Fisokafan'ny Valà Jurassic Aminà Tanàna iray Tsy Misy Rano Fisotro, Miteraka Hatezerana Ao Però

JP

Ny àlan'ny Jurassique. Sary an'i Sangudo, mpampiasa Flickr. CC BY-NC-ND 2.0.

Tsy laharam-pahamehana ho an'ny tanàna iray tsy misy tara, tsy mànana rano fisotro na fotodrafitrasa ho an'ny tanàna, raha izay Tricératops sy T-Rex vita tamin'ny “fibre de verre”.

Hafa mihitsy no fahitàn'ny governemantan'ny faritr'i Arequipa ao Però ny raharaha. Vao haingana no nankatoavany ny asa fanorenana vàla iray manaraka ny lohahevitra mikasika ireo “dinosaures”, mitentina 4 tapitrisa soles (1,4 tapitrisa dolara) ao amin'ny distrika karankainan'i Yura, tokony ho 1000 km ao atsimo-atsinanan'i Lima. Raisina ho toy ny fandanindaniam-poana ny volam-bahoaka ilay asa fanorenana ny vàla  « Los C'coritos II », izay mety ho tsara kokoa raha nampiasaina tamin'ny fanafoanana ny taham-pahafatesana avobe ateraky ny fivalànana sy ny aretin'ny voa ao amin'io tanàna io.

Arovan'ny ben'ny tanàna ilay tetikasa fanorenana vàla, amin'ny fanindriana ny hoe manome lanja ny lovan-tsofina fahagola ao an-toerana izy, dia ny momba ireo “dinosaures” tao Arequipa. Heveriny fa “tsy misy azo anamarinana azy” ny fanadihadiana momba io fampiasam-bola io, izay natombok'ireo mpiasam-panjakana miady amin'ny kolikoly tamin'ity herinandro ity. « Singa ao anatin'ny tantara ny “dinosaures”» hoy ingahy Alfredo Zegarra, ben'ny tanàna, izay efa miatrika fanadihadiana ara-pitsaràna rahateo noho ny « fanamparam-pahefana ». « Tsy maintsy fantatry ny ankizy izay zavatra nitranga, ny fomba nahatongavan'ireny biby ireny teto amin'ny planeta, ny fomba nanjavonany. »

Mitahiry rakitry ny fahagola momba ny “dinosaures” talohan'ny tantaran-janak'olombelona ny tany ao Arequipa. Tamin'ny Jolay farany teo no nahitàn'ireo mpiasa zavatra toy ny zanaka Velociraptor efa lasa “fossile”. Taty aoriana kely dia fantatra fa biby maoderina mampinono ilay izy.

Vao mainka miha-henjana ny hatezeram-bahoaka noho ilay toerana hisy ilay vàla efa nomanina tany aloha mba hanorenana toeram-pitsaboana, tany malalaka mirefy 3 hektara any amin'ny haavo 2700 metatra any ambony any. Ny fihazohazoan'ny manampahefana tao an-toerana no nahatavela io tetikasa io tsy nanomboka mihitsy, izay nahafahan'ingahy Zegarra nitondra ny anjara birikiny tamin'ny fanohanana ara-bola ny ben'ny tanànan'i Yura, iray amin'ireo tanàna isan'ny mahantra indrindra ao amin'ny faritra, amin'ny fanorenana ilay vàla. Io no ho vàla faharoa an'ny “dinosaures” hanampy isa ilay « Los C'coritos » voalohany,  any amin'ny faritra manodidina ny tanànan'i Arequipa, eo amin'ny 25 km eo ho eo.

« Asa iray hanatsara ny fari-piainan'ny olona io» hoy i Mario Melo, mpikambana iray ao amin'ny governemantam-paritra, tamin'ny resany ho an'ny journal La República. « Manan-jo hànana fotodrafitrasa tahaka izany koa izy ireo. Politika daholo ny fanakianana » hoy i M. Melo nanampy, ho enti-manondro ny fanoherana ireo mpikirakira ny fanajariana ny tany izay ampangain'ingahy Zegarra ho mamoky fisalasalàna ny olona.

Notsipihan'ny fanadihadiana iray tao amin'ny fahitalavitra fa manahy ireo ao an-toerana, tsy nahita rano nandritry ny tapa-bolana ho an'ny sasany, ny amin'izay ho fiantraikan'io vàla-nà “dinosaures” io amin'ny filàna fototr'izy ireo. « Ankizy marobe no tratry ny fivalanana sy ny aretin'ny voa eto » hoy i Gladys Curo, ramatoa iray voaray feo tao anatin'ilay fanadihadiana. « Tsaboinay eo an-toerana araka izay vitanay, nefa koa mandany fotoana be ny handeha hamonjy ny tanàna akaiky indrindra. »

Milaza Ing. Zegarra fa misy siniben-drano natsangana ho vahaolana ary « hahazo rano » ireo rehetra mila izany.

Mizarazara ny hevitr'ireo mponina manamorona eo momba ilay asa fanorenana vàla. « Tsy hoe tsy misy ilàna azy akory ilay vàla, fa fotsiny hoe toeram-pitsaboana aloha no tsara kokoa, » hoy i Timoteo Calachahui, mpikambana iray ao amin'ny Camineros y Empleados, fikambanan'ireo mponina manodidina eo, tamin'ny gazety La República.

Ny filoha taloha tamin'io fikambanana ahitàna mpikambana 563 io dia milaza fa vitan'ny governemantam-paritra ny nanavotra tetikasa maro fahiny, raha toa kosa ireo tany ka nilaozan'ny olona na azon'ireo “gangs na mpanajary ny tany noararaotina.

« Tsy ho elefanta fotsy (saro-tadiavina) akory ilay vàla, » hoy i Socrates Chiara. « Manana fifanarahana mandritry ny 10 taona iarahana amin'ny fiadidiana ny tanàna izahay. Any amin'ny fiafaràn'io vanim-potoana io, raha toa ka tsy tian'ny olona ilay vàla, dia hopotehana mba hanorenana toeram-pitsaboana. »

Ampian'Ing. Chiara hoe mandray fepetra ny governemanta mba hametrahana rafitra fanajariana ny tany vonona ny hiasa avy hatrany sy tetikasa iray hanorenana sekoly.

Lazain'Ing. Zegarra fa tany malalaka iray no efa natokana ho an'ny toeram-pitsaboana, iray kilometatra miala eo, any amin'ny fari-piadidian'i Cerro Colorado, faritra ambanivohitra 23 km miala ny tanànan'i Arequipa, ilay tanàna faharoa ao Però.

Fahita hatrany ny fampiasàna ny volam-bahoaka tsy araka ny tokony ho izy any amin'ny faritr'i Arequipa. Tamin'ny Novambra lasa teo, kianja iray sy lapan'ny tanàna iray no naorina tamin'ny volan-ketra azo tamin'ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany. Toa an'i Yura, tsy manana rano fisotro madio koa ny tanànan'i Yarabamba ary dia raisiny ho toy ny zavatra tafahoatra ireny tranobe ireny.

Zava-panaon'ireo governemantam-paritra any Però ny kolikoly. Ny telo ampaha-efatr'ireo filoha any amin'ny faritra amin'izao fotoana izao no iharan'ny fanadihadiana ara-pitsaràna ataon'ny manampahefana. Tsy hanampy handravàna ny fiheverana ireo olom-boafidy ho manalavitra ny olona soloiny tena ity ampahan-tantara ity.

Kanefa, raha misy lesona iray azon'Ing. Zegarra, dia ny fomba hamadihana ny krizy iray ho lasa tombon-dahiny. Tamin-keso no nilazany fa ireo dokambarotra nataon'ny fampahalalam-baovao momba io raharaha io dia mety hahasarika mpampiasa voka mba hameno ny banga.

Eto ambany ireo bitsika mifandraika amin'ilay tetikasa fanorenana vàla :

Voatampin'ny “dinosaures” va re ny mason'Ing. Alfredo Zegarra? Voalohany dia napetrany tao amin'ny vàla ao Los Ccoritos izy ireny. ary izao aty Yura?

Yura mety ho azo antsoina hoe Yura…sic Park (ary ny olona tsy manana rano)

Fitantanana ratsy laza ao Yura. Inona no tsy maintsy hatao hanoherana an'io? Tokony hanilika an'io fitantanana io in-dray mandeha tsy miverina ny olona. Tsy mendrika fitantanana toy io i Però.

“Fossiles” no ao amin'ny toeran'ny atidohan'ireo ben'ny tanànan'i Arequipa sy Yura.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.