Ireo Tsara Ho Fantatra Rehetra Momba Ny Tsindry Atao Amin'ny Aterineto Ao Rosia

Images mixed by author.

Sary namboarin'ny mpanoratra.

Mafonja ny isan'ireo fepetra napetraka amin'ny Aterineto ao Rosia hatramin'ny niverenan'i Vladimir Poutine tao Kremlin tamin'ny taona 2012. Inona avy ireo efa voarara sy mbola ara-dalàna ao amin'ny Runet? Mba hanampiana ny olona haharaka ny inona sy ny inona ao amin'ny sehatry ny cyber ao Rosia, nanangona lisitra miaraka amin'ny daty momba ireo lalàna lehibe indrindra entina hamelezana ny Aterineto Rosiana tao anatin'izay roa taona izay ny RuNet Echo. Isaky ny lalàna tsirairay avy dia ahitan'ny mpamaky rohy mankany amin'ny fehezan-dalàna feno vita amin'ny teny Rosiana, sy lahatsoratra RuNet Echo amin'ny teny Anglisy izay mamariparitra ny antsipirihany sy ny dikan'ny fanapahan-kevitra tsirairay avy.

Ny lalàna mandefa sambo arivo : Manangana Lisitra Mainty amin'ny RuNet 

Lahatsoratra feno amin'ny teny Rosiana. Fanehoan-kevitry RuNet Echo amin'ny teny Anglisy.]

Ity no lalàna nosoniavin'i Poutine tamin'ny 28 Jolay 2012 ity no nametraka  tsindry voalohany amin'ny fahalalahan'ny aterineto ao Rosia. Natsangan'ilay lalàna ny rejisitry ny habaka miaty fitaovana sokajiana ho mampidi-doza ny ankizy. Anisan'ny votoaty tsy ara-dalàna voalazan'ity lalàna ity ny sary mamohafady ahitana ankizy, izay rehetra mifandraika amin'ny rongony, ary toromarika mankamin'ny fanimbana tena. Tsy ilaina didy avy amin'ny fitsarana, azon'ny sampan-draharaham-pifandraisana federaly ao Rosia atao ny manampy ao anatin'ny lisitra izay habaka mampiantrano fitaovana tahaka izany. Ny lalàna taty aoriana no nanome alalana ny polisy hametraka anaty lisitra mainty ny karazana habaka hafa mampiasa foto-drafitrasa natsangana avy eto.

Ny SOPA Rosiana

[Lahatsoratra feno amin'ny lalàna orizinaly amin'ny teny Rosiana. Lahatsoratry ny volavolan-dalàna nasiam-panovana farany. Fanehoan-kevitry RuNet Echo amin'ny teny Anglisy.]

Nosoniavina tamin'ny 2 Jolay 2013 ity lalàna manohitra ny piraty ity. Lalàna matetika resahana ho “SOPA Rosiana”  izay manome alalana ny fitsarana hanakatona izay habaka voampanga ho ahitana fangalarana zon'ny mpamorona. Ny niseho farany tao amin'ny biraon'i Poutine tamin'ny Jolay 2013 dia dika manalefaka ilay volavolan-dalàna voalohany izay mitaky ny fampiharana ny lalàna amin'ireo votoaty isan-karazany marobe. (Momba ireo horonantsary nangalarina ihany no voakasiky ny lahatsoratry ny lalàna tapaka farany.) Na dia izany aza, vonona handany volavolan-dalàna vaovao izay hanitatra ny fampiharana ny lalàna amin'ny mozika, boky amin'ny aterineto ary ny rindrambaiko ny solombavambahoaka farafahatarany amin'ity taona ity.

Vaovao atao anaty lisitra mainty

[Lahatsoratra feno amin'ny teny Rosiana. Fanehoan-kevitry ny Runet Echo amin'ny teny Anglisy.]

Nosoniavina tamin'ny 28 Desambra 2013 ny lalàna manome fahefana ivelan'ny lalàna ny mpampanoa lalàna ao Rosia mba hametraka anaty Lisitra Mainty RuNet izay habaka ahitana “antso hanao fitroarana, hetsika extremista, fitarihana fankahalàna ara-poko na ara-pivavahana, hetsika fampihorohoroana, na fandraisana anjara amina hetsi-bahoaka tontosaina ao ivelan'ny fepetra takiana”. Tamin'ny volana Marsa 2014, nampiasa izany lalàna izany mba hanakatonana ireo habaka mpanohitra efatra lehibe ny polisy, anisan'izany ireo vavahadim-baovao telo sy ny bilaogin'ilay mpikatroka malaza miady amin'ny kolikoly ao Rosia. Hatramin'ny nandaniana ny lalàna tamin'ny taon-dasa, dia efa nampiditra anaty lisitra mainty adiresy aterineto 191 ny mpampanoa lalàna.

Lalàna Tsy Misy Intsony: Fifehezana Ireo Fanangonam-baovao

Tamin'ny volana Aprily 2014, nanambara tamin'ny forum misokatra hoan'ny daholobe i Poutine fa nanadihady ny satan'ireo sampana mpanangom-baovao antserasera tahaka ny Yandex News eo anatrehan'ny lalàna ny governemanta. Tamin'ny volana Mey, nisy solombavambahoakan'i Douma iray nangataka tamin'ny mpampanoa lalàna Rosiana ny hamoahana didim-pitsarana mikasika ny satan'ny Yandex News, mba hamaritana raha tokony hametraka lalàna ireo habaka ho toy ny haino aman-jery ny fanjakana. Nifampiresaka tamin'i Poutine tao amin'ny forum momba ny fandraharahana amin'ny aterineto ny Filoha Tale Jeneralin'ny Yandex tamin'ny fiandohan'ny volana Jiona, ka niresahan'izy ireo am-piralahiana ny mety ho ambaindain'ny toekarena azo trandrahana ao amin'ny RuNet. Tamin'ny voalohany jolay, nitatitra ny gazety Rosiana fa tsy mihevitra ireo fanangonam-baovao ho toy ny haino aman-jery ny mpampanoa lalàna, ka manafoana ny ezaky ny Douma amin'ny fametrahana fitsipika vaovao amin'ny Yandex News sy habaka mitovy amin'izany.

Fonosan-dalàna miady amin'ny fampihorohoroana, antsoina hoe “Lalàna Bilaogera”

[Lahatsoratra feno amin'ny teny Rosiana. Fanehoan-kevitry ny RuNet Echo amin'ny teny Anglisy.]

Nosoniavina tamin'ny 5 mey 2014. Ahitana lalàna telo miavaka ity fonosana ity, nohafainganina tamin'ny alalan'ny Douma taorian'ny fanafihana fampihorohorona tao an-tanànan'i Volgograd tamin'ny volana Desambra 2013. Natovana ny fitsipika mifehy ny aterineto vaovao ny roa tamin'ireo lalàna ireo, nananganana fepetra tamin'ny famindràna vola elektronika (mandràra ireo fifanakalozam-bola vahiny amin'izay tsy mitonona anarana) sy fameperana marobe hitantanana izay ataon'ireo «bilaogera malaza» ary ny fihazonana ny ango-tahirin'ireo habaka sy tambajotra antserasera sasantsasany. Manankery manomboka amin'ny 1 Aogositra 2014 ny «lalàna bilaogera”, izay mamorona rejisitra vaovao mitodika manokana amin'ireo fampahalalam-baovaon'olo-tsotra ahitana mpihaino marobe isan'andro mihoatra ny telo arivo. Miatrika fameperana vaovao marobe (manohitra ny fiteny vetaveta, fanalam-baraka, sns) ireo bilaogera tafiditra ao anatin'izany rejisitra izany, mampiakatra ny faharefoan-dry zareo manoloana ny fitsarana adiheloka bevava.

Manahirana Ny Mampita Sioka (Retweet)

[Lahatsoratra feno amin'ny teny Rosiana. Fanehoan-kevitry ny RuNet Echo amin'ny teny Anglisy.] 

Nosoniavina tamin'ny 28 Jiona 2014. Ahafahan'ny governemanta mametraka sazy an-tranomaizina fito taona hoan'ireo olona manaparitaka indray ny votoaty antserasera extremista . Mandrafitra fanao efa misy ny “lalàna manohitra ny famerenana mandefa sioka (manohitra ny retweets), saingy mety hampitombo ny isan'ny fanenjehana ara-pitsarana izany amin'ny hoavy rehefa ofisialy.

Gulag Nomerika

[Lahatsoratra feno amin'ny teny Rosiana. Fanehoan-kevitry ny RuNet Echo amin'ny teny Anglisy.] 

Nolanian'i Douma tamin'ny 4 Jolay 2014. Mbola miandry ny fankatoavan'ny Antenimieran-doholona sy ny sonian'i Poutine ity volavolan-dalàna ity. Raha lany, hitaky amin'ireo habaka rehetra izay mitahiry ny mombamomba ireo olom-pirenena Rosiana ny lalàna mba hampiantrano izany tahiry izany ao amin'ny lohamilina miorina ao anatin'i Rosia ihany. Araka ny lojikan'ny volavolan-dalàna, ho voaràra amin'ny fitehirizana tahiry manokan'ireo Rosiana mpiserasera ivelan'i Rosia ireo habaka (na dia manjavozavo aza ny lalàna ankehitriny mikasika izany, angamba noho ireo fetram-piadidiana ara-pitsarana azon'i Rosia fehezina). Mihatra amin'ireo habaka marobe isan-karazany ny lalàna, manomboka amin'ny tolotra e-booking (famandrihana antserasera) hatramin'ny Facebook, miantraika amin'ireo habaka rehetra na tolotra antserasera misy idiran'ny “mpiserasera”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.