Rakitsary Miparitaka Be An'ilay Peroviana Mpihira Mahatonga Ny Olona Hiresaka Fitiavan-Tanindrazana

A still from Pisko's Peruano video. (source: Youtube)

 Pisko misarita-bolo amin'ny endrika ‘Peruano’. Loharano: YouTube.

“Tompo ô, mitalaho aho, avelao aho mba hahita an'i Pero any Rosia amin'ny 2018,”  hoy ny vavaka fitalahoan'ny iray amin'ireo mpankafy nandritry ny fihaonana Espaina-PaysBas tao Salvador, Brezila ny 13 Jona teo. Azoko antoka fa hanàko any amin'ireo mpankafy baolina efa trotraka ao Pero io fihetsehampo io, izay mbola mihitsoka ao anatin'ny làlan-dririnin'ny Amboara Erantany efa ho 32 nahazatra azy izay nisongadinany tamin'ny 1982.

Fa vitsy no mety nieritreritra hoe herinandro vitsy taty aoriana i Piero Campaña, aka ‘Pisko’ no ho lasa zava-manaitaitra vaovao ny saina taty anatin'ny aterineto. Tao anatin'ny herinandro monja hatramin'ny 8 Jolay, nahazo mpijery maherin'ny 750.000 tao amin'ny Youtube ilay rakikirany niparitaka be, ‘Peruano’ — gadona rap atao amin'ny gitara “rock” ho fanomezam-boninahitra ny firenena nahaterahany.

Nahazo dera sy laza noho ny fanehoany tsara ny zava-mampiavaka an'i Però ilay hira, toy ny Nazca Lines, Cusco, sy ny antso mavesatra nataony mba hiraisan'ny Peroviana rehetra. “Peroviana aho, miaina eto Però. Miaina tahàka anao. Ary miaraka amin'ilay lobaka nahaterahanao iny,” hoy ny apoapoakany ao anatin'ny fampiaraham-peo.

Ny tsikera anefa dia miteny fa Pisko — izay tondroina ho naka ny anarany avy amin'ilay anaran-toaka ao amin'ny firenena, Pisco — dia mpanararaotra nampiasa ny hetsika fitiavantanindrazana mba hampientanana ny asa maha-mpiangaly mozika azy. Ireo famelàn-kafatry ny tanàna sy ireo teny hafahafa amin'ny fiteny Quechua, fitenin'ny indizena, dia tsy manafina velively ny resaka dokam-barotra mialoha ny fankalazàny ny faha-193 ny fahaleovantena azony tamin'i Espaina amin'ny faran'ny Jolay, hoy izy ireo manampy. Na izany aza dia niteraka adihevitra momba izay maha-Peroviana ihany ilay izy, miaraka amin'ireo fanehoankevitra 3.000 voasoratra ao amin'ilay tranonkala nampakàrana ilay lahatsary.

Russia2018

Pisko tamin'ny fihaonan'i Pays-Bas sy Espaina, naverin'i  @terra.pe nalefa

El Comercio, gazety mpiseho isanandro ao Lima manamarika fa ny isan'ny fijerena azy io dia  “zava-bita iray izay vitsy amin'ireo Peroviana mpanakanto no mahatratra azy ka ho afaka mirehareha amin'izany”.

Ireo firenena any Andes ahitàna mponina 30 tapitrisa dia fifangaroam-piaviana marobe, ananany ny vahoaka ‘autochtones’ (ireo tena mponina tao an-toerana hatramin'ny fahagola)  any amin'ny faritra an-tendrombohitra sy any an'àla any, taranaka metisy ary ireo taranaka manana volon-koditra mazavazava avy amin'ireo razambe Eoropeana any amorontsiraka.

Fatratra loatra ity hafatra ity, saingy ilay hira, hmmm. Raha toa izy io ka hoe amoahanay ny maha-izahay anay miohatra amin'i Però dia raisiko an-tànan-droa.

Dokambarotra maivan-doha.

Tsara ity lahatsary ity. Tokony hambarantsika fa avy any Brezila fa tsy fandihy nentin-drazan'ny Peroviana ny Pisko Capoeira.

Fa mba iza ity bandy fotsy mihira momba an'i Però ity e, nefa tsy mahalàla akory ny fomba fanao rap?.

Saingy tsy dia miraharaha loatra an'i Pisko ny sasany :

Tena manahirana ny misaina hoe azo jerena any amin'ny firenena hafa any ilay lahatsarin'i Pisko.

Elemental Visual Media, masoivoho mpikarakara ny dokambarotr'i Pisko, niteny hoe “tsy teniteny foana ny fitiavana (ananan'i Pisko) ho an'ny fireneny, na resaben'ny mpanararaotra.”

Na mpanandra-tena na tia tanindrazana, hita taratra tsara ao anatin'ilay lahatsary miresaka tarehimarika momba ny harin-karena faobe sy ny taham-pidirana an-tsekoly ny fiofanana azon'i Pisko amin'ny maha-mahay toekarena azy. Mba firy amin'ireo artista hafa no afaka hilaza fa manana fahafahana hanao toy izany?.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.