatevina laharana ny tolonay, fa mba hahatakatra hoe ny tanjon'ny vondrom-piarahamonina roa tonta dia afaka tanterahana fotsiny izao raha toa ka mitovy. Manasa anareo izahay hiara-mamindra, avy eto Shily, hisian'ny fandriampahalemana any Palestina sy Israely.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.