Akanjo Ambony Poutine, Tsy Hay Tohaina Any Rosia

Images mixed by Kevin Rothrock.

Sary natambatr'i Kevin Rothrock.

Niseho tamin'ny endriny maro ny sary fanta-dazan'i Vladimir Poutine, nanomboka tamin'ny alin'ny faran'ny taona 1999, fony izy vao nandray ny asa maha filoha azy. Any Andrefana, fantatra kokoa amin'ny fombany manambony tena amin'ny maha lehilahy azy i Poutine, izay tsy reraka mihitsy Kremlin nanely sary maro mikasika ny Filoha nanao ireo fampiasam-batana fanaon'ny lehilahy, tahaka ny fitaingenana soavaly sady tsy miankanjo ambony, hay ady, fitondrana fiaramanidina, sy ny maro hafa koa. Eo ihany ny hadalàna amin'ny maha maherifo malaza, fa tena zava-misy tokoa ho an'ny Rosiana ny filàna lehilahy matanjaka eo amin'ny resaka politika, olona antapitrisany amin'ireo no mbola mahatsiaro foana ny fahafaham-baràka sy fahantrana nianjady tany amin'ny taona 1990.

Anontanio ireo mpiasan'ny orinasa fanamboarana fiara misedra olana, ao amin'ny iray amin'ireo tanàna miankina fotsiny amin'izany ny toekareny, ao Rosia, na koa amin'ireo mpikatroka mafana fo miady ho an'ny zon'olombelona ao Maosko, ho hitanao fa mbola tsy foana ny fahantrana sy ny fahasahiranana. Saingy Rosiana maro – ny ankamaroany ny marimarina kokoa , araka ireo mpitsapa hevitra – no manamafy ny hafaliana tamin'ny fandresena iraisam-pirenena tao Krimea, Siria, Shina, ary any an-kafa koa. Miakatra be ny fitiavan-tanindrazana any Rosia, ary afaka ananan'ny tsirairay ny fiainana mirotoroton'i Poutine.

Afaka manana ny “t-shirt” (akanjo ambony) Poutine mihitsy aza ianao. Manangona azy dimy ambiny folo !

Ny herinandro lasa teo, nanokatra toerana kely ao anatina toeram-pivarotana iray eo ivelan'ny Kianja Mena  ireo mpanome endrika, Anna Trifonova sy Ivan Yershov, mivarotra t-shirt Poutine ho anisan'ny andian'akanjo AnyaVanya. Tamin'ny 35 dolara tsirairay teo ny vidin'ny akanjo ambony iray, lafon'i Trifonova sy i Yershov daholo ireo tahirin'entany rehetra – akanjo ambony miisa 5 arivo – vao tamin'ny andro voalohany nivarotany fotsiny. Nilahatra mihitsy ny olona hividy ny “Poutine swag”(lamaody Poutine).

Nilaza i Trifonova fa avy tamin'ireo “fandresena faramparany” azon'i Rosia teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny aingam-panahy nanaovana ireo akanjo ambony ireo, tafiditra ao anatin'izany ny lalao iraisam-pirenena amin'ny vanim-potoana ririnina, ny fahazoana an'i Krimea, ary ny fandresen'i Rosia teo amin'ny fifaninanana maneran-tany amin'ny taranja Hockey.

Ireo akanjobà ambony Poutine amidy eo ampivarotana. “Mamaky ny ao an'eritreritrareo aho” (ankavia) ary “Ilay Mahalala Fomba Indrindra amin'ny Vahoaka” (ankavanana). 11 Jona 2014. DNI.ru.

Niarahaba ny fahombiazana hita mivaingana azon'ilay akanjo ambony Poutine ny media mpomba ny fitondrana, ary nanao ilay tantara ho porofo mazava tsara ny amin'ny laza maharitry ny Filoha. Nanamarika anefa i Shaun Walker ao amin'ny The Guardian fa toa mifofotra kokoa amin'ny fampiakàrana ny firohotana ho amin'ny lamaody malaza izay miserana ihany, fa tsy miezaka mahafantatra akory ny hevitry ny daholobe, ireo mpamoaka vaovao toy ny  Lifenews fanta-daza amin'ny fombàny an'i Poutine. Nitatitra tsy misy ambadika ny NTV, Russia-1, ary Lifenews momba ny tinady amin'ilay akanjobà Poutine fa , na dia Rosiana maro, ny ao amin'ny aterineto farafahakeliny, mahita fa tsy misy dikany mihintsy ilay zava-misy.

Manoratra ao amin'ny LiveJournal, i Andrey Malgin mpitoraka bilaogy nanasongadina ny sasantsasany tamin'ny tatitra tafahoatran'ireo media Rosiana sasany mpomba ny Kremlin, amin'ny famerenany mamoaka ireo fintina  izay efa nosafidiany mialoha.

Путин в очках, на коне, в форме или на пляже. Кому какой больше нравится. Здесь же чехлы для телефонов. Сюжет тот же.
– Все понравилось, и Путин нравится больше всех.
За модными обновками выстроились и иностранцы — немцы, итальянцы, французы.
То, что сделано на родине, пришлось по душе и московским модницам. Louis Vuitton и Prada сменили на Путина и “made in Russia”.

Poutine manao solomaso, eo ambony soavaly, mirijarija, na mitsangana eny amoron-dranomasina. Izay tianao indrindra. Ireto ny sasany amin'ireo resaka an-telefaona. Mitovy daholo ny tantara.
“Tiako daholo izy rehetra, ary tiako noho ny zavatra rehetra i Poutine.” Na dia ireo vahiny aza milahatra mba hahazo ireo akanjo vaovao. Alemana, Italiana, ny Frantsay. Nahasintona ny fon'ny mpanara-damaody miaingitraingitra ao Maosko ny zava-bita eo an-toerana. Nosoloina tamin'ny Poutine sy ” vita Rosiana” ny Louis Vuitton sy Prada.

Tsy dia faly amin'ny endrik'i Poutine mamoaka akanjo mampientanentana ny olona ireo mpamaky an'i Malgin, izay mpanohitra tanteraka an'ny Kremlin ny ankamaroany. Maro ireo fanehoankevitra mahery.

Хочется надеяться, что хотя-бы одну футболку купили для публичного сожжения.

Te-hanantena aho hoe novidiana mba ho doran'ny olona ankalamanjana, farafahakeliny ny iray amin'ireny akanjo ambony ireny.

Ничего нового. Россия топчется по кругу. Потом культ разоблачать будут. Каяться. И создавать новый.

Tsy vaovao izany. Tsy mitsahatra ny mihodinkodina fotsiny i Rosia. Any aoriana any, mbola hiampanga io fiankohofana [ amin'i Poutine] io ihany izy ireo. Avy eo hibebaka. Avy eo indray hamorona iray vaovao.

Истерия набирает обороты.

vao maika mihanaka be ilay hadalàna

Raha marina ny voalazan'ireo mpamaky an'i Malgin fa hoe efa voaozona ny hamerina izao fientanentanana amin'ny mpitondra matanjaka izao foana i Rosia, toa mampanontany tena ny amin'izay mety ho endrika hanehoany izay filoha manaraka eo. Ho afaka hivarotra ny feony izay hisolo an'i Poute eo, amin'ilay fomba fitarihan-dàlana mifandimbindimby, mitarika ireo Rosiana amin'ny ho avy mankany eny amin'ny làlana vita amin'ny volamena….

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.