Lisitr'ireo Vakiteny Fahavaratra Avy Amin'ireo Mpikambana Global Voices Teny Frantsay

"Summer reading" via nipmuc media center - Public domain

“Vakiteny Fahavaratra” avy amin'ny foiben'ny fampahalalam-baovao Nipmuc. Sary azon'ny rehetra ampiasaina

Tonga ny fahavaratra. Amin'ilay nanjary fahazarana eo amin'izao tontolo izao, toa tsy azo ialana ny lisitry ny vakiteny alohan'ny hialanao amin'ireo fitaovanao antserasera ary hiditra amin'ny sehatra vakinteny miadakadana kokoa.
 
Raha anisan'ny tanjonao amin'ity fahavaratra ity ny hifankazatra amin'ireo mpanoratra mpiteny Frantsay (Frankôfôna), aza mitady lavitra. Aza miandry ela, indreto tolo-kevitra boky vitsivitsy avy amin'ireo mpikambana ao amin'ny GV teny Frantsay.

Manolotra ireo boky folo tsara indrindra nosoratana voalohany tamin'ny teny frantsay ireto i Andrew Kowalczuk. Angona boky malaza indrindra avy amin'ireo mpanoratra miteny Frantsay ankehitriny ireo lisitra ireo. Misy amin'ny teny Anglisy ihany koa ny ankamaroan'izy ireo (jereo ny rohy raha hijery ny dikan-teny):

Alexandre Dumas – “Le Comte de Monte-Cristo (Ny solontenan'ny mpanjaka ao Monte-Cristo)” 
Charles Baudelaire – “Les fleurs du mal (Voninkazon'ny ratsy)
Arthur Rimbaud – “Poésies (Tononkalo)
André Gide – “Les faux monnayeurs (Ireo mpanao vola sandoka)
André Breton – “Le surréalisme et la peinture (Ny fisianabo sy ny hosodoko)”
Albert Camus – “La chute (Ny fianjerana)
Eugène Ionesco – “Rhinocéros (Tokatandroka)
Antoine de Saint-Exupéry – “Le petit prince (Printsy kely)
Jean-Paul Sartre – “L'être et le néant (Ny misy sy ny tsy misy)
Simone de Beauvoir – “Le deuxième sexe (Ny maha-lehilahy sy vehivavy faharoa)
Michel Foucault – “L'archéologie du savoir (Arkeolojian'ny fahalalàna)”
Benoît Mandelbrot – “Les objets fractals: Forme, hasard et dimension (Ireo zavatra mizarazara: Endrika, kisendrasendra sy habe)”   

Lisitra vakiteny manoka-tsaina ampy hisafidianana ireo. Na dia izany aza, raha mila zavatra maharitraritra (lavalava) kokoa ianao , manolo-kevitra ireto somary klasika ireto i Jane Ellis:  

Voltaire – “Candide” ( [miverina mamaky azy hatrany aho] ) 
Laurent Binet – “HHhH” ( [Mahatalanjona amin'ny fomba maro] )
Zola – “Thérèse Raquin” (maharikoriko ary lasa alohan'ny fotoana niaviany tahaka an'i Candide).
 
Na dia izany aza, nohatevenin'ny mpanoratra ivelan'i Frantsa ihany koa ny literatiora frankôfôna. Nanansongadina boky iray avy amin'i Amine Maalouf, mpanoratra Frantsay teraka tao Libaney i Thalia Rahme. Nanararaotra nanolo-kevitra ny lisitry ny vakinteniny ankehitriny izay tsy avy amin'ireo mpanoratra Frankôfôna ihany koa izy, tahaka an'i Gabriel Garcia Marquez ao Kolombia sy Khaled Hosseini ao Iran: 
 
Amine Maalouf -  “Identites Meurtrieres (Mari-Panondroana Mahafaty Olona)” (fandraisany anjara amin'ny kolontsaina roa); “Samarcande” (amin'ny haisoratra sy tononkalo Iraniana),  
Gabriel Garcia Marquez – “100 Years of Solitude (100 taona Manirery)”  
Khaled Hosseini – “The Kite Runner”; “1000 Splendid Suns (Masoandro Mamiratra 1000) “; “And the Mountains Echoed (Ary Nanako Ny Tendrombohitra)”

Miainga avy amin'ny lisitr'i Thalia, manolotra tantara malaza vitsivitsy avy amin'ireo mpanoratra Aziatika kosa i Alison Mcmillan:

Vikram Seth – “A Suitable Boy (Tovolahy Sahaza)”
Shashi Tharoor – “The Great Indian Novel (Tantara Indiana Mahafinaritra)”
Salman Rushdie – “Midnight's Children (Ankizin'ny Sasak'alina)”
Upamanyu Chatterjee – “English, August (Anglisy, Aogositra)”
Kiran Desai – “The Inheritance of Loss (Ny fandovana ny fahaverezana)”

front cover art for the book A Suitable Boy - Used as fair use

Kanto Fonon'ilay boky “Tovolahy Sahaza (A Suitable Boy).” Azo ampiasaina

Nanolo-kevitra ny “A Suitable Boy” ihany koa Claire Ulrich, ho toy ny “must-read” (tsy maintsy vakiana). Nanolo-kevitra tononkalo vitsivitsy ihany koa izy raha hamaky tantara foronina:

Oh, “A Suitable Boy” is one of my favorite! I am in my “poetry” phase and I cannot let go of Paul Eluard lately. I am also re-reading the biography of Gabriel Garcia Marquez , “Living to Tell the Tale” 

Anisan'ny ankafiziko indrindra ny “A Suitable Boy”! Ao anatin'ny fotoanan'ny “tononkalo” aho ary tsy azoko avela i Paul Eluard. Mamaky indray ny tantaram-piainan'i Gabriel Garcia Marquez, “Miaina mba hitantara azy ihany koa aho

 
Ary ity ny lisitra avy amiko, amin'ireo boky frantsay mendrika hovakiana,  amin'ity fahavaratra ity: 
 
Gaston Leroux – “Le Mystère de la chambre jaune (Ny Misiterin'ny efitrano mavo)”
Jean-Dominique Bauby – “Le Scaphandre et le Papillon (Trambo sy ny Lolo)”
Anne Roumanoff – “Le couple: Petits délices de la vie à deux (Ny mpifankatia: Hafinaretan'ny fiainan'olon-droa “
Raymond Devos – “Matière à rire (Taranja hihomezana)”  
Victor Hugo – “Les Comtemplations (Ireo Fandinihana) ” 
 
Mamakia finaritra! Ary aza adinoinba ny fiarovana amin'ny hazavana!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.