Sary Nalaina Mampiseho An'ireo Israeliana Mijery Ny Fandarohana Baomba An'i Gaza

Sinema Sderot. mitondra seza eny antampon-tendrombohitra ao sderot ny Israeliana mba hijery vaovao farany avy ao Gaza. Mitehaka rehefa mahare fipoahana pic.twitter.com/WYZquV62O7

Nandefa ity sary ity tao amin'ny Twitter ilay mpanao gazety Danoà  Allan Sørensen, izay mampiseho ireo mponina mijery sy mankalaza ny fipoahana ao Gaza. Namafisin'i Sørensen fa tamin'ny Alarobia alina (9 Jolay) no nangalany ny sary tao antampon-tendrombohitra tao an-tanàna Israeliana manamorona ny sisintany, Sderot.

Mpanoratra gazety ao Afovoany-Atsinanana solontenan'ny gazety Danoà Kristeligt Dagblad i Sørensen.

Nilaza ny fampahalalam-baovao tandrefana sasany tahaka ny Telegraph fa voavelin'ny balafomanga sy ny rokety avy ao Gaza i Sderot. Nilaza ny lahatsoratra “voavelin'ny balafomanga ny tanàna an-tsisintany ao Israely, Sderot” navoakan'ny Telegraph tamin'ny 9 Jiona, mifanakaiky ny fotoana nangalan'i  Sørensen ity sary : «Ireo mponin'ny tanànan'i rokety miaina ny tahotry ny fipoahan'ny balafomanga, telo kilometatra fotsiny miala an'i Gaza”.

Manana mponina 24.000 i Sderot ary manana velaran-tany dimy kilaometatra toradroa.

Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, nanatontosa “Bemidina fampandrian-tany” goavana tao Gaza i Israely, ka Palestiniana maherin'ny 80 no namoy ny ainy hatramin'ny androany, izay ankizy amam-behivavy no ankamaroany. Nitifitra balafomanga an'i Israely avy ao Gaza ny Hamas, izay nitondra an'i Gaza hatramin'ny taona 2007. Tamin'ny 11 Jolay, nitatitra ireo manampahefana Israeliana fa tsy nisy aina nafoy tao Israely. Tsy niteraka fahasimbana goavana ny ankamaroan'ireo rokety notifirina tao Israely, noho ny rafi-piarovana tafo-boribory (Dôme) vao novatsian'ny Amerikana vola, izay nanakana tifitra 70 farafahakeliny, araka ny filazan'ny the Guardian.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.