Ilay Meksikana Miguel “Piojo” Herrera, Mpanazatra Manana Ny Angesony Manokana

Thousands gather to watch the first game of the Mexican National Team

Baoritra misy sarin'i Miguel “Piojo” Herrera mijery lalao hatreny amin'ny dabilio. Saripikan'i Débora Poo Soto, zo voatokana avy amin'ny Demotix (13 Jona 2014).

Tamin'ny 24 Jona 2014, resin'ny ekipam-pirenena Meksikana tamin'ny 3-1 i Kroasia tao Recife nandritra ny lalao iray tamin'ny fiadiana ny amboara manerantany FIFA Brezila. Mifanohitra tamin'ny lalao teo aloha izay ny mpiandry harato Guillermo “Memo” Ochoa no nitodihan'ny maro, dia betsaka amin'ny fihetseham-po no nifantoka tamin'ny fikirizana fampiainan'ny mpanazatra Miguel “Piojo” Herrera ny lalao (piojo no dikan'ny parasy amin'ny teny espaniola).

Nizara ity sary ity ao amin'ny Twitter ny kaonty fanatanjahantenan'ny USA Today:

Ny fihorahan'i Miguel Herrera no mahafinaritra indrindra

Ny zoro fanatanjahantena ao amin'ny The Guardian dia mametraka an'i Herrera ho olo-maherin'ny Mondialy vaovao:

Mpanazatra Meksikana Miguel Herrera: olo-mahery vaovaon'ny Mondialy amin'ny aterineto

Tahaka izany ihany koa ny habaka fanatanjahantena TiempoReal mamaritra ny lazan'i Herrera tahaka izao:

Durante el Mundial, ‘El Piojo’ ha conseguido que su ‘descontrol’ sea conocido alrededor del mundo por la pasión con la que vive todos los encuentros del TRI, pues tras el segundo gol en la victoria 3-1 ante Croacia, explotó con Memo Ochoa, pues el pase estaba casi amarrado.

Nandritra ny Mondialy, nanao izay nampalaza ny “hadalany” manerana izao tontolo izao noho ny fitiavany fatratra izay iainany isaky ny misy lalao ataon'i TRI i “Piojo”, rehefa nahafaty ny baolina faharoa tamin'ny fandresena an'i Kroasia izy dia nipoaka niaraka tamin'i Memo Ochoa satria voafehy ihany ny tolotra (pasy).

Tri, fanafohezana ny Tricolor (lokotelo), no anarana omen'ny mpanohana ny ekipany noho ny loko telo soratra isaloran'izy ireo izay mitovy amin'ny lokon'ny sainam-pireneny. Ny gazety El País nanondro an'i Herrera ho lakilen'ny fandresen'i Meksika:

Un México desatado tumbó a Croacia con todas las de la ley (3-1). El valiente Miguel Piojo Herrera se la jugó con un par de delanteros cuando el partido tenía que tomar rumbo mediada la segunda parte y a fe que le salió bien. A los mexicanos les valía el empate para clasificarse a la siguiente ronda pero en vez de echarse atrás y esperar en la cueva, Herrera mandó a los suyos al frente con una voracidad extraordinaria. Márquez marcó el primero de un cabezazo tras elevarse entre las torres croatas, una faena que remataron Guardado y Javier Chicharito Hernández, un invitado de última hora.

Nadabok'i Meksika tamim-pahefana (3-1) i Kroasia. Nisy fahasahiana tao amin'i Miguel Piojo Herrera tamin'ny nisafidianany mpanafika roa mialoha ny fizaram-potoana faharoa, ary dia nahazo valisoa ny finoany. Ady sahala dia efa ampy hiakaran'ny ekipa meksikana amin'ny dingana manaraka, nefa raha tokony hanamafy ny fiarovana sy hiandry any aoriana, dia nobaikoan'i Herrera ny olony hanafika araka izay tratra. Tafiditr'i Márquez tamin'ny lohany ny baolina voalohany rehefa nihoatra ny tilikambo Kroasiana, asa izay novitain'i Guardado sy Javier Chicharito Hernández, vahiny niditra tamin'ny minitra farany.

Fandresen'ny fanatanjahantena iny izay natao hialana amin'ny fifantohana be loatra amin'i fiteny mankahala sy fanompana ny pelaka nataon'ny mpanohana Meksikana teny an-kianja rehefa milalao ny Tri. El Zappo, avy amin'ny habaka Homzzaping nampafantatra fa tsy hisy ny fanasaziana ireny fomba fiteny ireny:

Por no considerarlo “insultante en este contexto específico”, la FIFA no sancionará a la Federación Mexicana de Futbol Asociación (Femexfut) por el grito de “puto” que aficionados realizaron partidos pasados.

Noho ny tsy fiheverana azy ho “fanompana ao anaty tranga manokana”, dia tsy hanasazy ny Federasiona Meksikana Baolina Fandaka (Femexfut) amin'ny hiaka hoe “makorelina” fampiasan'ny mpanohana nandritra ny lalao taloha ny FIFA.

Raha mbola mijery ilay antso voalaza, dia nanampy i El Zappo:

La investigación se inició después de que FARE, organización no gubernamental que lucha contra cualquier forma de discriminación en el futbol, señalara que la expresión es un insulto homófobo. Posteriormente, el Consejo Nacional para Prevenir la Discriminación (Conapred) se sumaría a estas demandas asegurando que la palabra “puto” es una expresión de desprecio.

Nanomboka ny famotorana rehefa navoitran'ny FARE, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana miady amin'ny endrika fanavakavahana rehetra amin'ny baolina fandaka, fa ompa hankahalana pelaka ilay fomba fiteny. Taorian'izany dia nanatevin-daharana ny fitakiana ihany koa ny Vaomieram-Pirenena Misoroka ny Fanavakavahana (Conapred) tamin'ny filazana fa fiteny faniratsirana ny voambolana “makorelina”.

Raha iverenana ny resaka lalao dia hifanandrina amin'i Holandy ao amin'ny kianja Castelão ao Fortaleza i Meksika amin'ny alahady 29 Jona 2014, izay mankany amin'ny ampahaefa-dalana. Sambany hatramin'ny 2002 ny ekipam-pirenena Meksikana no tafavoaka tamin'ny dingana fanintsanana mandritra ny fiadiana ny amboara manerantany rehefa nahazo isa fito amin'ny sivy nandritra ny lalao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.