Te-hahazo Vaovao Betsaka Avy Ao Israely sy Gaza Amin'izao Fotoana Izao? Mety Hanampy Anao Ireto Lahatsary Dimy Ireto

A doll lies on the rubble of a destroyed building on July 11, 2014, following an Israeli airstrike in Gaza City. Photo by Marco Bottelli. Copyright Demotix.

Saribakoly eo ambony korotam-baton'ny fanorenana potika tamin'ny fandarohana baomba nataon'i Israely tao an-tanànan'i Gaza amin'ny 11 jolay 2014. Saripikan'i Marco Bottelli. Copyright Demotix.

Nanohy ny hetsika fidarohana baomba mahafaty olona tao Gaza indray i Israely tamin'ny Talata taorian'ny fandavàn'ny fitondrana Hamas hampitsahatra ny ady ary nandefa rokety am-polony avy ao amin'ny sisintany amorontsiraka ao Israely izy ireo.

Palestiniana 193 hatramin'izao no namoy ny ainy nandritra ny daroka baomba tao anatin'ny herinandro, araka ny filazan'ny minisitry ny fahasalmana ao Gaza, ary 16 taona na latsak'izany ny 30 tamin'ireo namoy ny ainy ireo farafahakeliny. Olona arivo mahery kosa no naratra, kanefa tsy ampy ny fanafody sy ny fitaovam-pitsaboana ilaina tamin'izany.

Tao Israely, olona azo isaina amin'ny ratsa-tanana no naratran’ny rokety nalefan'i Gaza izay tsy tazan'ilay antsoina hoe rafi-piarovana manohitra ny balafomanga “Iron Dome”.

Mbola tsy matoky hoe nahoana no mitranga izany rehetra izany? Ny AJ+, fantsom-baovao antserasera avy amin'ny Al Jazeera miorina ao San Francisco izay nivoaka tsy tamim-pitabatabana tamin'ny volana Jiona, no manolotra andian-dahatsary fohy manazava ity raharaha sarotra ity . Mitantara ny fototry ny zava-misy ireo tatitra mizotra haingana ary miteny ny diso amin'ny fitantarana ataon'ny Tandrefana, izay matetika manasokajy an'i Israely sy Gaza ho mitovy hery (tsy izany anefa – fa tolona mirona any amin'i Israely ary fiadiana goavana sy voaaro izany).

Hevitra tsara hatrany ny mijery vaovao avy amina loharanom-baovao isan-karazany, toerana tsara hanombohan'ireo izay tsy naharaka ny fivoaran'ny toe-draharaha isan'andro ity. Topazo maso ireto:

1. Tanora telo maty sy fahatezeran'Israeliana an'arivony

2. Fa inona no nitranga tany Israel & Palestine tamin'ny Jona 2014?

3. Miteny ao anatin'ny Fifampihenjanana Ny renin'ny Tanora Israeliana Maty

4. Israel # Palestine – Amin'ny alalan'ny Isa

5. Fiainana Voazava any Gaza

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.