Super Pan, Olo-Mahery Misarontava Mandeha Moto Mitety Ny Tanàna Kolombiana Hizara Sakafo Hoan'ny Noana

Superpan captura

Super Pan miaraka amin'ny Vespa. Pikantsary nalaina tao amin'ny YouTube.

Olo-mahery (Super-hero) nofo aman-dra miady amin'ny hanoanana sy ny fahantrana no misafo ny araben'ny tanàna Kolombiana Bucaramanga, sahabo ho 300 kilaometatra avaratr'i Bogota. Mandeha amin'ny anarana Pancracio Levadura (Leviora Pancracio) izy, kilalao-teny amin'ny voambolana pan izay midika hoe mofo dipaina amin'ny teny espaniola. Saingy ho an'ny maro dia fantatra fotsiny amin'ny anarana hoe Super Pan izy.

Isaky ny Alatsinainy, Alarobia sy Zoma maraina, mitondra mofo 50 sy zava-pisotro 50 hoan'ireo olona tsy manan-kialofana ity mpanao asa soa ity, araka ny filazan'ny Señal Radio Colombia.

Tsy mety milaza ny tena anarana ity lehilahy misarontava ity, saingy manana pejy Facebook mavitrika kosa izy. Nanoratra izy tao hoe:

Buenos días Panceros!
[…]
Pido disculpas si no respondo enseguida los mensajes, ya que han llegado mas de 300 mensajes! lose {sic], es una lluvia de bendiciones! y estoy muy emocionado porque se que las ayudas seguirán creciendo como Levadura
Hablen con Dios, hagan su voluntad y todo, Todo! Cambiará para bien Les mando muchas bendiciones y un gran abrazo con Vendaje!
[…]
Gracias por su bonitas Panlabras…los Amo!

Miarahaba an'ireo mpankafy mofodipaina!
[…]
Miala tsiny aho raha tsy mamaly avy hatrany ny hafatra alefanareo, hafatra maherin'ny 300 no voaraiko! Fantatro, fa mitobaka ny fitahiana! Ary mihetsi-po aho satria tsy mitsaha-mitombo tahaka ny leviora ny fandraisana anjara. Miresaha amin'Andriamanitra, hajao ny sitrapon'Andriamanitra sy ny zava-drehetra, Hiova ho tsara avokoa ny zava-drehetra!. Manonona ny fitahiana ho anareo rehetra aho sy mamihina am-pitiavana!
[…]
Misaotra amin'ireo teny mamy avy aminareo …Tiako ianareo!

Nahasarika fampahalalam-baovao marobe ny asam-panasoavany. Gazetiboky mivoaka isaky ny alahady El Frente nitatitra hoe:

La acción filantrópica de este súper héroe enmascarado lo ha convertido en un verdadero referente de los bumangueses quienes no pierden la oportunidad de acercarse a él y ofrecer su apoyo, o darle las gracias, que al final es el objetivo primordial de ‘Pancracio Levadura’ más conocido como ‘Súper Pan’.
[…]
Aunque ‘Superpan’ tiene capa no vuela, por lo que utiliza su motocicleta para transportarse por todos los lugares donde Dios lo lleve para entregarle un pan y un café a los más necesitados de la capital santandereana.

Lasa ohatra velona ny asam-panasoavana ny mpiara-belona ataon'ity olo-mahery misarontava ity hoan'ny vahoakan'i Bucaramanga, izay manararaotra manatona sy manohana azy, na misaotra azy, nefa izay no tanjon'i Pancracio Levadura, fantatra amin'ny anarana  hoe Super Pan.
[…]
Na dia manana aron'akanjo aza i Super Pan, dia tsy manidina izy, fa ny môtôany no fitaterana ampiasainy handehanany na aiza na aiza itondran'Andriamanitra azy hanome mofo dipaina sy kafe hoan'ireo mponina fadirovana indrindra ao an-drenivohitra Santander.

Azonao jerena ato amin'ity lahatsary avy amin'ny tranokalam-baovao Vanguardia tao amin'ny Youtube ity i Super Pan eo am-panaovana asa soa:

Tao amin'ny Twitter, naneho ny fankasitrahany ny ezaka tamin'ny alalan'ny diezy #SuperP ny olona :

Misy ny olo-mahery tena izy,  #SuperPan. Ohatra azontsika rehetra halain-tahaka. Fihetsika kely hanatontosana fanovana lehibe.

Arahabaina, manao asa izay ny olo-mahery ihany no manao azy ianao, tena malala-tanana. #Superpan

Maniry aho mba ho maro ny olona manao asa soa tahaka an'i #SuperPan..

Toy izao no karazan'olona ilain'i Kolombia. Manaja sy manome voninahitra anao tanteraka aho.

Toe-pihetsehampo: Raha mba mofon'i #SuperPan moa.

Mety hanainga ny hafa hanao aron'akanjo sy sarontava ve i Super Pan? @ MegaJexux nanontany hoe: 

#SuperPan, iza no mety ho fahavalony? iza no heverinareo?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.