VIDEO: Nalaza Haingana Dia Haingana Ny Nanafangaroan'ny Minisitra Zambiana An'i Barack Obama Amin'ny Boko Haram

A screenshot of the video showing Zambian Minister Nkandu Luo speaking at a solidarity march for the girls abducted by jihadist group Boko Haram. During the speech, she mixed up U.S. President's Barack Obama's name with Boko Haram.

Pikantsary tamin'ny video nampiseho ny Minisitra Zambiana Nkandu Luo nandray fitenenana tamin'ny diabem-piraisankina amin'ireo zazavavy nalain'ny jihadista Boko Haram ankeriny tamin'ny17 May 2014. 

Mifangaro matetika amin'ny fanampin'anaran'ilay mpitarika ny al-Qaeda efa maty antsoina hoe Osama bin Laden noho ny fitovitoviam-pandrenesana azy ny anaran'ny Filoha Amerikana Barack Obama. Fa raha ny hoe Barack sy ny Boko Haram? Ity angamba no voalohany. 

Niboredika tanteraka ilay minisitra zambiana Nkandu Luo nandritra ny diabem-piraisankina amin'ireo zazavavy 300 nalain'ny vondrona mpikatroka islamista ao Nizeria ankeriny notontosaina tamin'ny 17 mey. Ilay  Video izay nipongatra tao amin'ny aterineto dia mampiseho an'i Luo, izay minisitry ny lehibe sy ny raharaha nentin-drazana ao amin'ny governemantan'ny Filoha Michael Sata avy ao amin'ny Manda Tia Tanindrazana (PF), nikabary tamin'ireo mpanao diabe izay nivory tao amin'ny Foibe Sivika tao Lusaka:

[T]hings which we are doing here in Zambia to continue singing the song of peace, to continue campaigning for the girl children, that way all these criminals in the name of Islam the Barack O, Barack O, whatever, will not, aah, will not abduct our children.

Ny zavatra ataontsika eto Zambia manohy mihira ny hiran'ny fandriampahalemana, manohy ny fanentanana ho an'ireo zazavavy, amin'izay fotoana izao ireo jiolahy miteny amin'ny anaran'ny Islam, ry Barack O, Barack O, na iza izy ireo na iza, dia tsy haka an-keriny ny zanatsika.

Nihomehy tamin'ilay boredika i Luo, ary betsabetsaka ihany ireo olona nanatrika no nitokelaka tamin'ilay fahadisoana. 

Notaterin'ny the Post, gazety tsy miankina mpanohana ny PF [Manda Tia Tanindrazana], ilay tantara tamin'ny voalohany,  izay nilaza fa nifampipaika tanana ho fanalana azy tamin'ny lahatsary hita tao amin'ny tambajotran-tserasera ny olona. Tao amin'ny servisim-pandefasan-kafatra WhatsApp amin'ny finday raitra no tena nielezan'ny lahatsary.

Nikabary tamin'ireo olona tafavory ihany koa ny Vadin'ny Filoham-Pirenena Zambiana Christine Kaseba ary namoaka ny sariny tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Lapam-panjakana miantso ny famotsorana azy 300. Notsongaina ny teniny nilaza hoe:

Zambia's First Lady, Christine Kaseba pictured holding a handwritten

Vadin'ny filoham-pirenena Zambiana Christine Kaseba azo sary nitondra sora-baventy nataon-tanana “Bring Back Our Girls” [Avereno ny Zazavavinay]. Sary avy amin'ny pejy Facebook-ny lapam-panjakana.

Tell the world that we in Zambia care. We the Zambian Christians, Moslems, Hindus and Buddhists care because we in Zambia believe in peace.

Lazao amin'izao tontolo izao fa miahy i Zambia. Miahy isika Zambiana Kristiana, Miozolomana, Haindò ary Bodista satria mino ny fandriampahalemana isika eto Zambia

Tsy maintsy hoe nanesoeso an'i Luo, profesora mikrobiolojista lasa nanao politika, ihany ny Zambiana ao amin'ny Twitter.

Izany hoe tsy lalin-[tsaina?] ny profezorantsika Nkandu Luo. Boko haram na barak Obama dia efa ampianarina ilay profesora. Afa-baraka ny firenentsika..

Rehefa milaza ny Boko Haram ho Barak Obama ny Profesora Nkandu Luo. Matin'ny hehy. Ilay profesora mikrobiolozista vehivavy tokana eto amintsika.

“Barack O–, Barack O–…Na iza izy ireo na iza!”. Nkandu Luo, nahazo isa zero amin'ny folo. Lamokany

Mila ho faty mahita ny Prof i NKandu Luo tsy nahay nanavaka ny #BokoHaram sy #BarackObama rehefa nikabary tamin'ny vahoaka

Fa iza ireo jiolahy raindahiny Barack-O naka ny zaza ankeriny ireo e? Manana teny maventy ho azy ireo ny Profesora Nkandu Luo. A! na iza izy ireo na iza…

Tapatsinay tanteraka nijery ny sombin-dahatsary nahitana ny ‘fahadisoan'ny’ profesora Nkandu Luo nanonona ny Boko Haram ho Barack Obama

Ilay fahadisoan'i Luo angamba dia boredika tiany ilazàna fa tokony hanana anjara toerana lehibe amin'ny fampodiana ireo zazavavy nizeriana ireo ny governemantan'i Etazonia. Na gafim-pitenenana lasa tsinahy. Na izany na tsy izany dia efa lasa any amin'ny mpaka an-keriny – #BringBackOurGirls – aloha ny hafatra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.