Fomba Fiteny Venezoeliana Miavaka, Ravahana Sary Sy Nadika Tamin'ny Teny Anglisy

Ao amin'ny bilaogy Venezuelan Sayings, ilay mpandravaka an-tsary Daisy Patton, no mamorona sary maneho ireo fiteny Venezoeliana sy mandika izany amin'ny teny Anglisy. Amin'ny fanehoana an-tsary ataony ny mpamaky no mahita ny fomba fijeriny manokana mikasika ireo ohabolan-drazana voaravaka loko sy hatsikana, ary izany no maneho fomba fijery iray ny kolontsaina ary mikaroka te-hahafantatra iray hafa amin'ny alalan'ny fampiasana fiteny mahazatra.

Tamin'ny lahatsoratra bilaogy, nanazava i Daisy hoe:

My Venezuelan husband often uses colloquialisms from his culture to describe situations we find ourselves in. These are my illustrations of them. Consider them “más criollo que una arepa” [“more local than an arepa“]

Matetika mampiasa fomba fiteny mahazatra avy amin'ny kolontsainy ny vadiko izay Venezoeliana mba hamaritana izay toe-javatra hitanay sy iainanay. Ireo ny fandravahana azy an-tsary nataoko. Hevero ho “más criollo que una arepa” [avy amin'ny faritra kokoa miohatra amin'ny arepa ».

Nikarajia imailaka tamin'i Daisy ihany koa izahay. Tao izy no niresaka zavatra vitsivitsy momba ny fananganana ny bilaoginy sy ireo olana sy fifaliana amin'ny fandikana tsy ny teny ihany fa ny zava-misy manodidina ilay teny (contexte) ihany koa:

I've been with my husband for almost 8 años [years], and he would frequently translate dichos [sayings] into English, leaving me very confused. Because the Venezuelan sayings are so distinctive, I started writing them down to share with our friends, since they seem so different but wonderfully imaginative. The project has grown from just being the refranes he's said to suggestions from Venezuelans all over the world now. I see it now as a collaborative project that is collecting this cultural ephemera, with the understanding that I'm of course an outsider looking in.

Efa ho 8 taona izao no niarahako tamin'ny vadiko, matetika izy te-handika ireo fiteny Venezoeliana amin'ny teny Anglisy, izay mahatonga ahy ho sahiran-tsaina. Noho ny fiavahan'ny fomba fiteny Venozoeliana, nanomboka nanoratra izany (fiteny Venezoeliana izany) aho mba hozaraina amin'ireo namanay; satria tahaka ny hafa mihitsy izy ireny ary misy asa-saina mahay mamoron-javatra mahafinaritra koa. Nivoatra ny tetikasa ankehitriny satria raha niainga avy amin'ireo fomba fitenin'ny vadiko dia efa ahitana ireo soso-kevitra avy amin'ireo Venezoeliana manerantany izany ankehitriny. Hitako ho toy ny tetikasa ifarimbonana izy ankehitriny ka manangona ireo kolontsaina miserana vetivety, ary mahafantatra tsara tokoa aho fa toy ny vahiny mpijery avy aty ivelany.

venezuelansayings046.psd

Sary nahazoan-dalana avy amin'i Daisy Patton.

Mikasika ny asa fandika-teny, hoy i Daisy:

It's hard to explain puns, slang, or things that reference something historically or locally known, like games, locations, or historical figures, regardless of language. Much of the time, when my husband Enrique has said a dicho [phrase], I have no idea what he means at all without some explanation (such as me dieron gato por liebre/I was given cat instead of hare), while others make sense once you hear them (like la última coca-cola del desierto/last Coke in the desert).

Na teny inona na teny inona, sarotra ny manazava ireo kilalaon-teny, fitenin-jatovo na zavatra mifandraika amin'ny tantara na amin'ny faritra iray manokana, tahaka ny lalao, toerana, na olo-malaza ara-tantara. Matetika rehefa mampiasa fomba fiteny [fehezanteny] ny vadiko Enrique, dia tsy fantatro mihitsy izay tiany ambara raha tsy misy fanazavana (tahaka ny hoe me dieron gato por liebre/ saka no nomena ahy fa tsy bitrodia, ny fomba fiteny sasany kosa somary mazava ihany rehefa mihaino azy ianao (tahaka ny hoe última coca-cola del desierto / Coca farany aty amin'ny tany ngazana).

Mikasika ny fahasamihafana sy ny karazan'ny fehezan-teny, naneho hevitra tahaka izao i Daisy:

I've learned a great deal about how variable and interesting Venezuelan culture is just from [the variety of sayings]. Anything from exact meaning, to wording, can be slightly or completely different, depending on generation and location. I've had many people contact me to either tell me that I was wrong, or that they've never heard of one, or that they're common in other Latin American countries (which makes sense). In some posts, I've literally had someone state that the saying was incorrect or didn't exist and another five people sharing it and stating how they use it all the time and thought it was hilarious!

Naharay zavatra maro momba ny hamaroana sy ny mampahaliana ny kolontsaina Venezoeliana aho [amin'ny karazan'ireo fomba fiteny fotsiny]. Mety miova kely na miova tanteraka arakaraky ny taonan'olona sy ny faritra ny tena dikan'ireo voambolana apololotra. Marobe ireo olona mifandray amiko no milaza amiko fa na diso ny zavatra lazaiko na mbola tsy reny mihitsy, na iraisana amin'ireo firenena Amerikana-Latina ihany (izay misy dikany tokoa). Amin'ireo lahatsoratra sasany, misy olona mifandray an-tsoratra milaza amiko fa diso ny fomba fiteny na tsy misy mihitsy ary olona dimy hafa kosa mizara izany sy milaza ny fampiasany izany matetika satria heveriny fa mahatsikaiky!

venezuelansayings054.psd

Sary nahazoan-dalana avy amin'i Daisy Patton.

Tsy mitsahatry ny mahazo soso-kevitra ilay mpanakanto an-tsary mba hanohizany amin'ny fandravahana an-tsary sy handika fehezanteny hafa maro. Amin'izany, ankotrihina (mis à jour) matetika ny bilaogy ary mirafitra miandalana ho fandraisana sary miavaka izay nampiasaina sy niely tamin'ny resadresaka avy amin'ny faritra samihafa manerana ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.