Ankoatra Ny Lohatenin'ny Mondialy: Tsy Manana Fisainan'Ekipa i Iran, Fa Feno Izany Kosa Ny Avela Ao Brezila

Three people were arrested in Iran for taking  part in this video cheering on the national team.

Olona telo no voasambotra tao Iran noho ny fandraisana anjara tamin'ity lahatsary manohana ny ekipam-pirenena Iraniana ity

Lazaina amin'ny ankapobeny ho raharaha mankaleo ny lalao isam-bondrona fa ijeren'ny mpanohana topimaso ireo lalao hafa hoavy mahaliana kokoa rehefa amin'ny dingana mampihintsana avy hatrany, izay mampiakatra avy hatrany any amin'ny dingana manaraka na mampody avy hatrany any an-trano ny lalao tsirairay avy.

Saingy tsy toy izany kosa tamin'ity fiadiana ny amboara erantany ity. Goavan'ny baolina fandaka telo no nihintsana: Espaina, Italia ary Angletera. Ary voatrobaky ny replays (sary averina hojerena) sy GIF (sary) ahetsiketsika manita-tsaina ahitana ny Orogoaiana mpampidi-baolina, Luis Suarez, manaikitra ny zavatra rehetra hatramin'ny mofomamy kely ka hatramin'ny kapitenin-tsambo taorian'ny nanaikerany an'ilay ao amin'ny Fiarovana Italiana, Giorgio Chiellini, izao tontolo izao. Afrikana Tatsimo mpanao tantara an-tsary Zapiro, izay efa nahazo fandrahonana imbetsaka tamin'ny sariitatra nataony, nanao tsikera mahery ny tsy rariny nataon'ny FIFA tamin'i Suarez tato.

Saingy misy ny tantara hafa ankoatra ny lohateny miresaka fahalalaham-pitenenana sy zon'olombelona. Olona telo no nosamborina tany Iran [mg] noho ny fandraisany anjara tamin'ny fanaovana lahatsary fanohanana ny ekipam-pireneny eo amin'ny taranja baolina fandaka. Tsy nanaiky ny hanasazy ny mpanohana ny ekipam-pirenen'i Meksika ihany koa ny FIFA taorian'ny filazana fa nisy ny kiakiaka fankahalana pelaka [mg] nandritra ny diabe nataon-dry zareo tamin'ny fihodinana faharoa.

Mampalahelo anefa fa mbola mitoetra ho tsy ho takatry ny ankamaroan'ny Breziliana izany manatrika mivantana ny lalao izany, hany ka nanomana ny Mondialin'ny Favela hanasana ny tanàna tsy ara-drafitra hanangana ny fifaninanany manokana ny Football tsy Voasakan-tSisintany (Football Sans Frontieres). Mitovy amin'izany ihany koa ny ataon'ny tanànan'i Östersund, Soeda izay nampiantrano fifaninana ho an'ny firenena tsy misy, tahaka an'i Padania, Tamil Eelam, ary Occitania. 

Sambany hatramin'ny 1986 no nitontona tao anatin'ny volana ramadany ny mondialy FIFA, izay mahatonga ny Miozolomana mpilalao hieritreritra raha hanaja ity fety ity. Nifidy ny hanaja ny Ramadany ny ekipa Koesiana tamin'ny lalao farany fiadian-toerana nifanaovany tamin'i Angletera tamin'ny 1982, saingy nanamarika ny mpanazatra fa nisy “fiantraikany kely ihany” teo amin'ny zavabitan'ny ekipany izany.

Ho anareo mampiasa ny servisy Aereo any Etazonia hijerena mivantana ny lalao, ratsy vintana ianareo ankehitriny, rehefa nandidy ny Fitsarana Tampony ao Etazonia fa mandika ny lalànan'ny fizaka-manana (copyright) ny teknolojia nampiasain'ny Aereo. Tsara vintana kokoa ianao raha efa nijery ny fifaninana tamin'ny alalan'ny findainao, satria nametraka ihany koa io fitsarana io fa mila taratasy fahazoana alalan ny manampahefana vao mahazo misava ny fitaovanao . 

Fa aza dia mientanentana loatra. Namoaka ity gazety mampatahotra milaza ny fomba ataon'ny governemanta manerana izao tontolo izao mangalatra ny tahirin-kevitra ao amin'ny finday amin'ny alalan'ny rindrambaiko namboarin'ny orinasa Italiana Hacking Team ny ekipa mavitrika amin'ny fikarohana ao amin'ny Citizen Lab. 

Raha tsy te-hijery ny fifaninanana ianao amin'ny faran'ity herinandro ity, dia hevero ihany ny hanatrika ny IndieWebCamp ao New York, izay manandratra ny tranonkala mahaleotena sy ny votoaty ananan'ny tompony fizaka-manana. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.