Manampy Ny Olona Hianatra — Na Koa Hiaro—Ny Teny Manerantany Ny Teknolojia

Kenkyusha’s New Japanese-English Dictionary by Niko Kitsakis (CC-SA-3.0)

Rakibolana Japoney-Anglisy vaovaon'i Kenkyusha navoakan'i Niko Kitsakis (CC-SA-3.0)

 

Nosoratan'i Allyson Eamer, mpampianatra momba ny haiteny amamonina ao amin'ny Oniversiten'ny Fampianarana Teknolojia ao Ontario ity lahatsoratra vahiny ity. Navoaka voalohany tao amin'ny bilaogy Tetikasa Ethnos ny dika orizinalin'ny lahatsoratra.

Misy teny iray eto amin'izao tontolo izao manjavona isaky ny 10 hatramin'ny 14 andro. Amin'ny tolona hiarovana azy ireny tsy hanjavona, dia miara-miasa ireo mpampiasa ny teny, mpampianatry ny oniversite ary ny manam-pahaizana manokana momba ny teknolojiam-pifandraisana mba hitrandraka ny fomba ahafahana mampiasa ny teknolojia nomerika hamelomana indray ny teny. 

Nanjary marefo mora very ny teny rehefa mifindra teny ahafahana manana fahefana ara-politika sy ara-toekarena lehibe kokoa ny mpampiasa azy. Matetika mitranga ny fifindram-pitenenana noho ireo paikam-panjanahan-tany sy fanitaram-piharian-karena izay ahitana indizeny, ny kolontsainy ary ny tany atao sorona manoloana ireo mpanangana ampira.

Voamarika ny tsy firaharahiana'ireo mpampianatra sasany eny amin'ny oniversite amin'ilay azo antsoina hoe “fivoaran'ny fiteny”, na ny fahaveloman'ny hany teny iray sahaza indrindra. Mety handresy lahatra izy ireo hoe: Tsy mora kokoa ve raha mampiasa fiteny iray isika rehetra? 

Tsy handeha hanazava mikasika ny fomba fijerin'ny teny tsirairay izao tontolo izao aho: ny fomba hanehoan'ny voambolan'ny teny iray ny lanjan'ny olona izay miteny azy, ny fahalalana vokatry ny zava-niainana hita ao anatin'ny toetoetry ny hainteny, ary ny fifamatoran'ny teny amin'ny haikanto, ny fanehoana ny maha-izy ny tena, ny tantara, ny kolontsaina, ny toekarena ary ny mari-panondroana. Fa ny hanaovana azy kosa dia, raha tahaka ahy, mino fa voina izany fahaverezan'ny teny iray izany ary lavitra dia lavitra amin'ny tontolon'ny indizeny ny hiala amin'ireny.

Miniature DNF Dictionary  by Tomasz Sienicki (CC-SA-3.0)

Rakibolana kely DNF avy amin'i by Tomasz Sienicki (CC-SA-3.0)

Afaka mampifandray ireo mpampianara ny teny sy ny votoaty miaraka amin'ireo mpianatra miampita toerana sy fotoana ny teknolojia. Afaka mandrakitra an-tahiry ireo teny an-dalampahaverezana amin'ny alalan'ny fandraketam-peo ny teknolojia. Afaka mamokatra sy mizara fahaizana sy fahalalàna tsotra sy haingana. Afaka manamora ny fampianaran-tena amin'ny alalan'ny lalao, fitrohana sy ny fampiharana. Afaka mampifandray ireo mpampianatra sy mpianatra amin'ny lalan-tokana na fianarana ny teny miara-droa (en tandem).

Mitrandraka ny tanjaky ny teknolojia ireo mpialoha lalana mba hamerina indray ny teny an-dalam-pahaverezana, ary tena tsy fahita loatra, mba hamelona indray ny teny efa maty.

Indreto ambangovangony fohy momba ireo fomba sasany ampiasàna ny teknolojia nomerika amin'izany ezaka izany:

Eoropa

Amerika Avaratra

  • Natao tamin'ny teny Navajo, teny ampiasaina ao Atsimo-andrefan'i Etazonia ny kapila-mangilatra fampianaran-tena.
  • Afaka mifanerasera amin'ny tontolo virtoaly ireo mpianatra teny Cherokee, teny fampiasa ao Afovoany-Atsimon'i Etazonia.
  • Mampiasa fampiharana iPhone ny Ojibway ao Manitoba, Kanada mba hamelomana ny tenin'izy ireo, tahaka ny Winnebago ao Afovoany Andrefan'i Etazonia

Afrika

Amerika Afovoany sy Atsimo

Azia

Arktika

  • Azo jerena amin'ny teny Inuktitut, iray amin'ireo teny ao Arktika ny lesona antserasera misaratsaraka.

Afovoany Atsinanana

  • Afaka manampy ireo mpampiasa ny teny hiteny am-pahakingana ny  fitantarana antserasera amin'ny teny Kaldeana, teny ampiasaina ao Iraka.

Pasifika

Raha mila vaovao farany momba ny teknolojia ampiasaina amin'ny fampianarana ny tenin'ny teratany, topazo-maso ao amin'ny habaka votoaty voalamina an'i  Allyson Eamer.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.