Solidays 2014 : Fanomezam-boninahitra An'i Nelson Mandela Sy Ny Ady Nataony Tamin'ny SIDA

Solidays  - La scène Paris par SupetMat - CC BY-SA 3.0

Solidays – Ny sehatra ao Parisy, avy amin'i SuperMat – CC BY-SA 3.0

Tonga soa aman-tsara ilay fotoan-dehibe nandrasana ! Ny andiany faha-16 amin'ny Solidays natao ny 27 hatramin'ny 29 Jona tao amin'ny fihazakazahan-tsoavaly tao Longchamp ao Paris dia porofon'ny fankafizana fatratra an'ity fotoan-dehibe ara-kolontsaina ity. 175.000 ny mpijery voasarika tao anatin'ny telo andro, izany hoe 5000 mahery noho ny tamin'ny taona lasa. Tao anaty lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny Mag, boky mamoaka ireo fandaharam-potoana ara-kolontsaina, tsy nafenin'i Caroline Boeuf ny fientanentanany :

Ny  27 hatramin'ny 29 juin, nanafàna ny Hippodrome de Longchamp tao Paris ny Solidays. Na teo aza ny orana tsy nitsahatra, nataon-dry -M-, Franz Ferdinand, Fauve, Metronomy, Triggerfinger, Rodrigo y Gabriela na ihany koa i Vanessa Paradis,  izay namàrana ilay fotoan-dehibe tamin'ny Alahady, nirehitra mihitsy ity andiany faha-16 ity. Tsy nahakivy ireo mpifety na izany aza ny andro ratsy. Miaraka amin'ireo 175.000 mpijery voavoriny tao anatin'ny andro telo, miha-mandroso hatrany ny Solidays, iray amin'ireo fetibe goavana indrindran'ny mozika ao Frantsa amin'izao fotoana izao raha ampitahaina amin'ny 2013. Nahangona mpijery niisa 170.000 ny andiany faha-15.

Le logo de Solidays. Image extraite de la page Facebook de l'évènement

Fangon'ny Solidays. Sary nosintonina tao amin'ny Facebook -n'ilay hetsika

Tamin'ity taona ity, nokarakarain'ny “Solidarité SIDA”, tokony ho fanomezam-boninahitra ny fahatsiarovana an'i Nelson Mendela sy ny tolona nataony, izay nanan-janaka iray lavon'ity aretina ity rahateo, ny Fetibe Solidays, miaraka amin'ny teny faneva hoe “Tsy maintsy miroso ny tolona !”.  Ny bilaogy “The smart girl” manazava hoe :

“Tsy maintsy miroso ny tolona !”

Endrika amantarana ny fandraisana andraikitra amin'ny fiarovana ny Zon'Olombelona, nanokana ny taona faramparany niainany i Mandela hiadiany tamin'ny SIDA. Mifamatotra amin'ny teny faneva hoe “Tsy maintsy mitohy ny tolona”, pi-maso ho an'ilay tarika malaza “Queen”, mbola te-ho mafimafy kokoa aza ny hafatra : mbola eo mandrakariva ny SIDA, tsy maintsy tohizana ny tolona.

Mampahatsiahy tarehimarika vitsivitsy momba io aretina io ao Frantsa ny bilaogy “transgenres.over-blog.com” :

Sida : “olona vaovao 6.400 isan-taona no tratrany”

Tamin'ny 2013, nahatratra ny fetra ambony tamin'ny fanatrehana azy  ny Solidays, mpanatrika niisa 170.000. Ho an'ny andiany 2014, ny faha-eninambinifolo, nanao fanamby hahavita tsaratsara kokoa noho izay ny Solidays. “Tsy tokony hitambotsitra ny fanetsehana ny olona : ao Frantsa fotsiny, maherin'ny 6.400 isan-taona ireo olona vaovao voatily fa tratra, raha mitarika fanilikilihana eo anivon'ny fiarahamonina sosialy sy  mamparefo ireo marary ny SIDA, na dia nisy fivoarana aza ny fomba fitsaboana iatrehana azy fa tsy nahafoana ny otrikaretina”, hoy ny fanamarihan'i Luc Barruet, tanisain'ny AFP.

Ao amin'ny bilaoginy i Myriam Thibault, mpanoratra, mpiangaly mozika ary tonian-dahatsoratry ny Fampitam-baovao ara-literatioran'ny Trano Famoahana “Léo Scheer” dia manoritsoritra ny zavatra niainany sy ny fahatsapàny manokana :

Vao tany ampiandohan'ny tolakandro mihitsy, Bill Gates sy Antoine de Caunes no nanokatra ny fetibe tao amin'ny Forum Café. Indrisy fa tsy mba nahita maso an-dry zareo aho. Tokony ho tamin'ny 6 ora hariva aho no tonga. Sahala amin'ny tsy hifarana ilay filaharana. Taorian'ny nilaharana efa ho antsasak'adiny, nisy mpirotsaka an-tsitrapo niteny tamiko fa tokony ho any amin'ny fidiran'ireo olona nahazo fanasàna no hisy ahy, ary dia niandry fotsiny tamin'ny tsy misy dikany teo aho izany, satria tany, tsy nisy olona mihitsy… Mitony aho aloha. 10 minitra taorian'izay, miaraka amin'ny bracelet natao teny an-tànako, tafiditra ihany aho !

Nahasarika ny sain'ireo bilaogera maro ihany koa ny fitsidihana nataon'ny filoha François Hollande, indrindra moa fa nilaza handray andraikitra goavana izy amin'izao vanim-potoan'ny krizy izao, fampihenana ny famatsiam-bola natokana ho an'ny fandaharanasa ONUSIDA. Namoaka mikasika izay ny tranonkala portaildesiles.com :

Voalohany taminà Filohan'ny Repoblika amperin'asa namonjy fetibe nokarakarain'ny Solidarité Sida, nanao fitsidihana tampoka efa ho ora iray mahery ny Filoha François Hollande tamin'ny Alahady tolakandro (jereo ny sary any amin'ny faran'ity lahatsoratra ity).

Nandritry ny fihaonana iray niarahany tamin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo izy fa hitàna « ny fandraisana anjaran'i Frantsa tsy hiova amin'izay efa misy ankehitriny, na ho inona na ho inona no hitranga » ao amin'ny Tahirim-bola Iraisampirenena hiadiana amin'ny Sida, ny raboka ary ny tazomoka.

Ankoatry ny mozika, marobe ireo hetsika samihafa tena manana endrika kolontsaina fotsiny. Nandray anjara taminà dinika manodidina latabatra izay nafanain'ireo masera alemàna ilay vehivavy mpi-bilaogy “ :

Efa 35 taona izao ireo masera no efa niady ireo zo samihafa, isan'ireny ny “zo amin'ny fahasamihafàna” .

Feno fahendrena, tantarainy amintsika ny fomba fandraisana ny fahasamihafàn-dry zareo, ary matetika ailika, eny anivon'ny fianakaviana sy ny tontolon'ny asa. Ary dia làlana re izany narahan-dry zareo izany mba hizakàny ireo rehetra ireo. Tsy azolavina fa izany no làlan'ny fo. 

Taorian'ny taona marobe nahafantarana ny fisian'ny VIH/SIDA, mbola feno olana be dia be ny fiainan'ireo olona fantatra fa mitondra ny otrikaretina, toy ny asehon'ireo fijoroana vavolombelona avy amin'ireo tratr'izany ao amin'ny “aides.org”, i Aurore ohatra:

Mizarazara ny fomba fijerin'ny hafa, miankina amin'ny haavon'ny fahalalana ara-kolontsaina ananany. Indraindray mitsara araka ny hadalàny fotsiny ny olona, ny tsy fahalalàny na ny tsy fahampian'ny fanazavàna…..

Ahoana no fomba heverina fa tokony hiainantska fomba fijery feno tebiteby, feno rikoriko, fahasahiranan-tsaina na tahotra ? Ary rehefa miverimberina ireny fomba fijery ireny, isanandro vaky izao, ahoana no fomba hahafahana manohy miroso ? Ny vao mainka mampihorohoro ahy bebe kokoa, dia ireo teny re momba ireo olona miaina miaraka amin'ny otrikaretina rehefa tsy fantatry ny olona hoe isan'izy ireny koa aho. Mbola mafy aina ireo hevitra efa tafapetraka mialoha sy diso, indrindra fa raha …

Araka ny Foibem-paritra ho an'ny fampahalalam-baovao sy ny fisorohana ny SIDA – Centre régional d'information et de prévention du sida (Crips) d'Ile-de-France, tamin'ny 2012,  6372 ka 2702 avy ao Ile-de-France irery, faritra ahitàna betsaka azy ireo, no isan'ireo olona nahita ny maha-olona mitondra otrikaretina VIH ny tenany (séropositifs) tao Frantsa. Tetsy ankilany, ampahafantarin'i Thibaut Verrier fa ao Frantsa, olona 50.000 no miaina miaraka amin'io otrikaretina io saingy tsy mahalàla izany akory.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.