Iza i Sachin Tendulkar? Aza Manontany An'ilay Tompon-dakan'ny Tennis, Maria Sharapova

Indian cricketer Sachin Tendulkar at a press conference in Mumbai. Image by Ravindra Hande. Copyright Demotix (17/11/2013)

Mpilalao cricket Indiana, Sachin Tendulkar nandritra ny valan-dresaka hoan'ny mpanoratra gazety tao Mumbai. Sary: Ravindra Hande. Zon'ny mpamorona Demotix (17/11/2013)

Noho ny teny kely anankiroa, nahavita nampahatezitra ireo mpankafy marobe an'ilay “andriamanitry ny cricket” Indiana Sachin Tendulkar ilay Rosiana mpilalao tennis malaza Maria Sharapova .

Raha nanontaniana izy nandritra ny valan-dresaka hoan'ny mpanoratra gazety tao Wimbledon tamin'ny volana lasa teo raha mahafantatra an'i Tendulkar, niaiky ity mpandresy in-dimy tamin'ny Grand Chelem ity hoe: “Tsy fantatro”. Nijery fifaninanana tennis tao amin'ny Royal Box niaraka tamin'ireo mpanao fanatanjahantena malaza hafa tahaka an'i David Beckham i Tendulkar.

Nahatonga azy ireo nirohotra tao amin'ny Facebook sy Twitter ny fahatezeran'ireo mpankafy an'i Tendulkar, ka nalaza nanomboka tamin'ny nivoahan'ny vaovao ny diezy #WhoisMariaSharapova. Naharay fanehoan-kevitra teo amin'ny 50 teo isaky ny minitra ny pejy Facebook-ny.

Iza i Maria Sharapova? Sachin Tendulktar manaja ny lalaony ity. Mianara ny ataony.

Nisotro ronono tamin'ny Novambra 2013 i Tendulkar, andrarezin'ny cricket  taorian'ny 24 taona niasany. Nosakajian'ny Alimanakan'ireo mpilalao Cricket Wisden ho mpively goavana indrindra faharoa aorian'ny Sir Don Bradman izy. Notolorana mari-boninahitra sivily Indiana ambony indrindra, Bharat Ratna izy nandritra ny filalaovany cricket miampy ireo loka Indiana sy iraisam-pirenena hafa.

Nopetahan'ireo mpanohana an'i Tendulkar anarana hoe “mpankahala cricket” i Sharapova noho ny fahabangana eo amin'ny fahalalàny. Ny sasany namorona meme, tahaka ity avy amin'ny goavan'ny tennis Roger Federer mihaino an'i Tendulkar am-panetretena miaraka amin'ny tanana mifanindry (bras croisés) ity :

Ry namana Sharapova, mianara zavatra amin'ny namanao mpilalao tennis BTW hoe iza i Maria Sharapova

Ny hafa kosa niaro an'i Sharapova, ary nilaza fa rariny ny tsy fahafantarany noho izy avy ao amin'ny firenena tsy milalao cricket. 

http://youtu.be/QtkpNOTrJCU

Ao amin'ny takelaka fametrahana fanehoan-kevitra ao amin'ity lahatsary YouTube eto ambany ity, izay nakarin'ny Worlds Best News, nilaza i Manish Bhatia  hoe:

I don't see what's the big deal. She didn't disrespect Tendulkar in any way. She did say they met before, but didn't know who he was. We have to realise that cricket isn't played at all in Russia (where she was born) and the US (where she currently lives).. Though she's guilty of having poor GK [general knowledge].

We are really a hypocritical bunch of people. We criticise her for not knowing Sachin yet almost none of us know the names of any Hockey player, even though it's our national game.

Tsy hitako izay olana goavana eto. Tsy manivaiva an'i Tendulkar mihitsy izy. Nilaza izy fa efa nihaona izy ireo taloha, saingy tsy fantany hoe iza izy. Tokony ho fantatsika fa tsy mba lalaovina ao Rosia (toerana nahaterahany) sy Etazonia (toerana onenany ankehitriny) mihitsy ny lalao cricket. Kanefa dia meloka izy noho ny tsy fahampian'ny fahalalana ankapobeny.

Vondron'olona mpihatsaravelatsihy tokoa isika. Tsikeraintsika  izy noho ny tsy fahafantarany an'i Sachin kanefa saika tsy misy amintsika mahafantatra ny anaran'ireo mpilalao Hockey rehetra, na dia lalaom-pirenentsika aza izany.

Pejim-baovao ao amin'ny Facebook The Logical Indian nandrisika ireo mpankafy mba hamelively an'i Sharapova:

The Logical Indian denounces the act of Indians trolling Maria Sharapova‘s Facebook profile, inundating it with profanity. Think people, think! Would Sachin ever want us to indulge in profanity on his behalf? Are we not indulging in behaviour that he would find extremely embarassing?

While Cricket is a popular sport in a handful of commonwealth countries, we must realise that it is unknown to most other countries.

There is no doubt that Sachin Tendulkar is the greatest cricketer to have walked the earth, and a living sporting legend. But why should a tennis player from Russia – a non cricket playing country be expected to know about Sachin?

Miampanga ny fihetsik'ireo Indiana mitabataba (trollling) ao amin'ny rindrin'ny Facebook-n'i Maria Sharapova, feno faniratsirana ny The Logical Indian. Mihevera ry vahoaka, mihevera! Tian'i Sachin ve ny mahita antsika maniratsira olona noho ny amin'ny anarany? Tsy manao fitondran-tena izay mety hahasanganehana azy ve isika?

Fanatanjahantena malaza ao amin'ny firenena azo isaina amin'ny rantsan-tanana ao Commonwealth ny cricket, tokony ho fantatsika fa tsy mahafantatra izany lalao izany ny ankamaroan'ny firenen-kafa.

Tsy isalasalana fa i Sachin Tendulkar  no mpilalao cricket goavana indrindra nandia tany, ary andrarezin'ny fanatanjahantena velona. Saingy nahoana ny mpilalao tennis ao Rosia – firenena tsy milalao cricket no tokony hahafantatra momba an'i Sachin?

Hatramin'izao, mbola tsy naneho hevitra tao amin'ny pejy Twitter-any avy na niresaka tamin'ny gazety momba ity raharaha ity na i Sharapova na i Sachin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.