Nahoana No Te-Hosamborina Ireo Vahoaka Maherin'ny 500 Nitokona Tany Hong-Kong?

Protesters from Chater Road were waiting for the police to arrest them on July 2 peaceful sit-in. Photo from inmediahk.net. Non-commercial use.

Niandry ny mpitandro filaminana hisambotra azy ireo mpitokona teo amin'ny arabe Chater nandritra ny fitokonana am-pilaminana tamin'ny 2 Jolay. Sary avy amin'ny inmediahk.net. Tsy azo ampiasaina amin'ny resaka varotra ity sary ity.

Fantatr'i Ah To, injeniera tsy mbola voaheloka hatrizay, fa mety hahavoasambotra azy ny famonjena ny fitokonana am-pilaminana tao afovoan'i Hong Kong ho fangatahana ny hamelàn'i Shina ny vahoaka hanendry ny mpitarika ny tanàna tamin'ny herinandro lasa. Nanontany tena izy raha toa ka mendrika atao sorona amin'ity hetsika tsy dia lehibe ity, saingy famerenana ho anà hetsi-panoherana goavana any aoriana any, ny asany tsara sy ny hoaviny.

Avy eo, naheno ankizivavy iray tao aoriany niresaka mafy tamin'ny finday izy. Nosoritsoritany tao amin'ny Facebook tanatinà lahatsoratra naverina navoaka tao amin'ny sehatra fiadian-kevitry ny mediam-bahoaka inmediahk.net miaraka tamin'ny alàlana nomeny ny zava-niseho : 

“Tsy ho ahy no anaovako izao, tsy mivazivazy aho, fa ho an'i Hong Kong no anaovako izao!!!  Avy eo notapahany ny antso. Nanganohano daholo ny mason'ny olona nanodidina ahy, ary dia nanganohano ihany koa ny ahy.  Tsy ny hisamborana ahy na ny hanenjehana ahy ara-politika no tena nampatahotra ahy fa ny hamela ny fianakaviako hitaintaina ny amiko.

Olona iraika ambin'ny folo sy dimanjato no voasambotra ny marainan'ny 2 Jolay teo nandritra ny fitokonana, tao anatin'izany i Ah To. Nolazainy fa noho ny nandraisany anjara taminà fivoriana tsy ara-dalàna ka nahatonga ny fitohanana tany amin'ireo toeram-bahoaka no nisamborana azy. 

Taorian'ny fivoriamben'ny mponina antsasakà tapitrisa tany Hong Kong ny 1 Jolay io fitokonana io, tsingerintaonan'ny nanomezana an'i Hong Kong zanatany Britanika teo aloha ho an'i Shina tamin'ny 1997. Nampanantena i Shina fa atao mivantana ny fifidianana ny filoha manaraka hitantana an'i Hong Kong amin'ny 2017 fa tsy amin'ny alàlan'ny komity intsony, saingy mbola tsindriany fa tsy maintsy eken'ny komity ireo filatsahan-ko fidiana.

Noraisin'ny vondrona  Occupy Central With Love And Peace, izay nitetika ny haka an-keriny ny faritra Afovoan'ny tanàna raha toa ka tsy mahomby ny fandrosoan'ny governemanta volavolam-panavaozana politika momba ny fahalalahan'ny filatsahan-ko fidiana, ho toy ny fivoriana fiomanana amin'izay eritreretin'izy ireo ho fakàna toerana an-keriny midadasika kokoa io fitokonana io.

Efa navotsotra avokoa ireo rehetra nosamborina, ary ny sasany mbola nandoa honitra ka miandry ny fanenjehana vaovao. Maro no nizara ny tantarany manokana tao amin'ny Facebook tanatin'ny andro vitsy, toa an-dry Ah To. Nosoritsoritany tao anatin'ny kaontiny izay rehetra nanodidina azy. Teo amin'ny ankaviany nisy rain-jazalahy kely herintaona izay nilaza fa noho ny “amin'ny zanany lahy no mahatonga azy ao”. Teo amin'ny ankavanany nisy lehilahy 50 taona izay nilaza fa avy any Shenzhen, any Shina izy no tonga any Hong Kong mba hanohana ireo hetsi-panoherana. 

Namafisin'i Ah To fa avy any amin'ny vazantany efatra ireo mpanao fihetsiketsehana ireo :

Ny tiako ho lazaina eto dia maro amin'ireo voasambotra ireo ny tsy mpitolona mafana fo. Aza atao hoe biby fampitahorana, na adala ireo voasambotra ireo, kanefa koa tsy mahery fo izy ireo. Mponina tsotra any Hong Kong ihany izy ireo, mpianatra na koa mpiasa anaty birao. Tsy maintsy miantso any amin'ny birao ry zareo mangataka fialan-tsasatra noho ny aretina rehefa voasambotra. Ary matahotra mafy izy ireo raha vao miseho amin'ny TV satria mety hitady fomba handroahana azy ireo ny lehibe. Kanefa tiako tenenina ihany koa fa zavatra tsy sarotra tanterahina ny hetsika ara-piarahamonina. Ny fo no ilainareo. Tsy ilàna famerenana, na fanomanana. Raha vao mipetraka ianao dia tonga ho mpitolona.

Naka lahatsary fohy 15 minitra momba ny famerenana nataon'ny Occupy Central sy nitafata taminà mpandray anjara maro mba hitsikerana ny zava-misy ankehitriny any Hong kong ny vondrona mpanakanto mahaleotena Psychedelic Nomads. 

Na dia mbola milaza ihany aza ireo mpanao politika mpomba an'i Pékin sy ireo mpanara-dia azy fa tsy hampiova ny fanapahan-kevitr'i Shina amin'ny famerana ny fahefana hanendry ho anà komity mpanolotra ny Occupy Central, dia tsy hilavo lefona moramora i Ah To sy ireo mpiray tarika aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.