Nitondra Fifaliana Ny Fandaharana Amin'ny Onjam-peo Momba Ny Fahasalaman'ny Saina

Radio Los Inestables. Foto por Sol del Carpio.

Onjam-peo Los Inestables. Sary avy amin'i Sol del Carpio.

Fanamarihana avy amin'ny Rising Voices: Ity lahatsoratra ity dia angona fihetseham-po mikasika ireo zava-niainan'ny olona tafiditra tamin'ilay tetikasam-piarahamonina Radio Los Inestables [Radio Tsy Mitombina], izay notohanan'ny Rising Voices.

Azo renesina ao amin'ny tokontaniben'ny hopitalim-paritra mitsabo ny aretin-kozatra aman-tsaina (neuropsychiatrique) ao  an-tanànan'i Córdoba, Arzantina ny Radio Los Inestables. Mampiasa ny teny ho toy ny fitaovam-piadiana ny mpandray anjara rehefa miaro, mitolona ary mamorona tontolo ifampizarana fifaliana. Naparitaka fatratra ny fanasana mba hiarahan-dalana amin'izy ireo: Andeha ry namana, tongava manatevin-daharahana anay ry zalahy a!

Juan miresaka amintsika:

Es una alegría de participar, oír y trabajar en Los Inestables, porque he tenido muchos problemas y gracias a esta radio, que es un medio que comunica al pueblo, quería agradecer por la hermosa libertad de expresión, y estoy con mucha alegría.

Fifaliana ho ahy ny mandray anjara, mandre sy miara-miasa amin'ny Los Inestables, satria nanana olana marobe aho ary noho ity onjam-peo ity, izay fitaovam-pifandraisana mitodika any amin'ny vahoaka, tiako ny misaotra anareo tamin'ny fahalalaham-pitenenana mahafinaratra; faly tokoa aho eto.

Niteraka fitomboan'isan'ny fihaonana virtoaly ahafahan'ireo olona miresaka, mizara sy miadihevitra mikasika ny tombontsoa iombonana sy ny ahiahy mikasika ny fahasalaman-tsaina ilay filalaovam-pandaharana an'onjam-peo ary resahina ao ihany koa ireo lohahevitra mifandraika amin'ny fiainana andavanandro. Adiny roa isan'andro no hanatontosana ny fandaharana ka ahitana ny fandraisana anjaran'ireo marary eny amin'ny hopitaly, ireo marary teo aloha, ireo marary any ivelany, ireo mpiasan'ny hopitaly, ireo mpianatra avy amin'ny sampana oniversite isan-karazany ary ireo mpanakanto sy mpikambana ao amin'ny fiarahamonina ao an-toerana. Havoakan'ireo onjam-peon'ny fiarahamonina isan-karazany avy eo ny fandaharana.

Ny mandrafitra sy mampaharitra ity sehatra manokana ity dia ny fandraisana anjara mavitrika avy amin'ireo tafiditra amin'ny tetikasa: maka indray ny herin'ny teny izy ireo ary mamoaka izany hoan'ny mpihaino marobe, mampiseho ny fahalalaham-pitenenana sy ny fifandraisana. Tsy mahagaga ny Radio Los Inestables raha lasa fampitan-kafatra sy hafatra avy amin'ny feon'ireo nangina nandritra ny taona maro sy azo renesina amin'izao fotoana izao. Araka ny nolazain'i Mariana hoe:

Nadie les dice ‘tenés que ir al taller de radio’, le gente vuelve sola porque le gusta, porque es un espacio abierto, es tranquilo, es democrático, es pluralista. Porque se puede decir de todo, y se puede discutir.

Tsy nisy nilaza tamin'izy ireo hoe “tsy maintsy mankany amin'ny atrikasan'ny radio ianao.” Niverina ireo olona ireo satria izay no tiany, ary satria koa sehatra misokatra, milamina, demaokratika ary ivoahan'ny hevitra samihafa ao. Satria afaka milaza izay tianao ianao, ary afaka miresadresaka.

Tsy ny famoahana ny hevitr'izy ireo amin'ny alalan'ny onjam-peon'ny fiarahamonina ihany no ataon'ireo mpandray anjara, fa fandravana ny sakantsakana sy fampahafantarana ny fisian'izy ireo amin'ny alalan'ny tononkalo, tantara sy hira ihany koa. Tonga hatrany any amin'ireo faritra manodidina ny tanànan'i Cordoba mihitsy izy ireo, mizara ny maridrefin'ny onjam-peo sy ireo fisantaran'andraikitra ara-javakanto ary mandrisika ny olona mba hanontany (tena) momba ireo fitsaratsarana an-tendrony mampifandray amin'ny aretin-tsaina. Niara-dalana tamin'izy ireo ny murgas, mpanosodoko amin'ny rindrindra, tarika mpihira, mpibitsika an-dalambe ary mpanakanto manao fampisehoana mampitolagaga – izay miantoka fa rehefa tonga ao amin'ny tanàna iray ny onjam-peo, dia lasa misy fety ao. Ny fanatontosana ny amin'ny toerana ankalamanjana no manampy amin'ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin'ireo mararin'ny aretin-tsaina sy ny fiarahamonina ary mandrisika ihany koa ny ezaka ifarimbonana miaraka amin'ireo fikambanana ara-tsosialy.

Ity tetikasa ity dia taratry ny finoana fa vokatra tsy hahazoana zo fotsiny ihany ny maha-olom-pirenena fa tena mahafantatra ny fisian'ireny zo ireny tsara koa ry zareo. Afaka mandray anjara amin'ny fananganana sy ny fanovana ny zava-misy iombonana ny olona rehefa miara-miasa amina sehatra azo hanaovana fifanakalazom-baovao sy ny fifandraisana malalaka .

Satria «manana ny lanjany ny tsirairay avy, ary indrindra rehefa tafaraka isika”, antony ampy izany hametrahana traikefa mahafinaritra ho vatofanorenan'ny fiarahamonina marina sy hiarahan'ny rehetra tsy ankanavaka miaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.