Raha Shinoa Mpanakanto Te-hanao Fampisehoana Any Ivelany Ianao, Ho Ambony Ambany Ny Fiainanao

Chinese singer Tanjing at the Golden Hall of Vienna in 2006. Screenshot from YouTube.

Tanjing, Shinoa mpihira, tao amin'ny “Golden Hall” ao Vienne tamin'ny 2006. Dikasary avy ao amin'ny YouTube.

Namoaka torohay hamaizana ny fampisehoana karakarain'ireo vondrona mpankanto avy ao aminy handeha ho any ivelany i Shina, tatitry ny masoivohom-baovaom-panjakana Xinhua ny Alarobia teo, satria miparitaka any amin'ny sehatry ny fandaharanasa fifanakalozana ara-kolontsaina ny fampivelarana ny politikam-pitsitsiana natomboky ny filoha Shinoa Xi Jinping. 

Niditra tamin'ny endrika fanentanana hiady amin'ny kolikoly ilay hetsika, namandrika manampahefana ambony maromaro tao amin'ny Antoko Kaominista Shinoa voampanga ho voarohirohy taminà heloka bevava ara-toekarena. Hatramin'ny naha-filoha Shinoa azy tamin'ny 2012, nivoady hiady amin'ny kolikoly raiki-tampisaka i Xi Jinping ary nanandrana ny nanolotra governemanta tsotra. 

“Tato anatin'ny taona vitsy, mivoaka matetika amin'ny anaran'ny fifanakalozana ara-kolontsaina ary manao fampisehoana any amin'ireo toerana malaza toy ny Golden Hall any Vienne na ny foiben-toeran'ireo fikambanana iraisampirenena sasantsasany ireo vondrona mpankanto na fikambanana sosialy sasany,” hoy ny  Xinhua nanoratra.

“Ny sasany tamin'ireny dia nampiasa volam-panjakana tsy nisy fiheverana fitsitsiana mihitsy, izay ny vahoaka no tena lasibatra goavana,” hoy izy nanampy. “Ny hetsika toy ireny dia nandanilany foana ny vola, ny harena ara-olona ary nanimba ihany koa ny maha-izy azy ny kolontsain'ny firenena no sady nandrisika ny resaka “formalisme” (tery vay manta hanaraka ny rafitra, tsy ijerena akory izay endriny sy votoatiny) , izay nisy fiantraikany ratsy teo amin'ny fiainana ara-tsosialy.” 

Mandritry ny fotoana tsy fanaovana fampisehoana any ivelany, ny toromarika dia milaza fa voaràra tsy mahazo mivoaka hanao fampisehoana any amin'ireo toerana malaza any ivelany ireo tarika Shinoa mpanakanto. Voaràra ihany koa na fampisehoana mianto-tena na vatsian'ny governemanta, ny Ministeran'ny Kolontsaina no tondroin'ilay masoivoho ho nilaza izany. Tsy maintsy maka ny fankatoavan'ireo mpitantana ny resaka kolontsaina ireo olon-tsotra na tarika te-hanao fampisehoana any amin'ireo “foiben-toeran'ireo fikambanana iraisam-pirenena.” 

Na dia tsy manoritra manokana ny karazana tarika ataony lasibatra aza ilay fanambaràn'ny ministera, dia toa sahala amin'ny mampangovitra ireo any amin'ny sehatry ny kolontsaina ihany ny vaovao satria efa nahazo vahana sahady avy amin'ny politikam-pitsitsian'ny governemanta. 

10.000 raha kely indrindra ireo tarika mpanao fampisehoana no niditra fatiantoka na nampitsahatra ny asa fitadiavany, hoy ny manampahaizana iray momba ny kolontsaina tamin'ny Beijing Times tamin'ity volana ity. 

Na eo aza izany rehetra izany, ny Kaonsilim-panjakana ao Shina, ny kabinetra, dia namoaka antontan-taratasy iray tamin'ny Martsa, izay nampanantena ny hampitombo ny fanondranana ny kolontsaina Shinoa sy hanatevina ny fampiasam-bola amin'ny sehatry ny kolontsaina ao amin'ny firenena. 

Taorian'ny tatitry ny Xinhua, feno karazam-panehoana hevitra isankarazany ny media sosialy Shinoa. 

Huoxu Wendu nanoratra tao amin'ny Sina Weibo, ilay sehatra malaza fitorahana bolongana kiritika amin'ny endrika Tzitter: 
微博个人认证

据我所知,现在甚至有一些私人民办小学、中学也组织学生合唱团去维也纳演唱打响知名度。不好说是坏事还是好事。

Raha ny fahafantarako azy hatreto, ireo sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa an'olon-tsotra koa dia mikarakara fivoahanà mpianatra anaty antoko mpihira handeha ho any Vienne mba hampitombo ny lazany. Tsy haiko na tsara na ratsy izany zavatra izany.

Nitehaka ilay hetsika i Jinxin, ilay mpandihy iray manana ny lazany, monina ao Shanghai, manana mpanjohy 1,6 tapitrisa ao amin'ny Weibo :

早该如此,才反应过来啊?花了多少纳税人的钱!赞一个! 

Efa fotoana ela tany aloha no tokony ho nampiharana azy ity, fa nahoana no nandany fotoana ela [ny governemanta] hanatontosàna azy? ohatrinona tamin'ny volam-bahoaka no efa lany? Manainga ankihibe [ho an'ny politika]!

Nanana fijery hafa i Ma'er :

镀金没关系,市场决定了价值。只怕这一禁止,剩下能去的又成了某些团体的指定配额。很搞笑,明显的商业文化行为,又为什么出台这么多不切实际的龟腚。其实,人家维亚纳都不在意,只不过淡季创收而已。这种所谓的禁止令,是否又存在阻碍中国软实力的外销。

EKENA ny fandehanana mandranto fianarana any ivelany, ny tsena no mamaritra ny lenta. Atahorako hoe vantany vao ampiharina ilay fandraràna, ho apetraka toy ny fetr'isa ho an'ny vondrona sasany ny isan'ny olona tena afaka marina mandeha mivoaka. Mahatsikaiky ity izy, dia tena resaka fandraharahàna ara-barotra tsotra fotsiny izao, inona no tokony hisahirànana aminà karazana fomba fanao tsy mitondra mankaiza tahaka izany. Ny marina dia izao, tsy misy iraharahàn'i Vienne an'izany, te-hampitmbo ny vola miditra fotsiny izy mandritry ny fotoana maha-vitsy ny mpizaha tany. Sady koa, hanohintohina ny fivarotan'i Shina ny kolontsaina malefaka avy aminy ve ny fandraràna tahaka izao?

Nanoratra i Jia Kuizhi hoe fanapahan-kevitra tsara io : 

国有文化单位体制改革,是解决问题的根本方法。文化单位又不提供公共产品,没有理由财政供养。

Ny fanavaozana ara-drafitra amin'ny orinasan-kolontsaina tantanin'ny fanjakana no tena làlana fototra hamahàna ny olana. Tsy natao ho an'ny daholobe ny vokatra ara-kolontsaina, tsy misy antony ilàna tohana ara-bola avy amin'ny governemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.