Nivoaka Ho Any Burkina Faso! An-Dalana Ho any Ouagadougou Ny Ekipan'i OpenStreetMaps Nizera

Tamin'ny volana Mey teo, niainga tao Niamey hoany Ouagadougou ny ekipa OpenStreetMap Mandrakitra an-tsarintany an'i Nizera- tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices 2013 – mba hanatrika fivoriana ao Burkina Faso. Ny tanjon'ny atrikasa atrehin'izy ireo dia ny hanatsara ny fahaizan'izy ireo ara-teknika mikasika ny rafitra OpenStreetMap. Ankoatra ny ekipa OSM Burkina Faso, nihaona tamin'ireo ekipan'ny OSM avy ao Senegaly sy Togo ihany koa izy ireo. Hoy izy ireo [FR]:

… toutes les structures des pays participants ont présenté leurs activités au sein de leur projet, c’est partant de cette occasion que le projet Mapping For Niger a été vivement félicité des résultats auxquelles il est parvenu. Malgré la faiblesse des moyens logistiques dudit projet, le l’activisme et le dynamisme de ses membres les ont permis de battre un travail sérieux dans l’émission des données cartographique des horizons du Niger.

… nampahafantatra ny zavatra ataony ao anatin'ny tetikasany ireo rafitra rehetra avy amin'ny firenena mpandray anjara, ka ny tetikasa Mapping For Niger “Mandrakitra An-tsarintany an'i Nizera” no tena nahazo fankasitrahana be tamin'ny vokatra azony hatramin'izao. Na dia eo aza ny tsy fahampian'ny fitaovana teknolojika amin'ny tetikasa, nahafahan'ireo mpikambana nanao asa matotra tamin'ny fametrahana ireo tahiry an-tsaritany manerana an'i Nizera ny fikatrohana sy ny fahavitrihan'izy ireo.

Sombin-tsary nandritra ny dian'izy ireo. Some photographs from their trip:    

10365954_274164649432289_6717969393991737815_n

Ekipan'ny “Mapping for Niger” ary mpikambana sasany avy ao amin'ny OSM ao Ouagadougou  

OLYMPUS DIGITAL CAMERA

Tamin'ny fiafaran'ny atrikasa, naka sary niaraka tamin'ny solosaina avy amin'ny OpenStreetMap ny ekipa Nizeriana.

Naka ny sarin'ireo namany sasany avy ao amin'ny OSM hafa nandritra ny fihaonana ihany koa ny ekipa:

10410214_275097642672323_8540021710703506673_n

“Manao ahoana! Alice Souka OSM Togo, Faly be aho nihaona tamin'ireo namana avy ao amin'ny OSM Nizera”

 

10304429_275088782673209_392843121649744761_n

“Gauthier OSM Burkina Faso, miaraka isika”

Ary ny mpampianatr'izy ireo:

10384923_276233699225384_7700273430325853525_n

Navoaka indray avy ao amin'ny pejy Facebook Mapping for Niger ny sary rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.