Sary 9 Avy Ao Kyrgyzstan, Maneho Ny Zava-misy, Manambara Adin'ny Rano Ao Azia Afovoany

Finding safe drinking water is difficult in the Batken region of Kyrgyzstan. Due to the many dams nearby, rivers dry up, and people find themselves forced to fight for every drop of water.

Sarotra ny mahita rano fisotro madio ao amin'ny faritr'i Batken ao Kyrgyzstan. Miharìtra ny renirano noho ny fisian'ireo tohodrano maro manakaiky ny faritra, ka lasa tsy maintsy miady mafy ny olona mba hahazoana teten-drano kely fotsiny. Sary avy amin'i Fyodor Savintsev / Salt Images, 2012. Zon'ny tompony: Creative Time Reports, nahazoana alalana ny nampiasana azy.

Nalefa tamin'ny Creative Time Reports ny lahatsoratra tena izy voalohany tamin'ity lahatsoratra ity. Sary avy tamin'i Fyodor Savintsev, lahatsoratra nataon'i Katya Kazbek ary i Chris Rickleton , mpamoiaka lahatsoratry ny Global Voices ao Azia Afovoany.

Olona miisa 780 tapitrisa ankehitriny no tsy mahazo rano fisotro madio. Tsy mamandrika ireo olona mila rano maika sy ireo mety harary noho ny tsy fahampian-drano fotsiny ny tsy fisian'io harena sarobidy io ao Azia Afovoany, fa koa, mampananontanina mafy ny ” adin'ny rano” —  manamafy ihany koa ny fifandirana eo amin'ireo faritra mifanakaiky amin'ny fahazoan-drano, izay vao maika mampikorontana ny tontolo iainana ary mahatonga ilay faritra ho tena misy fifandirana politika.

Kurambaev Almaz, 69, lives with his wife more than 100 miles away from the nearest town in Kyrgyzstan’s Osh Province. Almaz travels by donkey into the mountains to find drinking water. Photo by Fyodor Savintsev / Salt Images, 2008.

i Kurambaev Almaz, 69 taona, mipetraka miaraka amin'ny vadiny ao Osh, Faritanin'i Kyrgyzstan, any amin'ny toerana maherin'ny 100 km miala ny tanàn-dehibe akaiky indrindra. Mitaingina ampondra mitety ireo tendrombohitra i Almaz, mba hitady rano fisotro madio. Sary avy amin'i Fyodor Savintsev / Salt Images, taona 2008. Zon'ny tompony: Creative Time Reports, nahazoana alalana ny nampiasana azy.

Amin'ny taona 2030, eo ho eo amin'ny antsasaky ny mponina eto an-tany no hiaina amin'ny faritra “tsy ampy rano,” araka ny nambaran'ny Fikambanana  Farimbona ary Fampivoarana ara-toekarena (OECD/OCDE) . 

Mizara ho firenena manankarena rano eny amin'ny fiantombohany ary mahantra rano any amin'ny fiafaràny, i Azia Afovoany. I Tajikistan sy Kyrgyzstan, ireo firenena hita any amin'ny fiatombohan'ny rano, no firenena roa  anisan'ny mahantra ara-toekarena indrindra ao amin'ny faritra, dia mety afaka jerena ho famenon'ny fahantràna ara-materialy noho ny zinan'ny natiora eo amin'ny tontolo iainany. Tena mbola lavitry ny mety anefa ny fifandanjan'ny otrikarena ao Azia Afovoany. Ankehitriny, sy sasany amin'ireo Kyrgyz mpanao lalàna dia mieritreritra ny hanapaka ny fikorianan'ny rano any amin'ilay tany efa ho maina any Ozbekistan, firenena misy faritra be mponina indrindra ary fipetrahana miaramila maharitra, taorian'ny nanapahan'i Ozbekistan ny famatsiana entona ny tanànan'i Osha ao atsimon'i Kyrgyzstan tamin'ny volana Aprily.

View of the road through Kyrgyzstan’s Kalmak-Ashu Pass, which is more than two miles above sea level.

Sarin'ny lalana mamakivaky ny Kalmak-Ashu Pass ao Kirghizistan, izay maherin'ny roa km  ambonin'ny ranomasina. Sary avy tamin'i Fyodor Savintsev / Salt Images, 2008. Zon'ny tompony: Creative Time Reports, nahazoana alalana ny nampiasana azy.

Mety avy amin'ny fifandirana noho ny rano, efa naharitra ela izay, no antony nanapahan'i Ozbekistan ny entona any Osh. Ketraka amin'ny drafitrasa Kyrgyz sy Tajik hanamboatra tohodrano any amin'ny fiatombohan'ny renirano any Syr Darya sy Amo Darya, ireo tompon'andrakitra ao Tashkent, renivohitr'i Ozbekistan.

A family drinks water from a pipe jutting out of the mountains in the Naryn region of Kyrgyzstan. Photo by Fyodor Savintsev / Salt Images, 2013.

Fianakaviana misotro rano avy amin'ny fantsona mivoaka ao amin'ny tendrombohitra, ao amin'ny faritr'i Naryn ao Kyrgyzstan. Sary avy tamin'i Fyodor Savintsev / Salt Images, 2013. Zon'ny tompony: Creative Time Reports, nahazoana alalana ny nampiasana azy.

Miankina amin'ireny loharano ireny i Ozbekistan ho an'ireo faritra fambolena tena iankinan'ny ain'ny fireneny, ary matahotra ny hoe mety hiteraka olana amin'ireo tany mifanila aminy io tohodrano io, amin'ny “valy fingìka, fingàka” mba hanemorana ny famoahana ny rano. Tamin'ny taona 2012, efa nampitandrina ny filohan'i Ozbekistan, Islam Karimov, hoe mety hitondra amin'ny tena ady tsy misy indrafo ny fitazonana sy fampiharana io drafitrasa io, ny tsy fijerena akory ireo firenena any amin'ny faritra ambany iafaràn'ny rano, tahaka an'i Ozbekistan sy i Kazakhstan.

Lake Issyk Kul is the largest lake in Kyrgyzstan and the tenth-largest lake in the world by volume.

Ny farihin'i Issyk Kul no farihy lehibe indrindra any Kyrgyzstan ary eo amin'ny laharana faha folo amin'ny farihy eto an-tany raha ny habeny. Sary avy tamin'i Fyodor Savintsev / Salt Images, 2012. Zon'ny tompony: Creative Time Reports, nahazoana alalana ny nampiasana azy.

Tsy mijanona fotsiny eo amin'ny fifandirana eo amin'ireo firenena ao amin'ny faritra ny olan'ny rano, fa mihitatra ho lasa fifandonana ao amin'ireo firenena sy ny fokonolona monina ao aminy mihitsy. Anisan'ny anton'io ihany koa ny fahapotehan'ireo foto-drafitrasa tamin'ny andron'ny Sôvietika. Ohatra fotsiny, very  ampahatelony ny rano noho ireo lavaka nateraky ny fahasimban'ny tambajotra famatsiana rano any amin'ny fiavian'ny rano any Kyrgyzstan. Henjana be io olana io any amin'ireo faritra ambanivohitra, izay tena ilaina tokoa ny fahabetsahan'ny rano mba hampitombo tsara ny vokatra.

A shepherd boy watches a herd of cows as he stands on a tree stump near Lake Issyk Kul. Photo by Fyodor Savintsev / Salt Images, 2013.

Ankizilahy mpiandry omby mijery andiana ombivavy, eo ambony tapaka hazo eo akaikin'ny farihy Issyk Kul.
Sary avy tamin'i Fyodor Savintsev / Salt Images, 2013. Zon'ny tompony: Creative Time Reports, nahazoana alalana ny nampiasana azy.

Mba tsy haha-maina makiana ny fambolena, nanao tohodrano vita tànana ireo mponina eo an-toerana efa tena kivy, ao Kyrgyz, izay mampivily ny renirano eo an-toerana mba ahafahana mitarika rano. Lasa tratran'ny haintany anefa ireo fokonolona any amin'ny faritra iafaran'ny rano noho izany. Any amin'ny toerana toa an'i Kyrgyz, faritra ao Batken, izay vitsy ihany no afaka mamantatra marina hoe hatraiza no fiafaràn'i Kyrgyzstan ary aiza no iantombohan'i Tajikistan, lasa hita matetika ny fifandonana mahery eo amin'ireo fokonolona ao Kyrgyz sy Tajik noho ilay fitarihan-drano. Mifampiampanga ho nangalatra ny andaniny roa.

A quarry filled with water from melting snow in the Nookat region of Kyrgyzstan.

Toeram-pitrandrahana lasa feno rano avy amin'ny fitsoniky ny ranomandry, ao amin'ny faritr'i Nookat ao Kyrgyzstan. Sary avy tamin'i Fyodor Savintsev / Salt Images, 2012. Zon'ny Tompony: Creative Time Reports, nahazoana alalana ny nampiasana azy.

Fa ampahany fotsiny amin'ny krizin-tsisintany io tsy fahampian'ny rano ao Azia Afovoany io, izay mbola hihitatra hisy vokany tena ratsy hiseho any amin'ny tanibe an'i Azia, araka ireo Rosiana maro mpikaroka ara-tsiansa manadihady ny fifsampantsampanan'ny tsy fahampian-drano.

Military officers guard the entrance to the Kambaratinsk Dam on the Naryn River. The Kambar-Ati-1 Hydro Power Plant at the base of the dam, largely financed through a $2 billion Russian aid package, will have a capacity of approximately 1,900 megawatts.

Miaramila manamboninahitra miambina ny fidirana ao amin'ny tohodrano ao Kambaratinsk, eo amin'ny renirano Naryn. Ilay toby Kambar-Ati-1 famokarana herinaratra azo avy amin'ny rano eo am-pototr'ilay tohodrano, voavatsy ara-bola mitentina 2 lavitrisa dolara amin'ny ampahany betsaka avy any amin'ny fanampian'ny Rosiana, ahazoana heriaratra eo ho eo amin'ny 1.900 megawatt eo. Sary avy tamin'i Fyodor Savintsev / Salt Images, 2012. Zon'ny Tompony: Creative Time Reports, nahazoana alalana ny nampiasana azy.

Any Shina, vahoaka maro sy ireo asa fivarotana goavana maro no mametraka tsindry mafy amin'ny renirano IIIi sy Irtysh, izay samy mivarina any Kazakhstan daholo, ity farany izay mivarina ao amin'i Ob any Rosia. Sady amin'izay indray, hiteraka fahasimbàna be tsy ho voaavotra ho an'ny Azia manontolo ny fandrìtana ny siniben'i Ob-Irtysh, mety hanimba tany mahavokatra midadasika be, hamotika ny indostrian'ny jono ihany koa ary hanimba be ny faritra Rosiana ao amin'ny Oseana Arktika.

Since the collapse of the Soviet Union, the irrigation system in Kyrgyzstan has fallen into decay.

Hatrizay naharava ny Vondrona Sôvietika izay, simba tanteraka ny rafitra fitarihan-drano ao Kyrgyzstan. Sary avy tamin'i Fyodor Savintsev / Salt Images, 2012. Zon'ny Tompony: Creative Time Reports, nahazoana alalana ny nampiasana azy.

Ataon'ny any amin'ny firenena rehetra hafa ho toy ireo fifandonana kely tsy dia misy lanjany any an-toerana fotsiny ny fifandirana rano ao Azia Afovoany. Saingy satria mihena ny fandrin-drano isan-taona, mahatonga ny olona hifandramatra hatrany ny fahatahorana ny fotoan'ny haintany. Efa mananontanona akaiky io loza tsy afaka iverenana momba ny tontolo iainana sy sosialy io. Tena zava-dehibe tokoa ankehitriny ny manazava io toe-javatra io, dieny mbola azo sorohana ny tsy fisian'ny rano, sy ny ady izay hiseho miaraka amin'izany, amin'ny fizaràna sy fanaparitahana ny zava-misy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.