Miverina Tsy Misy Ireo “Birds”: Mahazo Governemanta Vaovao I Antigoa & Barboda

The island of Antigua; photo by Daniel Wendell, used under a CC license.

Ny nosin'i Antigoa. Sary an'i Daniel Wendell, nampiasaina teo ambany alàlana avy amin'ny CC.

Nahazo seza 14 noho telo ny Antokon'ny Mpiasa any Antigoa and Barboda (ABLP) tamin'ny fifidianana faobe nataon'ny firenena tamin'ny Alakamisy, ka nandreseny ny antoko eo amin'ny fitondràna, ny Antoko Miara-Mivoatra izay nitetika ny haka fe-potoana fitantanana in-telo mifanesy. Nanao fianianana ho Piraiminisitr'i Antigoa sy Barboda i Gaston Browne, mpitarika ny ABLP, omaly. Ity no fotoana voalohany hananganan'ny antoko ny governemanta ka tsy tarihinà mpikambana avy ao amin'ilay fianakaviana miteraka adihevitra, Bird.

 

Naneho ny fankasitrahany ny fandresena i Lycie Jollygirlsailor Riley tao amin'ny Facebook  :

Tsy Zoma Mainty ny aty Antigoa sy Barboda fa Zoma Mena!!!!  Okay vizak'ireo sakana rehetra ankehitriny ary hisy fiantraikany amin'ny saina milamina izay vonona ny hamerina ny fanganana ny fankalazana ‪#‎ABLP‬

Vantany vao nivoaka ireo vokatra, dia nitohy ny adihevitra momba ny fifidianana tao anaty aterineto, indrindra tao amin'ny Twitter:

Nandresy ny Antoko Miara-Mivoatra tamin'ny 15-2 ny Antokon'ny Mpiasa any Antigoa. I  Baldwin Spencer sy i Wilmouth Daniel ihany no nahazo ny sezany.

Faly noho ny valim-pifidianana ireo mpampiasa sasany…

Arahabaina ny Antokon'ny Mpiasa any Antigoa amin'ny fakany indray ny FAHEFANA eo amin'ny nosiko! #Change #Future

Arahabaina ny Praiminisitsika vaovao, Hon Gaston Browne

…raha toa ka mbola nilaina noresena lahatra ny hafa fa lafy tsaran'ny fampandrosoana ny firenena ny fandresen'ny ABLP:

Mitomany anao aho ry Antigoa… Manantena aho fa hanaporofo amiko ny mifanohitra amin'izany i Gaston sy ny Antokon'ny Mpiasa…

Nanao fampielezan-kevitra mikasika ireo olana fototra mahazo ny firenena ny ABLP: ny toekarena, ny fiakaran'ny heloka bevava, ireo fotodrafitrasa ho an'ny fahasalamam-bahoaka, ary ny fampianarana- ary tsy andrin'ireo mpampiasa aterineto ny ahitana ny antoko hanatanteraka ireo fampananatenany : 

Ry Antokon'ny Mpiasa any Antigoa, midika ve izany fa hihena ny hetra ary hahazo asa marobe isika?

Eto no ahitana ireo fahana Twitter ho an'ny fifidianana any Antigoa sy Barboda.

Avy amin'i Daniel Wendell ny sary nampiasaina tanatin'ity lahatsoratra ity, ary nampiasaina teo ambany fahazoan-dàlana Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic Creative Commons. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i Daniel Wendell ao amin'ny flickr.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.