Vaovao Mafàna: Manomboka Fanafihana An-tanety Ao Gaza i Israely

Israel begins ground operations on Gaza. iFalasteen shares this photograph from Gaza on Twitter

Manomboka fanafihana an-tanety ao Gaza i Israely. Mizara ity saripika avy ao Gaza ity ao amin'ny Twitter i iFalasteen.

Nanomboka niditra ao Gaza ny tafika Israeliana, andro folo taorian'ny daroka baomba izay nahafatesana Palestiniana 200 mahery. Israeliana iray no matin'ny bala afomanga avy any amin'ny faritra Palestiniana. Mitranga ity firotsahana an-tanety ity taorian'ny nandàvan‘ny Hamas, izay mitondra ao Gaza, ny fampitsaharana poa-basy naroson'i Ejipta.

Tovah Lazaroff, mpanao gazety avy any Boston, nilatsaka an'elonaina tao afovoan'ny fifandonan'ny Israeliana sy Palestiniana, no nibitsika hoe :

Vaovao ofisialy avy amin'ny biraon'ny Praiminisitra ao Israely, nanomboka niditra ao Gaza ny tafika Israeliana

Ampiany hoe:

Biraon'ny Praiminisitra: Neken'ny kabinetra ny hanao fanafihana an-tanety taorian'ny naneken'i Israely ny fampitsaharana poa-basy nangatahan'i Ejipta & nandà azy io ny Hamas

Eny an-tanin'ady ao Gaza i iFalasteen no mitatitra :

Baomba na aiza na aiza aty Gaza tsy misy herinaratra ary manjelatry ny baomba sy ny firehetana ny zavatra rehetra #VoatafikaGaza

Daroka baomba tsy mitsahatra tsy misy toerana azo andosirana….Allah irery no hiaro an'i Gaza #VoatafikaGaza

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.