LAHATSARY: Nahoana Ireo Mpianatra Sasany No Mifindra Monina Mba Hialàna Amin'ny “Tsy Rariny” Amin'ny Fanadinana Fidirana Oniversite Ao Shina ?

A protest in Shanghai back in 2012 against the opening up of the city's Gaokao to non-Shanghai residents. Photo from Chen Wei Bin's blog.

Fihetsiketsehana tao Shangai ny taona 2012 , manohitra ny fisokafan'ny gaokao-n'ny tanàna amin'ireo tsy mponin'i Shangai. Sary avy tamin'ny blaogin'i Chen Wei Bin.

Fotoanany indray izao ho an'i gaokao. Isaky ny volana Jona, nanomboka ny taona 1978, zatovo antapitrisany manerana an'i Shina no mandalo ny fitsapana henjana, Fanadinam-pirenena Hidirana Amin'ny Ambaratonga Ambony ao Shina, miaraka amin'ny fanantenana ny mba handeha eny amin'ny Anjerimanontolo, ary hivoitra amin'ilay eritreretina ho anisan'ny dingana ara-tsosialy tsara indrindra ao amin'ny firenena. Nanao fanomanana nandritra ny ora maro ireo mpianatra, nahitana tsy fatoriana tao anatin'ny alina maro. Manao izay ho afany koa ireo ray aman-dreny, ny sasany miavaka kokoa noho ny ataon'ny hafa

Novinavinaina mba hampitovy vintana ireo mpianatra rehetra rehefa tonga eny amin'ny fianarana ambony ilay fitsapàna, na dia tsy mitovy aza ny fidiram-bola sy ny toerana niaviana. Mbola mijanona ho resaka mampifandritra hatramizao anefa ny tsy fitovian'ny fanadinana ho an'ny faritany tsirairay avy. Ny rafitra  fametrahana “quota” (fetran'isa) izay manome vahana kokoa ireo mpianatra avy amin'ny faritany sasany ao Shina miohatra amin'ny hafa no tena anisan'ny mampifanditra. Afaka milalao tsara ilay drafitra ny olona raha amin'ny ankapobeny, mifindra monina any amin'ilay faritany hitany fa mety fotsiny izy avy eo. 

Satria efa samy manana fetran'isa natao ho azy ny faritra tsirairay avy, izay noferan'ireo manampahefana eo amin'ny fampianarana, tsy faly ny amin'ny fifaninanana miha-mitombo hatrany noho ireo zanaka ray aman-dreny nifindra monina ireo tompon-tanàna. Tamin'ny volana Janoary 2014, mpikatroka mafana fo, malaza ny amin'ny fiarovana ny zon'ny olom-pirenena, i Xu Zhiyong, no namoahana didy higadra 4 taona an-tranomaizina, nolazaina ho nanao “fanakorontanana ny filaminam-bahoaka”, noho izy nanampy ireo ray aman-dreny mpifindra monina nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny biraon'ny manampahefana misahana ny fampianarana ao Beijing ny taona 2012, nitakiana ny mba hahafahan'ny zanany ho afaka miatrika fanadinana ao Beijing.

Tamin'izany fotoana izany anefa, nisy ihany koa ireo nanao fitokonana fanoherana taminà tanàna lehibe hafa, nanohitra ny hevitra miaro ny toeran'ireo mipetraka ao an-toerana. Novaina noho izany ireo fitsipika ka namelàna ireo mpianatra sasany mpifindra monina ao Shina hanala fanadinana any alavitry ny toerana voarakitra fa ipetrahany maharitra, afa tsy ao Beijing

Vao haingana io resaka tsy fitoviana amin'ny faritra io no votoatin'ny fampakaran'i Feideshou (飛碟說), izay tsy miankina mpamokatra lahatsary amin'ny aterineto, lahatsary namoahany antontanisa tao amin'ilay sehatra lehibe fandefàsana lahatsary Shinoa : Youku. Nisy nijery efa in-1 tapitrisany ary nahazoana fanehoan-kevitra maherin'ny 1,400, ilay lahatsary manazava ny antony maha-tsy rariny ilay fomba fitondrana ilay fanadinana. Ito ambany ito ny dika mitovy nalaina tamin'ny Youtube an'ilay lahatsarin'i Feideshou, miaraka amin'ny lohateny kely nadikan'ny Global Voices:

Mbola miady hevitra ny amin'ilay resaka tsy rariny ao Gaokao ihany ireo mpanaraka aterineto, tao amin'ny tsanganana fametrahana fanehoan-kevitra ho an'ilay lahatsary. “Tsy misy afaka mitsikera” (誰都說不得) mieritreritra fa ampahany amin'ny fiainantsika tsy maintsy ekena ny tsy rariny :

是不咋公平,各地的大学主要是对本地的考生比较优惠。在大学眼里,高考600分和高考550分的学生,素质都差不多,并没天才到哪儿去。能跟上学校教学就可以了,对当地学生优惠下,挺现实的。不公平就是这么个现实,沿海城市人均收入远高于内地,大家伙能做的,不也只有去北上广深打工吗?教育现状不会改变,只有自己努力,考验总是全国统一考试和录取了吧。

Tsy rariny izany. Manome vahana ireo mpianatra eo amin'ny taniny daholo ireo Anjerimanontolo rehetra. Eo imason'ireo Anjerimanontolo, mitovy daholo na mahazo isa 600 na 550 ireo mpianatra. Tsy misy toy ny hoe talenta io. Manantena fotsiny izy hoe hahavita hanaraka ny fandaharana ireo mpianatra. Manome vahana kokoa ireo mpianatra eo an-toerana izy ireo noho ireo mora tantanina kokoa. Efa tafiditra ho ampahany amin'ny zava-misy iainana mihitsy ny resaka tsy rariny. Any amin'ny faritra amorontsiraka, ambony kokoa ny fidiram-bolany noho ny any afovoan-tany. Miatrika izany  amin'ny fifindrafindràna toerana ny vahoaka ary mitady ny asa mety amin'izy ireo any Shenzhen sy Guangdong. Tsy hiova ny rafitra fampianarana, tsy maintsy mijery ny làlany avy, mankany amin'ny anjerimanontolo daholo ny tsirairay.

Nanao fanamarihana nanadrohadro i oceanswimmer hoe ara-drariny kokoa ny rafi-panadinana Amerikana miohatra amin'ny rafitra aomionista Shinoa :

考美国的SAT不分北京户口 河南户口 美国大学择优录取 遗憾的是 高考公平只能体现在考美国的大学 呵呵 北上广考生暂时得到了巨大好处 可长远来看 天朝损失了的一种精神

Tsy hanavaka ny mponina avy any Bejing sy ny mponina avy any Henan mihitsy ny fanadinana SAT any Etazonia. Hisafidy ireo izay tena mahay indrindra fotsiny ireo anjerimanontolo any Etazonia. Ny zavatra mampalahelo dia hita soritra [amin'ny rafi-pianarana] any Amerika ilay heverina ho tsy fitanilàna ao amin'ny gaokao. Haha. Nahazo tombony tamin'ilay fahabangàna ireo izay nandeha tany amin'ny faritra avaratra mba hahazo ny gaokao. Rehefa ela ny ela, verin'ny Fitondrana matanjaka ilay fanahiny [tsy mitanila] .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.