Ny Maleziana Sy Ny Fidarabohan'ny MH17 : “Tsy ijerena Zom-pirenena, Iray Isika Ao Anaty Fahoriana”

Flight MH17 crashed in eastern Ukraine. Photo by  Danny Chan, Copyright @Demotix (7/18/2014)

Nidaraboka tany atsinanan'i Okraina ny zontra MH17. Sary an'i Danny Chan, Fizakàmanana @ Demotix (18/07/2014)

Nidaraboka tany atsinanan'i Okraina tamin'ny Alakamisy hariva teo ny zotra MH17 an'ny Malaysia Airlines, niala tao Amsterdam ho any Kuala Lumpur, nahafaty ireo mpandeha rehetra niisa 298 tao anatiny miaraka amin'ireo mpanamory sy ny mpanampy azy.

Ny ankamaroan'ny tatitra dia milaza fa bala afomanga avy tany amin'ny 50 km any amin'ny sisintany iraisan'i Okraina sy Rosia no nahavoa ilay fiaramanidina. Ampangain'ny governemantan'ny Okraina ho nampiasa ny bala afomanga BUK miainga avy ety an-tany hitifirana fiaramanidina ireo mpomba an'i Rosia mba hanjeràna ilay fiaramanidina, saingy nandà an'io ireo mpitarika ny mpikomy.

Ity fanehoana an-tsary ity no mampiseho ny làlany sy ny toerana nianjeran'ny MH17 :

Fanehoana an-tsary : Sarintany misy ny nianjeran'ny MH17 sy ny zotrany pic.twitter.com/JkPwUJAv8u

Nanome toky ireo mpifidy azy ny Praiminisitra Maleziana, Najib Razak, fa hoentina eo anatrehan'ny fitsaràna ireo izay nitifitra iny fiaramanidina iny:

Andro manjombona tokoa izao, anatinà taona iray efa sarotra rahateo ho an'i Malezia.

Raha voaporofo fa tena notifirina tokoa no nampidaraboka ilay fiaramanidina, hisisihanay ny tsy maintsy hitondràna izay nahavanon-keloka hiatrika ny fitsaràna.

Avy aminà firenena maro samihafa ireo mpandeha tao anatin'ilay zotra.

Saingy androany, tsy ijerena izay zom-pirenena, iray isika ao anaty fahoriana.

Nataony nazava ihany koa fa ny làlan'ilay zotra, na dia nanitsy mivantana teo ambonin'ny faritry ny fifandonana aza, dia nambaran'ny Fikambanana Iraisampirenena Momba ny Fifamoivoizana An'habakabaka fa azo antoka.

Family members rushed to Kuala Lumpur International Airport when informed about the flight MH17 crash. Photo by Danny Chan, Copyright @Demotix. (7/18/2014)

Fianakaviana nihazakazaka nankao amin'ny seranana iraisam-pirenena tao Kuala Lumpur rehefa nilazàna ny momba ny fianjeran'ny zotra MH17. Sary an'i Danny Chan, Fizakàmanana @Demotix. (7/18/2014)

Ny fidarabohan'ny zotra MH17 no faharoa tamin'ireo Boeing 777-200 an'ny Malaysian Airlines nianjera tamin'ity taona ity. Ny 8 Martsa, fiaramanidina iray MH370 nitondra mpandeha 237 no tsy hita nanjavonana taorian'ny ora iray monja niaingàny avy ao Kuala Lumpur ho any Beijing. Tsy mbola hita izay misy ilay fiaramanidina MH370 sy ireo mpandeha tao anatiny hatramin'izao.

Nandefa bitsika ho fanohanana ireo fianakaviana sy naman'ireo tao anatin'ny zotra MH17 ny zanakavavin'ny iray tamin'ireo mpanamory ara-barotra (hôtesse) tao anatin'ny MH370 :

Amin'ny maha-fianakavian'ny iray tamin'ireo mpanamory ara-barotra tao amin'ny MH370 ahy, ary amin'ny anaran'izy rehetra ireny, mivavaka ho an'ny MH17 izahay. Mahereza ry fianakaviana malala. #PrayForMH17

Josie Fernandez avy amin'ny “Transparency International” ao Malezia dia nitaky fanadihadiana tsy mitanila momba io tranga io:

Tsy mbola nisy toa azy ny zava-nitranga – i Malezia no hany firenena  nahitàna hoe fitaovana iray mitovy, fiaramanidina mitovy no tafiditra taminà loza namoizana ain'olona marobe tao anatin'ny volana vitsy monja. Tsy mbola hita ny MH370.

Tsy maintsy mitaky hetsika iraisam-pirenena i Malezia amin'ity tranga tsy mbola nisy toa azy ity. Fiaramanidina mpitatitra olon-tsotra io. Tsy manana ady na aminà firenena iza na iza isika.

Manoratra ho an'ny gazety mpiseho isanandro “The Ant”, nofaritan'i Alyaa Alhadjri ho toy ny ‘famonoana faobe’ ny fidarabohan'ny MH17 :

Fa maninona no fiaramanidina misahana zotra ara-barotra no mbola misidina ambony faritra misy fifandonana ihany izay efa nisy fiaramanidina nianjera voatifitra ary efa nanaovana fampitandremana tsy hisolantsolana amin'ilay faritr'habakabaka.

Na inona na inona antony nampianjera Boeing 777 iray hafa an'ny MAS fanindroany tao anatin'ny 133 andro, tsy manampy hametrahan'ny olona fitokisana amin'ity zotram-piaramanidina nasiônaly ity ny famoizana olona 537 tamin'ireo lozam-pifamoivoizana an'habakabaka  mahatsiravina roa ireo.

Raha mbola misaona noho ny fianjerana mahatsiravina iray indray i Malezia, dia toa tsy azo ihodivirana fa hanery ny governemanta indray ireo olom-pirenena marobe mba hanazava ny fanjavonana mifono mistery nanjo ny MH370.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.