Tsy Lalao Sy Fanalan'Andro Fotsiny Ny Mondialy Na Olaimpika. Noravan'Ity Habaka Ity Izany

Screenshot from the Sport Better Cities website.

Pikantsary avy amin'ny habaka Sport Better Cities.

Eritrereto ny ekipa ihany ve no mandresy na resy amin'ny Mondialy FIFA na amin'ny lalao olaimpika? Eritrereto tsara. Mety hitondra zavatra mifangaro ho an'ireo tanàna mandray azy ireny ny lanonam-panatanjahantena. 

Ekena tokoa fa manondrotra ny endriky ny firenena, noho ny fifantohan'ny mpankasitraka an-tapitrisany manerana izao tontolo izao ny fandraisana lanonana goavana tahaka izao. Amin'ny fananan'izy ireo drafitra manokana,dia afa-manorina foto-drafitrasa ilaina ihany koa izy ireo. Raisin'ny maro ho ohatra mendrika arahina ny lalao olaimpika notanterahina tany Barcelona tamin'ny 1992, izay matetika heverina ho mitana anjara toerana lehibe tamin'ny fananganana ny tanàna ho metropolis maroderina tahaka ny amin'izao fotoana izao. 

Saingy mila volabe tokony nampiasaina tamin-javatra hafa, tahaka ny fampianarana na ny fahasalamana, ny fandraisana lanonana tahaka itony. Misy olona any Brezila, izay hanatontosana ny Mondialy FIFA 2014 amin'izao fotoana izao, nanao fihetsiketseha-panoherana ity fifaninanana ity noho izany antony izany indrindra. Misy ihany koa ny risika fa mety ho tsy tafaverina ny vola nampiasaina, ary ny toerana (kianja-lapa) izay namirapiratra tao anatin'ny fotoaa iray dia mety ho kaoka sy nilaozana indray andro any.

Izany no mahatonga ny fitaterana ireny lanonana ireny mety ho raharaha sarotra sy saro-pady. Mpikaroka roa avy amin'ny Sekoly fahazoana diplaoma momba ny Fahaiza-Mandravaka [Graduate School of Design] sy ny Sekolin'ny Injeniorà sy ny Siansa Ampiarina ao amin'ny Oniversiten'i Harvard no miezaka ny hanao izay hahatsotra azy kokoa. 

Nanokatra haba-tranonkala vaovao ry zareo, Sport Better Cities, natokana hanazavana ny tsara sy ny ratsin'ny Mondialy na Lalao Olaimpika avy amin'ny fijerin'ny (hoavin'ny) tanàna. Angonin'ny habaka ny vaovao avy amin'ny media, ny mpampianatra ary ny loharanom-baovao ka manao azy ho lisitra na lahatsoratra voatambatambatra, tahaka ny “Getting Realistic About the Economic Benefits of Hosting” [Mahatsapa ny Zavamisy Momba ny Tombontsoa Azo Amin'ny Fampiatranoana ‘lanonana’] (fanairana: tsy nitranga akory ny fahagagana ara-toekarena lazaina mialoha ny lanonana amim-pahazarana).

Milaza ireo mpikaroka fa tsy miezaka ny handrodana ny fanatanjahantena ry zareo. “We love football,” ilay habaka no manazava

We want to make it easier for journalists, sports, city and other enthusiasts to see the 2014 World Cup in its urban infrastructural and historical context. We hope that this will help stimulate more conversation about how sport can lead to better cities. 

Tianay ho mora azon'ny mpanoratra gazety, mpanao fanatanjahantena, tanàna ary ireo mpientanentana hafa ny mijery ny Mondialy 2014 eo amin'ny lafiny ara-panorenana foto-drafitrasa sy ara-tantara. Manantena izahay fa handrisika amin'ny fomba itondran'ny fanatanjahantena fifampidihana bebe kokoa amin'ny fanatsarana ny tanàna izany. 

Tokony hanantena ry zareo “hamaly ny hetaheta amin'ny fampivoarana ny tanàna mampiantrano sy ny filàna ara-potodrafitr'asa ao anatin'ny fotoana lavitr'ezaka ho laharam-pahamehana rehefa mampiantrano ny Lalao Mahafinaritra.”

Manana vaovao na fampahafantarana mendrika hozaraina amin'ny fandraisana ireny lanonana ireny ve? Ny Sport Better Cities dia mandray ny fandraisana anjara [avy aminao]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.