Nandatsa-bato Ny Afghan Na Dia Teo Aza Ny Korontana Nataon'ny Taliban

The Independent Election Commission is embroiled in a scandal following the 2014 Afghan vote. Photo via Wikipedia Commons

Voasaringotra tamina korontana taorian'ny fifidianana Afghan 2014 Ny Vaomiera Tsy miankina misahana ny Fifidianana. Sary tao amin'ny Wikipedia Commons

Araka ny filazan'ny Vaomiera Tsy miankina misahana ny fifidianana (IEC), Afgana fito tapitrisa no nandeha nandatsa-bato tamin'ny Asabotsy mba hifidy izay hisolo ny filoha Hamid Karzaï nandritra ny latsa-bato miafina ka hamaritra izay ho famindra-pahefana demaokratika voalohany eo amin'ny tantara Afghana. Vehivavy avokoa ny 40 isan-jaton'ireo mpifidy
 

Miaramila Afghan teo amin'ny 18 teo sy olo-tsotra teo amin'ny 76 no voalaza fa nisy namono nandritra ny fifidianana ary olona maherin'ny folo kosa nilaza fa notapahan'ny Taliban ny rantsa-tanan'izy ireo mba hanakanana azy ireo tsy handatsa-bato .

Toa hita fa tsy nahomby anefa izany fanakanana izany. Ahmad Shuja, mpikambana mpikaroka ao amin'ny Human Rights Watch [Mpanara-maso ny zon'olombelona] namariparitra ny fahavononan'ny olona nandeha nifidy:

Niezaka nanakorontana an'i Kabul tamin'ny balafomanga ny Taliban, nihovitrovitra ny tany raha nanomboka ny fandrotsaham-bato, saingy notoherin'ireo mpifidy mafy izany.

Ny vokatra voalohany izay andrasana hivoaka amin'ny 2 Jolay no hamaritra na i Abdullah Abdullah na i Ashraf Ghani no ho lasa filoham-pirenena. Hivoaka amin'ny 22 Jolay kosa ny voka-pifidianana feno. Mpanao gazety Afghana, Farzad Lami, nanipika ny maha-zavadehibe ny fifidianana tamina sioka maneho hevitra mazava:

15 taona lasa izay, tsy nanan-jò hanao izay akanjo tiany hanaovana ny mponina ao Afghanistan, anio handeha hifidy ny filohany izy ireo

Mbola mitoetra ny ahiahy mikasika ny hoavin'ny firenena. Naman'i Afghanistana avy ao amin'ny Asia Society, Ramin Anwari nanoratra hoe:

Naneho ny fahamatorany tamin'ny alalan'ny fandatsaha-bato ireo mponina an-tapitrisany tao Afghanistana , raha mba matotra tahaka izany ihany koa ireo mpanao politika amin'ny fanajana ny safidin'izy ireo (mponina)

Mpanao gazety ao amin'ny Voice of America, Zheela Jan nilaza ny iray amin'ireo mpifidy izay voalaza fa notapahan'ny Talibana ny rantsa-tanany:

Nilaza tamin'ny @ashnatv ilay lehilahy iray notapahan'ny Talibana rantsa-tanana tao Herat fa mbola manana rantsa-tanana 9 hafa izy hahafahana mifidy amin'ny fotoana rehetra tiany.

Miatrika olana maromaro i Afghanistan – ny fanohintohinana ny filaminana ataon'i Taliban, ny toekarena marefo, ny tsy fampiharana ny lalàna araka ny tokony izy ary ny kolikoly tafiditra lalina, raha tsy hilaza afa-tsy izay. Na dia izany aza, taorian'ny volana vitsivitsy nisian'ny fampielezan-kevitra sy ny fandraisana anjaran'ny betsaka tamin'ny fifidianana fihodidina voalohany sy faharoa, mazava tsara fa vonona handroso ny Afghan na dia eo aza ireo fanamby ireo.

Mijanona ho olana lehibe ny hala-bato, ary efa naneho ny ahiahiny manoloana ny filazan'ny IEC (Vaomieram-pifidianana) mikasika ny tahan'ny fandraisana anjara 7 tapitrisa ny fampahalalam-baovao sasany. Ankoatra izany, tratra niaraka vatom-pifidianana mbola tsy niasa ny mpiasan'ny Lehiben'ny Sekreteran'ny IEC, Zia-ul-Haq Amarkahil, izay nikasa hivoaka ny foiben'ny IEC. Efa misy ny komity natsangana hanao fanadihadiana mikasika ity raharaha ity. Nandà ny fiampangana azy rehetra i Amarkhail, izay voampanga ho nampiasa vatom-pifidianana hanohanana kandida iray manokana ary nilaza fa voambina izy.

Nandritra ny valan-dresaka hoan'ny mpanao gazety ny ampitson'ny androm-pifidianana, nangataka ny hanaovana fanadihadiana mikasika izany raharaha izany ny kandida Abdullah, mandrahona ny tsy hanaiky izay valim-pifidianana izy raha nisy tokoa izany. Naneho ny ahiahiny ihany koa manoloana ny hosoka ny kandida Ghani ary nangataka tao amin'ny Twitter ny hanaovana fanadihadiana :

Mila ny IEC sy ny ECC izahay mba hijery akaiky ny halabato…ary hanadihady momba izany – Dr. Ghani

Efa nangataka tamin'ireo mpifidy ny ekipan'i Ghani mba hifandray amin'izy ireo raha mahita na miahiahy tranganà halabato.

Hoan'ny rehetra – antsoy amin'ireto nomerao ireto izahay raha mahita trangana hosoka na fandikan-dalàna ataon'ireo mpanaramasontsika ianareo

Niseho ny fanafihana sy ny fifandonana teo amin'ireo mpanohana ny ekipa roa mpifaninana. Araka ny filazan'ny media ao an-toerana, nodarohan’ireo mpanohana an'i Abdulah ireo mpanohana an'i Ghani. Saingy nilaza ny kaonty Twitter-n'i Abdullah fa ireo lehilahin'i Ghani no mpihetraketraka [fa]:
 

Tsy vitan'ny hoe fihetsika tsy mendrika ny fanafihana miherisetra nataon'ny ekipa mpifaninana tamin'ireo mpanaramaso ny fifidianana avy aty aminay fa mifanohitra amin'ny fitsipika aman-dalàna mifehy ny fifidianana ihany koa.

Amin'ny 22 Jolay no hivoaka ny voka-pifidianana. Miankina amin'ireo kandika roa sisa tavela ny manapa-kevitra raha hanaja na hitsipaka izay valim-pifidianana izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.