Avotsory Sanaa, Mba Hitsiry Ao Ejipta Ny Fitiavana

Clockwise: Sanaa (left) and Mona; Alaa Abd El Fattah with his son Kahled and wife Manal Hassan, Alaa and Sanaa, and Sanaa and Mona .. On pain, love and hope. Photo credit: Mona Seif (Facebook)

Manaraka ny fihodin'ny famantaranora: Sanaa (ankavia) sy Mona Seif; Alaa Abd El Fattah miaraka amin'ny zanany lahy Khaled sy Mona; Alaa sy Sanaa; ary  Sanaa sy Mona. Nanome ny sary : Mona Seif avy ao amin'ny Facebook

Mona Seif, izay any am-ponja ny anadahiny Alaa Abd El Fattah, dia manefa sazy 15 taona any am-ponja noho ny nandraisany anjara taminà fihetsiketsehana iray, ary any am-ponja koa ny rahavaviny Sanaa Seif  hiatrika fitsarana noho ny nandraisany anjara taminà diabe iray ho fanoherana ilay lalàna mahabe resaka momba ny hetsi-panoherana ao Ejipta – izay mandràra ny hetsi-panoherana, dia manoratra [ar] momba ny hirifiry, ny fitiavana ary ny fanantena ao anatin'ity lahatsoratra mampihetsipo ity, navoaka voalohany tamin'ny teny Arabo.

Fony ankizy, ny fahafatesana no horhoro faran'izay goavana indrindra ho ahy.

Tototry ny nofy ratsy aho. I had a lot of nightmares. Nanenjika ahy hatrany nfiheverako ny fahafatesako ary nahalatsa-dranomaso ahy rehefa ilay izaho irery ao am-pandriana iny. Nolazain-dreniko ahy fa toy izany koa ny nenintoako fony mbola zaza. Tsy takatry ny reniko mihitsy io tahotra nanjo ahy na ny nenitoako io saingy teo izy hatrany no iray nanampy anay hiatrika izany. Rehefa nilaza izany tamin'ny nenitoako aho dia nolazainy ahy fa niova ny fahatahorany ny fahafatesany manokana taorian'ny fotoana niterahany ny zanany. Tsy takatro izay nolazainy mandra-pahatsapako ny fihetsehampoko ho an'i Sanaa – ilay anabavikeliko izay mitovy halava amiko ary ny olona tsara tarehy indrindra eo amin'ny fiainako.

Fony bevohoka an'i Sanaa ny reniko, dia nanontany ahy izy na anadahy na rahavavy no tiako. Fanapahankevitra sarotra raisina izany ho an-jaza vao valo taona monja, indrindra fa ny ho an'olona iray voatery hisafidy amin'ny eritreritra hoe hanana rahavavy mba hahazoana fandriana mifanongoa sy hatory any an-tampony, na hoe hahazo zandry anadahy kely mba hanindry aloka ireo zokiny lahy. Rehefa niasa saina ela teo, notapahako ny hevitra fa aleoko Sanna toy izay Yousif, na aleoko ny fandriana mifanongoa, sady te-hitady fomba vaovao hanindriana an'i Alaa.

Tsaroako ny andro nahaterahany.

Nofohazin'ny havanay izaho sy Alaa mba hiomana hamonjy sekoly. Fantatray fa lasa namonjy hopitaly i Neninay tamin'ny sasakalina mba hiteraka. Taitaitra be ihany izahay nandeha namonjy sekoly ; nitsinjatsinjaka izahay niditra ny tokotanin-tsekoly; ary satrin'i Alaa hihorakoraka ho ren'ny rehetra ny hoe : “Tonga ny anabaviko.”

Rehefa nirava, nandray fiara fitaterana izahay, ary nihazakazaka niditra ny trano haingana araka izay tratra raha vao nijanona ny fiara mba ho isan'izay tonga aloha indrindra. Niditra ny efitrano nisy an'i Neny ary nahitaazy nitsiky malefaka nitrotro zavaboary bitika kely. Nanatona hijery akaiky an'i Sanaa izahay. Notsenainy tamin'ny “Aaaaaa” malefaka. Nihomehy i Alaa sady niteny hoe : “Mampalahelo! Tsy mahavita mitomany akory izy” ary dia nihiaka mafy ka nahatonga any hitsamboatra hihemotra kely mihitsy i Sanaa, talohan'ny nahalokilokin'ny hehy anay.

Tahaka izany i Sanaa. Asehny anao hoe toy ny bisikiotra izy, zavatra kely iray tsy mahavita mitantana. Tampotamoka avy eo, ataony mitolagaga ianao amin'ny fanaovany zavatra izay na ianao aza tsy nahavita velively nanao azy. Tsaroako ny andro nandehananay tany amin'ny mpitsara mpanao famotorana taorian'ilay tranga tao amin'ny kabinetrany nandraisany ny fanambarànay taorian'ny nisamborana sy nanaovana antsojay anay. Ho an'ireo izay mahafantatra anay, izaho no iray mahatadidy fanambaràna, vaovao sy antsipirhan-javatra, ary mampifantoka ny sainy amin'ny zavatra rehetra, raha i Sanaa kosa no ilay iray miaina tontolo hafa miaraka amin'ny nofinofiny sy mety hanadino ny anarana sy ny antsipirihan-javatra amin'izay mitranga no sady mora very. Tamin'izay andro izay, nataony nivanàka indray aho. Nanomboka niteny momba izay zavatra niseho aho – ny fihetsehampo, anarana ary ny famariparitna ireo olona niaraka taminay teny. Avy eo hitako fa tsy mifanaraka loatra izany rehetra izany arydia tsy maintsy nanome famariparitana izay mety hanampy amin'ny fikarohana ireo nanao antsojay taminay aho. Nandeha ho azy ny nampiasàko ny fomba fanao rehefa mitolona mba ho velona manoloana ny fanaovana antsojay isanandro eny an'arabe – nandramako ny nanafina ny endrika sy ny mombamomba an'ireo olona atahorako sy ireo izay loza mananontanona ho ahy.

Kanefa, Sanaa, ilay rahavaviko mihevitra ny tetezana rehetra ao Kairo ho toy ny Tharwat Bridge avokoa (ny hany anarana tetezana mba fantany), nipetraka nanatrika ny mpanadihady sy nanome famariparitana amin'ny antsipirihany mikasika ireo olona namely anay ka hatramin'ireo voasambotra niaraka taminay. Vitany ny nanome ny lanjany, ny lokon'ny hodiny ary ny isan'ny kintana teny amin'ny galonany teo an-tsorony. Ary dia tsaroany nytelo tamin'ireo mpitandro filaminana nanafika anay, notondroiny teo amin'ny pejy voalohan'ilay gazety  nivoaka tamin'io andro io.

Tsaroako ny vazivaziko taminy taorian'izay: “Iza ity? Avereno Sanaa rahavaviko!” Tamin'io andro io, tsaroako koa ny fomba nahitako ny lanja mavesatr'i Sanaa mandritry ny vanim-potoam-piovàna eo amin'ny fiainana, ny maha-hafakely azy, ary ny fomba ahafahany mifantoka sy maka fanapahankevitra mihoatra noho izay olona hafa fantatro.

Efa ho andro vitsivitsy izao, nesoriko tao anatiko io hirifiry io, izay tsy vitako ny miatrika azy. Mifamatotra amin'ny fomba tokony hataon'ny zokivavy mba hiarovany ny zandriny vavy fa tsy nahomby io hirifiry io. Hirifiry mikasika ireo telo minitra nangalariko mba hihaonana taminy tao amin'ny biraon'ny polisy, toerana nanasarahan'ny varavarana sy karakara vy anay, toerana tsy nahafahako namihina azy, ary toerana tsy maintsy itenenanay mafy sy haingana rehefa miresaka, mba ho fankaherezako azy sy ireo rehetra izay voatàna niaraka taminy. Azoko antoka fa ny fomba nahitàny an'izay dia resaka betsaka, feno adin-tsaina, izay miaty fitakiana sy torohevitra maro.

Amin'izao androntsika izao, lasa henjana ho anay ny fiainana, tsy misy mahavita manaisotra ny hirifiry, maneho ny alahelony, na miteny momba ny fitavany an'ireo mpiray tampo aminy voafonja. Raha nitsidika an'i Sanaa aho androany, taratasy kely iray avy taminy no nanaisotra ny hirifiriko rhetra, ary teny vitsy dia vitsy. In-dray mandeha indray, nataony nitolagaga aho tamin'ny fomba nahafahany nahatsapa ny hirifiriko, na eo aza ny elanelana sy ny rindrin'ny fonja.

Tamin'ny Desambra lasa iny, taoran'ny nitsidihako an'i Alaa tany am-ponja, nanoratra aho hoe:

“Tsy atahoranay ny fonjanareo.
Raha mandratra ny tsy rariny ataonareo, mbola ho avy ny andro hahatsiarovanay ireo zavatra maha-te-ho tia rehetra nonofinofisinay  izay mahatonga anay hisisika amin'ny handresena ny nofy ratsinareo.
Ary hotsaroanay ny kakakàkan'ireo rehetra nosarahana taminay.
Manana fiadiana miafina izahay. Manana an'i Sanaa.
Mba marina, miaraka amin'ireo fiaranareo mifono vy, ny fonjanareo, ary ireo fiara mirongo fiadiana, ny tranom-paty … mbola matanjaka noho ianareo izahay.”

Raha marina fa manana fonja ry zareo, fiara mirongo fiadiana, bàla, efitrano fitsaràna ary biraon'ny polisy, sy afaka manasaraka antsika toy izay manjo an'i Alaa any amin'ny fonjan'i Tora sy Sanaa any amin'ny fonjan'i Qanater, toerana izay ahafahanay mahazo taratasy fahazoan-dàlana hitsidika an'i Alaa avy amin'ny fitsaràna ao  Zenhum, sy fitsidihana an'i Sanaa avy amin'ny fitsaràna ao Al Abbasiya, dia mbola manana fiadiana iray miafina izahay – Sanaa, ary ny fitiavana mitobaka tsy voafehin'ny rindrin'ny fonja rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.