GV Face: Fitsapa-kevi-bahoaka Mikasika Ny Zo Hifidy Karakarain'Olo-tsotra Ao Hong Kong

Niara-niasa nandritra ny roa taona ireo mpikatroka sy mpampianatra mpikaroka ao Hong Kong mba hikarakara fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny alalan'ny teknolojia, sy tantanin'ny olom-pirenena mikasika ny zo hifidy izay notontosaina tamin'ny faran'ny volana Jiona teo. Olona teo amin'ny 800.000 – izay mandrafitra ny ampaha-dimin'ny mponina mpifidy ao Hong Kong no  tonga nandatsa-bato hisian'ny fifidianana faobe hoan'ny olom-pirenena rehetra mba hifidy izay ho filoha mpanatanteraka hitantana ny faritr'i Shina.

Amin'ity fandaharana GV Face ity, miresaka momba ny tetikady sy ny fizotry ny fitsapa-kevi-bahoaka i Oiwan Lam, mpanitsy lahatsoratra ato amin'ny GV Shina sady mpiaro ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao ao Hong Kong ary hilaza amintsika izay ataon'izy ireo manaraka amin'ny fiarovana voalohany indrindra amin'ny hetsika zo hifidy ao  Hong Kong.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.