Mondialy : Mody Ny Rosiana

Russian team manager, the exorbitantly paid Fabio Capello, reacts to the Algerian tie.

Mpanazatra ny ekipa Rosiana, Fabio Capello, ilay andoavana karama mihoa-pampana, maneho fihetsika tamin'ny ady sahala Alzeriana.

Taorian'ny ady sahala roa sy ny faharesena iray, tsy tafavoaka tao amin'ny vondrona misy azy hiakatra amin'ny dingana manaraka ny ekipam-pirenena rosiana. Mety ho tsara ihany angamba izany — fa raha nandresy tamin'iny lalao iankinan'ny fiakarana ho amin'ny dingana manaraka nifanaovany tamin'i Alzeria iny i Rosia tamin'ny alakamisy, dia niatrika ilay ekipa henjana Alemana avy hatrany. Fa tsy toy izany no fijerin'ny tontolon'ny Twitter rosiana ny zavamisy: diso fanantenana amin'ny lafiny ilany fa misento ihany koa fa tapitra hatreo ny fanohanana ilay ekipa tsy hanao raha.

Namehy ny fihetseham-po ny fanta-dazan'ny fahitalavitra Vladimir Solovyov :

Mahamenatra. Tena mahamenatra. Tokony tsy nandeha tany amin'ny Mondialy akory isika. Mba tsy ho nandany ny volan'ny federasiona [Rosiana].

Maro ny nitrerona ireo mpanohana alzeriana tamin'ny baolina tafiditra nahatonga ny ady sahala nampody an'i Rosia, fa nisy ny sasantsasany manao izay hanajamba ny mpiandry harato rosiana amin'ny alalan'ny taratra laser amin'ny fotoana saropady (nilaza taty aoriana ny mpiandry harato, Akinfeev, fa tsy nampisy fahasamihafana tamin'ny tsy fahazoany ny baolina izany).

Mazava loatra fa nitosaka tokoa ny hanihany politika — ary efa tsinjo fa mifandraika amin'ny fanjanahana an'i Krimea sy Okraina ny resaka maro amin'izany (Faly tamin'ny faharesen'i Rosia ny Okrainiana).

"Putin gave us up. The tanks never came." (referring to the continuing calls for Russia to support separatists in East Ukraine).

“Navelan'i Putin irery izahay. Tsy mety tonga mihitsy ny fiara mifono vy.” (manondro ny antso tsy mitsahatra ataon'ny mpisintaka ao Okraina Atsinanana amin'i Rosia).

Tafaverina ho aty amintsika i Krimea, dia entintsika mody ihany koa ny ekipam-pirenena rosiana.

Ny mpanoratra gazety liberaly Vladimir Varfolomeev:

Tsara vitana tanteraka i Alzeria fa tsy manana sisintany iraisana amin'ny Federasiona Rosiana.

Nisioka i Lev Sharansky ilay olo-malaza virtoaly mpanaratsy :

Amin'izao fotoana izao moa dia ny any Afrika avaratra sy ao Okraina no mankalaza. Raha fehezina, mifety i Afrika.

Manahy ny amin'ny ho zavabita amin'ny mondialy manaraka, izay hotontosaina any Rosia, ireo mpanohana:

в рамках подготовки к Чемпионату мира 2018 года сборная России провела три товарищеских матча в Бразилии

— Смирнов (@sssmirnov) June 26, 2014

 Ho fanomanana ny fiadiana ny amboara manerantany amin'ny 2018, dia nanao lalao am-pirahalahiana telo tany Brezila ny ekipa rosiana

Ходят слухи, что сборная России будет первой командой, которая не сможет попасть на домашний чемпионат мира.

— Владимир Вербицкий (@VerbitskyVV) June 26, 2014

Mandeha ny tsaho fa ny ekipa rosiana no mpampiantrano voalohany mety tsy handray anjara amin'ny fiadiana ny amboara manerantany ao amin'ny taniny.

Olona vitsy, tahaka ilay Georgy Cherdantsev mpitantara no nanolotra vahaolana mety hampiady hevitra amin'izay mety hahatsara kokoa ny ekipa — manaisotra ny famerana ny isan'ny mpilalao vahiny any amin'ny klioba rosiana, ho fandrisihana ny fifaninanana eo amin'ny mpilalao teratany

 Amin'ny fanafoanana tanteraka ny isan'ny mersenera irery ihany! Avelao ny zatovolahintsika hampiseho mandritra ny fanazaran-tena fa matanjaka noho ny vahiny

Raha jerena amin'ny fomba filalaon'ny ekipa rosiana amin'izao fotoana izao, vao maika hampidina ny isan'ny mpilalao notezaina tao an-toerana ao amin'ny ligin'ny baolina fandaka rosiana mandray vola ny fandrarana tahaka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.