Mety Hampisy Fiantraikany Goavana Amin'ny Fifidianana Ao Indonezia Ny Tanora Mpifidy. Ahoana Ny Hevitr'izy Ireo?

A young man writes a letter to the Indonesian president. Time and again, it's never replied to.

Taratasy hoan'ny filoha: Tovolahy manoratra taratasy hoan'ny filoha Indoneziana.  

 
Sambany hifidy eo amin'ny fiainan'izy ireo ny ampahatelon'ireo mpifidy maherin'ny 186 tapitrisa amin'ny fifidianana filoham-pirenena ao Indonezia tamin'ny 9 Jiona, ary mety hisy fantraikany amin'ny voka-pifidianana amin'ny fomba goavana ity taranaka mpifidy vaovao ity.

Mbola tanora loatra ny sasany raha hahatsiaro ilay Fitondran'ny Holafitra Vaovao mahery setra, notantanin'ilay mpanao didy jadona Suharto izay nitondra tao Indonezia nandritra ny 32 taona hatramin'ny fametram-pialàny tamin'ny 1998. Na dia izany aza, miezaka ny hiverina eo amin'ny fahefana ireo mpitondra tamin'izany fotoana izany, amin'ny fifidianana filoham-pirenena fidiana mivantana faha-telo eo amin'ny tantaran'ny firenena .

Tsy mahagaga raha samy nanatanteraka fampielezan-kevitra antserasera amin'ny fomba vaovao ireo kandidà nirotsaka hofidiana filoham-pirenena mba hiezaka hisarika ireo tanora mpifidy. Nitarika tamin'ny fametahana anarana “fifidianana amin'ny media sosialy” ny fanasongadinana ny fifidianana tao amin'ny Facebook sy Twitter, ary nampiseho ny tanora Indoneziana misara-tsaina amin'ny safidin'izy ireo.

Noho ny fisian'izany fisainana izany, namorona ny  Suara Baru (Feo Vaovao) ny EngageMedia, hanasana ireo tanora mpamorona sarimihetsika, mpikatroka, mpanoratra gazety olo-tsotra mba hamorona tantara an-dahatsary ka ny tanjona dia ny hahatakatra ireo vinavinan'ny tanora amin'ny fifidianana, ny kandidàny, ary koa ny fanantenan'izy ireo sy ny hetahetan'izy ireo hoan'ny firenena.

Nampahafantarina tao amin'ny aterineto sy ireo fantsona ivelan'ny aterineto ireto lahatsary ahitana dikan-tsoratra amin'ny teny Anglisy ireto mba hampandraisana anjara ny tanora sy handrisika adihevitra momba ny olana sy fandaharan'asa resahina mandritra ny fifidianana. Tsindrio eo afovoan'ny lahatsary raha hijery ny habaky ny EngageMedia.

Young people in Raja Ampat, West Papua want the next Indonesian president to deliver progress.

Ny Fanantenan'ny Tanora Papuan: Mila filoham-pirenena Indoneziana hitondra fandrosoana ny tanora ao Raja Ampat, Papua andrefana.

 

View from the Edge - A candid video exploring why some young Indonesians are not voting in the 2014 presidential elections.

Jery avy eny an-tsisiny: Lahatsary tsotra milaza ny antony mahatonga ireo tanora Indoneziana sasany tsy hifidy amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2014.

 

Fifidianana sy fifandonana: Nahoana ny fifidianana filoham-pirenena Indoneziana no mamadika ny tanora mpinamana ho lasa mpifahavalo?

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.