Vinegret, Misy Mila? Mety Hanampy Anao Hahafehy Nahandro Rosiana Ireto Lahatsary 5 Ireto

Ny ankamaroan'ny sakafo Rosiana dia ampiarahana amin'ny pelmeni (henabaolina fonosina lafarinina), krepy, ary vodka. Fa hatramin'ny taranaka nifandimby, na izany aza, dia tia sy mahandro ireo karazana foto-tsakafo marobe mampiavaka azy ny Rosiana. Fomban-drazana mahazatra lalàin'ny Rosiana ny mahandro ao an-trano,  Mipetraka manodidina ny latabatra fihinanana ny mpianakavy rehetra ( indrindra raha eo ny raibe sy ny renibe) ary miaraka mihinana. Tantaraina ato amin'ity lahatsoratra ity ireo sakafo sasany izay ho hitan'ireo tsy Rosiana ho tsy mahazatra loatra. Hahita lahatsary momba ny fikarakarana ny sakafo tsirairay ianao.

1. Vinegret

‘Ndao atomboka amin'ny tsakitsaky. Vita amin'ny fifangaroan'ny betiravy, ovy, kokombra kely( cornichon), ary ireo tsiro hafa ny Vinegret. Sakafo ankafizin'ny olona any Rosia sy any Okraina amin'ny endrika ahitàna azy amin'izao fotoana izao, sakafo avy any Scandinavie izy ity no tonga tany an-dakozian'ny Rosiana tamin'ny taonjato faha-19, noho izany fahalaviran'ny làlany izany dia betsaka ireo tsiro tsy hita intsony ary nosoloina tsiro hafa.  ( Tsiaritra kely :Tsy misy ifandraisany amin'ny ‘vinegret’ Rosiana ny :’ saosy vinegrety ‘.)

2. Okroshka

Sakafo manelanelana ny kompoze sy ny lasopy ny Okroshka ary antsoina hoe ‘lasopy mangatsiaka’ izy. Ilaina ampiana toton-kena madinika( na trondro), legioma (toy ny ovy na karaoty), ana-maitsomaitso ary farany kvass ( zava-pisotro fampiasa any amin'ny tany Slavy). Andrahoina ao anatin'ny hafanan'ny lohataona amin'ilay fotoana tsy maha-te-hihinana zavatra mafana iny ny Okroshka. “Atao inona lohataona tsy misy okroshka?,” hoy ny fanontanian'ilay mpitoraka bilaogy ira_plyushkina, sady nozarainy ireo fahatsiarovany momba izany hatramin'ny fahazazàny.

3. Shchi

‘Ndao hiditra amin'ny tena sakafo : lasopy vita amin'ny laisoa, hena, karaoty ary ireo karazana hanitra hafa ny Shchi. Ireo ihany no akora fototra, nefa na izany aza dia azo ampiana zavatra hafa. Ny sasany manampy holatra ; soloan'ny sasany  ‘ sorrel’  ny laisoa ; ny sasany kosa manampy paoma. Fa karazana lasopy iray ihany ireo rehetra ireo- na dia mety ho hafahafa aza no fahitàna azy.

4. Kulich

Mifanohitra amin'ireo sakafo andavanandro eo ambony eo ireo, ny kulich dia mofo masina karakaraina  ho an'ny Paska . Isan'ny karazan-tsakafo iray fanao amin'ny Paska izay iraisan'ny Rosia Afovoany sy ny ilany Avaratra izy ity. Taloha, samy mahandro ny kulich-ny ny isam-pianakaviana ary mitondra izany any am-piangonana mba hohamasinin'ny mpitondra fivavahana. Fa amin'izao fotoana moderna izao anefa ny ankamaroan'ny olona dia mividy eny amin'ny magazay izay mivarotra mofo indostrialy mialoha ny fialan-tsasatra. Tian'ny olona ny Kulich na vidiana na amboarina eny fa na dia ivelan'ny finoana Ortodoksa Rosiana aza.

5. Paoma alona ao anaty ranon-tsira

Efa adinon'ireo Rosiana monina an-tanàn-dehibe ity sakafo ity. Taloha, alonan'ireo tantsaha ao anaty barika ‘oak'( hazo chêne ) ny  paoma ary tehiriziny ho amin'ny ririnina. (Indrisy tsy mba nanana vata fampangatsiahana ry zareo !) arfagrafia, mpiserasera amin'ny LiveJournal, ohatra, dia mitantara ny fahazazàny talohan'ny nanafaran'i Rosia legioma sy voankazo. Ahitana  ” gorodona vita  amin'ny vato, talantàlana fametrahana entana vita amin'ny hazo, ary barika lehibe nijoro ”  ireo toeram-pivarotana. Fa amin'izao fotoana izao dia milaza izy fa “tsy na aiza na aiza akory dia ahitana paoma milona amin'ny ranon-tsira!” Na dia eo aza ireo fitaovana moderina sy ny fanafarana voankazo, mbola betsaka ao Rosia no mandona paoma any an-trano. Tena manome sakafo matsiro tsara izany! 

Avy amin'i Loyna, Wikimedia Commons, CC-BY-SA-2.5 ireo hajiantsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.