Mifanditra Amin'ny Zo Handefa Mondialy Ny Fantsona Fahitalavitra Eto Afrika

Fans watch group matches at FIFA Fan Fest in Sao Paulo on the second day of the 2014 FIFA World Cup. Photo by  Julia Reinhart. Copyright Demotix.

Mpankafy mijery lalao baolina kitra nandritra ny FIFA Fan Fest tao Sao Paulo tamin'ny andro faharoan'ny Fiadiana Ny Amboara Manerantany 2014. Sary avy amin'i Julia Reinhart. Zon'ny mpamorona Demotix.

Tahaka ireo hetsika fanatanjahatena goavana hafa, hiraikitra eo amin'ny Fahitalavitra ireo mpankafy manerana izao tontolo izao – na ao an-trano, na eny amin'ny tranom-pokonolona na any amin'ny toeram-pisakafoana – mba hijery ny ekipan'izy ireo sy ny hafa mifaninana amin'ny Mondialy FIFA ao Brezila.

Tsy hafa amin'izany ny aty Afrika ( ekipa Afrikanina dimy no voahosotra hilalao amin'ny Fiadiana ny Amboara Manerantany), saingy mety hanana olana amin'ny fanarahana izany ireo mpankafy sasany eto amin'ny kaontinanta, noho ny ady ara-pitsarana sy ny fisafidianana tambajotram-pantsona (fahitalavitra).

Nahatsikaritra ireo olana atrehin'ireo mpijery sy mpamatsy sary Fahitalavitra i Thinus Ferreira, bilaogera Afrikanina Tatsimo, tao amin'ny bilaoginy TV With Thinus, rhana niresaka ny vaovao sy ny fanadiadiana momba ny Fahitalavitra Afrikana Tatsimo. Nohazavainy ny disadisa amin'ny fandefasan-tsary amin'ny fahitalavitra teo amin'ny StarTimes an'i Shinoa izay voampanga ho nipiraty  ny sarin'ny Kenya Broadcasting Corporation (KBC) amin'ny fandefasana Mondialy :

StarTimes and Wananchi using the FIFA content on its pay-TV platforms, have allegedly breached the licence agreement between KBC and FIFA. KBC says that the two pay-TV operators broadcasting its signal of the 2014 FIFA World Cup matches it secured, will jeopardise its business since viewers won't feel compelled to tune in to KBC for the exclusivity it paid for. StarTimes allegedly went as far as hacking into KBC's terrestrial TV feed and pirating that signal to broadcast 2014 FIFA World Cup coverage on its pay-TV platform to not just viewers in Kenya but also in Uganda and Tanzania.

Voalaza fa nanitsakitsaka ny fifanekena eo amin'ny KBC sy ny FIFA momba ny fahazoan-dalana handefa ny votoaty avy amin'ny FIFA ny StarTimes sy ny Wananchi. Nilaza ny KBC fa mandefa ny sariny amin'ny fiadiana ny Amboara Manerantany FIFA 2014 izay arovany ireo orinasan'ny fahitalavitra roa mandoa vola ireo, ka hanimba ny fandraharahan'izy ireo rehefa tsy voatery hanaraka ny KBC izay nandoa vola mba ho izy irery no afa-mandefa ny sary ireo mpijery. Nandeha lavitra hatramin'ny nisovoka ny famahanana am-pahitalavitra an-tanetin'ny KBC ny StarTimes ka mamoaka ny fitantarana amin'ny Mondialy FIFA 2014 ao amin'ny sehatra mandoa vola ao aminy tsy ho an'ny mpijery ao Kenya ihany fa any Ogandà sy Tanzania ihany koa.

Araka ny fikarohana ara-tahirinkevitra nataon'ny orinasa GeoPoll, roa tapitrisa ny isan'ny mpijery tao Kenya nanaraka ny fiadiana ny amboara manerantany nandritra ny roa andro voalohany.

CIPIT Law Blog, tamin'ny alalan'ny Foibe ho amin'ny Fizaka-manana ara-tSaina sy ny Lalàna ara-teknolojian'ny Fampahafantarana ao amin'ny Oniversiten'i Strathmore University, dia nandresy lahatra fa, tsy maintsy manao izay azony atao hampitsaharana ny fisovohana nomerika amin'ny lalao eo ambany fitantanan'ny FIFA i Kenya.

Tsy nanam-bintana ireo mpanohana nanantena ny hijery ny lalaon'ny Mondialy amin'ny alalan'ny Fahitalavitra avy amin'ny zana-bolana andoavam-bola MultiChoice ao Zimbabwe sy Namibia. Nesorin'ny orinasa tanaty fandaharana ao amin'ny fanaovan-draharahany televiziona nomerika (DStv) ny orinasam-pahitalavitr'ireo firenena roa ireo, nanoratra i Ferreira:

These broadcasters legitimately secured the FTA rights to the 2014 FIFA World Cup matches in their respective countries. While viewers can now see Zimbabwe Broadcasting Corporation (ZBC) and Namibia Broadcasting Corporation (NBC) as terrestrial channels (only) during the soccer, their signals on DStv are terminated. On 11 June, right before the 2014 FIFA World Cup started, MultiChoice Africa suddenly sent this letter (right) (click to enlarge) to public broadcasters across Africa, like KBC and NBC in Kenya and Namibia, explaining why FTA (free-to-air) channels showing soccer World Cup matches on DStv will be going dark and will be blacked out.

Manan-jò ara-dalàna amin'ny fandefasana malalaka ireo lalaon'ny fiadiana ny amboara manerantany FIFA 2014 ao amin'ny firenena misy azy avy ireo fantsona fahitalavitra ireo. Raha afa-mijery ny Zimbabwe Broadcasting Corporation (ZBC) sy ny Namibia Broadcasting Corporation (NBC)  amin'ny alalan'ny onja an-tanety ihany ny mpijery mandritra ny lalao, dia nofoanana kosa ny fandefasana amin'ny DStv. Tamin'ny 11 Jona 2014, andro iray monja mialoha ny hanombohan'ny Mondialy 2014, dia nandefa tampoka izao taratasy (ankavanana) (tendreo hanangezana azy) izao amin'ny fampielezan-tsary manerana an'i Afrika, tahaka ny KBC sy ny NBC any Kenya sy Namibia izao ny MultiChoice Africa, manazava ny antony hahamainty fotsiny ny efijery ka tsy hisy fandaharana ireo fantsona nahazo alalana handefa ny lalao fiadiana ny amboara manerantany.

Lazao anay izay iainanao. Manam-potoana ijerena ny Fiadiana ny Amboara Manerantany ve ianao amin'ny fahitalavitra?  

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.