I Jen Psaki, Fahavalo Voalohan'ireo Rosiana Mpampiasa Aterineto

Is US State Dept Spokesperson Jen Psaki Russia's new Enemy No. 1? Images mixed by Kevin Rothrock.

I Jen Psaki, Mpitondra Teny ao amin'ny Departemantam-panjakana Amerikana ve no Fahavalo voalohany vaovaon'ireo Rosiana? Sary natambatr'i Kevin Rothrock.

Tia manadrohadro ireo mpanao politika Amerikana ireo Rosiana mpampiasa aterineto . Nandritra ny taona maro lasa, ny Filoha Barack Obama no olona tena tian'ny RuNet asiana matetika, fa tato ho ato, nifindra tamin'ny olon-kafa ao amin'ny governemantan'i Etazonia ireo fanadrohadroana lavareny. Tsy ny Sekreteram-panjakana John Kerry, izay nifanandrina tamin'ny olona Rosiana mitovy asa aminy, Sergei Lavrov, nandritra ny volana maro momba ny olana mitranga ao Okraina, no olona vaovao kendren'ny Rosiana. Ary tsy ny Loholona John McCain— ilay lehilahy mahery, izay nampitambatra ireo mpanao fihetsiketsehana teo amin'ny Kianjan'ny fahaleovantena. Tsy ny Filoha Lefitra Joe Biden ihany koa, izay nanaiky toerana iray ao amin'ny fitantanana ao amin'ny orinasa lehibe indrindra tsy miankina mpamokatra entona ao Okraina.

Olona tsy dia miavaka firy loatra no valiny: i Jen Psaki izay Sekreteram-panjakàna sy Mpitondra teny .

Satria nivoatra ny kirizy Okraniana, i Psaki no nihàran'ny tsy fitiavana Amerikana ao amin'ny Runet, nanjary tratry ny sary maro namboarina ary lahatsary. Nalaza tamin'ny famoriana mpanao gazety isan'andro i Psaki, izay nahitana azy ho tsy dia nanana fahalalàna loatra, noho ny fanazavàny mikorotandrontana, ary nampiseho ny fahatezerany amin'ireo mpikaro-baovao ao amin'ny fandaharana Russia Today (RT) (Rosia Ankehitriny). Misy sary mifanjohy ao amin'ny tranokalany RT, mampiseho ny lazaina hoe ” zavatra tsy nety mahasaikatra indrindra” mikasika an'i Psaki, mampiseho mazava tsara ny fotoana nandritra ireo famoriany mpanao gazety, izay hadrohadroina sy tsikerain'ireo mpisera amin'ny aterineto.

Nahasarika manokana ny tao amin'ny aterineto ny roa amin'ireo fandrafetana tao amin'ny RT. Tamin'ny 12 May, nampangain'i Psaki ny fanaovana “carousel voting (mpifidy maro taterina hifidy amin'ny toerana samihafa)” nandritra ny fitsampankevi-bahoakan'ny mpisitaka tany Donetsk sy Luhansk. Raha nangatahan'ny mpanao gazety iray mba hanazavany ny dikan'io fiteny io anefa izy, tsy nahavita nanao izany i Psaki. (Tena efa zatra loatra io fangalaram-bato io ny Rosiana, izay notaterina im-betsaka tamin'ireo fifidianana solombavam-bahoaka tamin'ny taona 2011.)

Tsy noraharahian'ny media Tandrefana ny fahadisoana nataon'i Psaki, fa kosa, nampiasain'ireo masoivohom-baovao Rosiana izany tantara izany, entiny ho porofon'ny tsy fahaiza-miasan'ny Governemanta Amerikana.

Tamin'ny 10 Aprily, nilaza zavatra diso ary nanintsy avy hatrany ny tenany i Psaki, raha nilaza ireo topan'angovo ao Eorôpa.

Ary ny dikan'izany dia misy topana entona, entona voajanahary no tokony holazaiko, izay mandeha any anatiny, avy any amin'ny Eorôpa Andrefana mamakivaky an'i Okraina mankany Rosia, ary isika— na miala tsiny aho, mifamadika ilay fandehany— avy any Rosia mamakivaky an'i Okraina mankany Eorôpa Andrefana.

Tsy nihambahamba indray ireo famoaham-baovao Rosiana, nampiasa ny fahadisoana, nataony ho porofon'ny tsy fahaizan'ny Departemantam-panjakana misahana ny fifandraisan'ny Eorôpa sy Rosia.

Eo amin'ny aterineto Rosiana, efa tafiditra ao amin'ny fiainany andavanandro ho endrika fanta-bahoaka mihitsy i Psaki. Tsy faly amin'ny zavatra tena notenenin'i Psaki tokoa izy ireo ka misy ireo mpitoraka bilaogy sasany, tao anatin'izany fangalàna tahaka miendrika hatsikana izany nanao sarisarina filazàna tsy tena nisy, naminavina ny mety havalin'ilay mpitondra tenin'ny Departemantam-panjakàna mikasika ny vaovao sasantsanany. Nahitàna ny fihetsik'i Psaki, eo anoloan'ny fandresen'i Rosia an'i Etazonia amin'ny Fifaninanana Maneran-tany ny federasiona iraisam-pirenena amin'ny lalao Hockey eny amin'ny ranomandry.

Этот матч не имел ничего общего с настоящим хоккеем. В 21 веке нельзя играть в хоккей так, как будто на дворе век 20-й. Имперские амбиции сборной России наглядно продемонстрированы в самих методах ведения игры, как это было в худшие годы существования СССР.

Tsy misy itoviany amin'ny hockey tena izy io lalao io. Amin'ny taonjato faha 21, tsy afaka milalao hockey toy ny nilalaovana azy tamin'ny taonjato faha 20 ianao. Nampisehoan'ny ekipa Rosiana tamin'ny fomba filalaovany, ny finiavany mafy, tahaka ny nandritra ny taona ratsy indrindran'ny USSR (Firaisana Sovietika).

Maro tamin'ireo famoaham-baovao Rosiana no namerina nandika io fanambaràna io, indraindray, manadino hoe zavatra tsy tena nisy anie io fa sarisary natao fotsiny. 

Ny sasany nilaza fa tsy mahalala ny fototra farany kely amin'ny jeografia Eorôpeana akory i Psaki.

Raha misy fanafihan'ny Bielorosiana an'i Okraina, tonga dia halefa avy hatrany any amin'ny sisin'ny Belarosia ny andian-tsambo faha-6 an'i Etazonia.

Lasa fomba fiteny ho fampiasàna ny zavatra rehetra ny hoe “Psaki”, ho an'ireo Rosiana rehetra tsy tia ny politika ivelany ampiasain'i Etazonia (indrindra fa ny fidirana antsehatry ny Amerikana any Okraina). Ary mitombo hatrany ny fifantohan'ny Rosiana amin'ny Psaki. Tamin'ny 2 Jona, ny tranonkala Odnako, manohana ny Kremlin, nandefa lahatsoratra tamin'ny bilaogy mitondra ny lohateny hoe “Tany Vaovao Sahisahy, na ny Olana Psaki”, izay nilazan'ny mpanoratra fa nanamarina i Mayakovsky, ilay poeta milaza ny ho avy, fa ” olona faran'izay donto eran-tany” i Jen Psaki, ary fahitàna ny olana amin'ny fomba fijery Tandrefana eto an-tany ihany koa. Any amin'ny aterineto, misy matoanteny vaovao Rosiana: “psaknut’” (“to Psaki” na “Psakiing”), izay milaza toy ny hoe “milaza zavatra amin'ny habadoana nefa tena matotra sy mihevi-tena ho mahay.”

Androany, 5 Jona, miely any amin'ny RuNet ireo tatitra manamafy fa nesorin'ny Fanjakàna teo amin'ny toerany i Jen Psaki, ary nosoloiny an'ilay mpitondra teny lefitra Marie Harf. Toa hita fa tsy misy marina izany tsaho izany, izay toa niantomboka taorian'ny nanombohan'i Harf namory isan'andro ireo mpanao gazety tamin'ny June 3, fa kosa tsy nahasakana ireo Rosiana mpampiasa aterineto tsy hanenika ny Twitter amin'ireo fanehoany ny alahelony ny amin'ny nahaverezana olona fanta-bahoaka mampiala voly azy ireo izany. Anarivony no nandefa hafatra niaraka tamin'ny tenifototra “#SavePsaki,” (vonjeo i Psaki) mody manohana ilay fahavalo laharana 1 ho an'ny RuNet.

Na dia ny Masoivoho Maharitry ny Firenena Mikambana ao Rosia, Vitaly Churkin, aza nananihany androany, nilaza tamin'ireo mpanao gazety fa na izy aza “tsy mahalala hoe aiza ny nalehan'i Psaki” nefa manantena izy fa “hipoitra indray” izy, satria hitany foana hoe “mahafinaritra ny nihaino azy niteny.” 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.