Tonga Hatrany Bahrain ny Fampihorohoroana Isam-paritra

Raha miakatra ny fifanenjanana ara-sekta manerana an'i Iràka sy Syria, fanairana mifanohitra amin'ny loza mitatao momba ny fiparitahan-tsolika mahazo ny morony kosa no nalefan'i Bahrain, miainga amin'ny fanafangaroana ny valinteny ofisialy tonga amin'ny tahotra fitroaram-bahoaka.

Nandeha ny vaovao nilaza fa hitsidika an'i Bahrain ilay Saodiana Sionita mpitari-pivavahana henjam-pihetsika, i Mohamad Al Arefe ny 8 Jolay 2014, izay vao mainka koa manasarotra ny toe-draharaha. Ilay mpitari-pivavahana, izay voarara tsy nahazo niditra tany Angletera noho ny fiahiahiana mikasika fanaramàna ny jihadista any Syria, dia noheverina fa hitarika ny hetsika hikendrena ireo Silamo Tanora any Bahrain. Niteraka fifandiran-kevitra teo amin'ny mpampiasa Twitter izy ity, izay nangataka ny hanafoanana ny fitsidihan'i Al-arefe, indrindra hatramin'izay namoahany vava niantso ny mpikambana amin'ny finoana Shiita, izay manome ny maro an'isa amin'ny vahoaka Bahraini, ho mpitsoaka an-daharana izay.

Efa ela i Bahrain no voakiana tamin'ny zavatra noheverin'ny sasany hoe politika mifanaavitry amin'ny fanavakavahana, ary ny zava-nisy tamin'ny 2011 koa tsy nanampy azy nanajanona izany fanao izany fa vao mainka aza nampiakatra ny fanavakavaham-bolon-koditra natao tamin'ny vahoaka Shiita maro an'isa, izay tantanan'ny fitondrana Sionita vitsy an'isa. Matahotra ny Bahraini sao ho tonga any amin'izy ireo ny vokatry ny onjany satria miakatra ny fifanenjanana ara-poko ao Iràka sy Syria, ary satria anisan'ny tafiditra amin'ny fifandirana mitam-piadiana any Sirya ireo jiadista nokaramaina avy any Bahrain, ary raha ny fanambaràna ofisialy nataon'ny Minisitry ny Atitany ao Bahrain dia mety efa niverina ny sasany.

Eo anatrehan'izany zava-miseho izany, ho anà firenena iray efa ifandroritan'ny fifanenjanana dia tsy tongasoa ny fitsidihana ataonà mpitari-pivavahana henjam-pihetsika, izay efa fantatra amin'ny famelomany ny afon'ny fampiadiana sekta.

Nibitsika [ar] toy izao i Fatima Al Hawaj, mpisolovava izay manana mpanjohy 47.6k:

Manaitra ny Minisitry ny Atitany izahay mba handrara an'i Al-arefe tsy hiditra an'i Bahrain mba tsy hofitahany ny vahoaka handeha hanao jihad any Syria sy Iràka. Toy ny ISIS ny fomba fisainany ary tsy mila fitaintainana hafa intsony izahay aty Bahrain

Nibitsika tamin'ireo 98.7k mpanjohy azy i Said Yousif Al Muhafda, mafàna fo amin'ny zon'olombelona:

Maneho ny fandàvany ny hamelàna an'i Mohamed Al-arefe, ilay mpitarika fampihorohoroana hanao kabary fihantsiana ao Bahrain, ireo Bahraini mpampiasa Twitter, amin'ny fampiasana ny tenifototra ‘tsy tongasoa any Bahrain i Al-arefe’

Ary hoy i Abbas Al Jamry milaza amin'ireo 2.000 mpanjohy azy:

Vao mainka koa hampitombo ny fihenjanam-pihetsika any Busaiteen sy Riffa ity Al-arefe mpanao heloka bevava ity. Kely ny firenena ary tsy hahazaka fifampitifirana maromaro

Naneho fanambaràna ofisialy ny lehiben'ny borigady fiarovam-bahoka,Tariq Alhassan, tamin'ny 4 Jolay, miantso ny ray aman-dreny hanara-maso ny zanany sy hampitandrina azy ireo mikasika ny fandraisany anjara anaty vondrona mpampihoroho sy ny ady.

Nampitandrina ny amin'ny tsy tokony hiarahana amin'ny vondrom-pinoana henjam-pihetsika  na rehefa mety ho vondrona izay azo sokajiana ho fikambanana mpampihorohoro ilay Lehibe.

Na izany aza, nibitsika toy izao ihany koa izy talohan'izay:

Nilaza i Omar ibn Alkhatab (kalifa fahatelo): Tsy ny basy na ny isa no handresenareo ny fahavalonao, fa ny finoana, fa raha mitovy kosa ny helokareo, dia ny matanjaka indray no handresy.

Ny fango eo amin'ny bala dia ny an'i Al-Shabaab Al-Mujahideen any Somalia, ary vao haingana izy io no nampiasaina ho sain'ny ISIS, ary koa fango famantarana ireo vondrona hafa mpampihorohoro  nanomboka tamin'ny taona 2000.

Saina mitovy amin'io ihany no nipoitra nanerana an'i Bahrain taorian'ny firosoan'ny ISIS tany Iràka.

Nizara izao manaraka izao tamin'ireo 18.7K mpanjohy azy ny mpibitsika @ZainabAtteya :

Mety ho nitondra anao tany am-ponja ny fametahanao tamin'ny fiara ny sain'i Bahrain nandritry ny fotoan'ny lalàna n'ny tany miady satria noheverin'ny zareo ho fampihorohoroana izany, ankehitriny anefa mandehandeha eny rehetra eny tsy misy mahamarika akory ny sain'ny ISIS .

Nizara ity sarin'ilay fango ity ihany koa i Yosuif Alkhaja izay hita amin'ny endriny kisorasoratra aminà sekoly iray ao Bahrain:

Miarahaba ry Minisiteran'ny Atitany.
Eo amin'ny rindrin'ny sekoly any Muharraq àry izao ilay fango.
Ho raisina ho toy ny fanitsakitsahana ny sekoly ve io, sa inona koa?

Taloha, saina ohatr'ireo no natsangana nanerana an'i Bahrain izay nanaitra vahoaka maro momba ny  loza entin'ny Alqaeda (Al-Quaida), izay nanjary horohoro tao Bahrain satria metimety hatao fonenana sahaza hoan'ny henjam-pihetsika ny fanjakana manakaiky ny fanavakavahana, indrindra fa hoe mifantoka any amin'ny famoretana ny tsy mitovy hevitra ara-politika amin'ny eo amin'ny fitondràna ny sain'ny besinimaro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.