Taorian'ny Famonoana Ilay Tomponà Hotely, Miaro Ny Sarin'ny Fireneny Ireo Saint Lucians

 Nahatonga adihevitra tao amin'ny Saint Lucians Aiming for Progress na Saint Lucians Mikendry Fandrosoana, fikaonandoha amin'ny Facebook, ny namonoana ilay mpanankarena tomponà trano fandraisam-bahiny tany Saint Lucia.  Nifantoka tamin'ny fomba fijerin'ny vahiny (ilay olona nirahan'ny famonoana tao amin'ilay nosy ny adihevitra, Oliver Gobat, teratany Britanika manam-pifamatorana amin'i St Lucia) sy izay mety ho fiantraikan'izany amin'ny fizahantany. 

Ny hery nanosika ny fifanakalozan-kevitra tety anaty aterineto dia andianà lahatsoratra hita tao amin'ny gazety Daily Mail tany Angletera. Maro tamin'ireo mpaneho hevitra no difotry ny alok'ireo fanambaràna ny lafiratsy natao momba ilay nosy- ary izany aza angamba no mety ho anton'ilay famonoana- na izany ao anatin'ny tsanganana natao ho an'ny fanehoan-kevitra, na ny avy amin'ireo mpiray tanindrazana.  Ny sasany kosa milaza fa tsy mila miaro tena loatra ny Saint Lucian fa hijery tsy miangatra ny zava-nisy.

Ninoan'i Dinesh Daswani fa andraikitry ny Saint Lucians ny manova ny fijery momba ny nosy :

Tsy azo sakanana amin'ny fomba fijeriny na ny fanoratany tsikera ratsy ny olona… ny hany azo atao dia ny mampianatra azy ireo sy ny mamaly azy hanaovana izay hamadihana izany ho miabo.  Tsy azo ovana izay voasoratra fa mety hanova ny fihetsiny ny valinteny manome antoka azy. Nianarana avy amin'ny mendrika indrindra tamin'ny fandraharahana izany !

Tsy heverin'i Dianne Leslie fa dia ratsy toy inona akory ny fiheveran'ny any ivelany ny nosy :

Heveriko fa ny famadibadihana ambony ambany ny tsikera no tsy ampy eto. Tsotra loatra ireo fanambarana sasany. Miasa miaraka aminà vehivavy izay vao avy namandrika an'i St.Lucia (olona 30) hanaovana ny fankalazana ny fanambadiana aho. Nanao izay rehetra fikarohana izy, namaky momba ny fitombon'ny heloka saingy  tsy mahatsiaro ho voarahona amin'izany…'misy vonoan'olona daholo na aiza na aiza, fa tsy misy [ratsy] ohatra ny any DC’. Izany no fihetsika ankapobeny amin'ny resaka vonoan'olona any Karaiba amin'ny zavatra efa hitako.  Tsy midika izany fa tsy manana olana izahay, fa amin'io zavatra voalaza io dia azo tantanana izany, ary tsy ny vonoan'olona no tonga voalohany ao an-tsaina rehefa St Lucia no resahana. Tsy te-ho tonga amin'izany zavatra izany izahay. 

Tsapan'i Andy Dolcy fa ny tsy fahalalàna no fototr'ireo tsikera miiba :

Mety hahazo tskera tahaka ity foana ianareo satria misy ireo olona notezaina tsy hahalàla ary tsy hiova hevitra momba ity tany kely an-dàlam-pandrosoana ity. Heveriko fa mandresy lahatra ny tontolo ny masoivohon'i St Lucie any Londra sy ireo any an-kafà rehetra hoe tsy izany ny tena zava-misy marina ao amin'ny taninay.

Nanome soso-kevitra i Michael Oliver Theobalds hoe ny heloka bevava any Angletera no tokony hahasarika bebe kokoa ny saina : 

Mpianatra iray 15 taona namono mpampianatra iray tamin'ny tsakok'antsy teo imason'ny mpianatra hafa tao amin'ny sekoly iray tao Leeds. Angamba tokony hifantohan'ny Daily Mail bebe kokoa ireo onjanà vonoan'olona any Angletera. Efa nanana tsy fitiavana  manokana an'i St Lucia hatrany io gazety io. Tsy fantatro hoe nahoana fa ho fanafohezana ny làlana … ‘ndeha hanantena fa maro amin'ireo anglisy mora tohina ireo no ho afaka hahita izany amin'ny alàlan'izy ireo. 

Lazain'i Cha Cox-Jules fa heverina ho ratsy avokoa ny heloka be vava rehetra, tsy ahoana izay toerana nisehoany : 

 Ratsy ny heloka. Teboka famaranana! tsy misy ‘raha’ na ‘nefa’ na ‘angamba’ ny momba izany, fantatsika rehetra fa ratsy izany!  Maty novonoina tany an-tanin'olona tamin'ny fomba mahatsiravina ny St Lucian! Naolana! norobaina! Nefa tsy mbola nahenoana olona avy aty amintsika niteny izany zavatra ratsy momba ireo firenena izay nisehoan'izany. Efa imbetsaka rehefa misy fanehoankevitra adaladala tahaka izany no ianarantsika mandray kapoka amin'ny maha-olon-dehibe ny ankamaroantsika sy anandramantsika maneho fa hafa isika, tsy amin'ny alàlan'ny fifandirana sy ny fifampihantsiana isika samy isika anefa. Olona misaina ara-dalàna isika fa mila mianatra mifehy ny tenantsika. Matetka rehefa manoratra itony fanehoankevitra tsy marina sy diso itony ny olona dia mandratra mafy ry zareo.

Ary nofaranany :

Noho izany…. Raiso ny kapoka ary aza ahoana akory izay fanehoankevitra adaladala ! Fantatsika rehetra fa ny sasany amin'ireo frenena erantany ireo no tena mpanao herisetra izay  manandrana sy miady, noho izany, alohan'ny hitrangan'ny zavatra kely tsy misy dikany dia ho avy eo ry zareo ary hanely fanentanana ampy fanadihadiana tsara na tsia. Mety ho olona avy any amin'ny volana no tonga nanao ilay heloka bevava tany St Lucia, ny zava-misy hoe tao St Lucia no nanaovany izany, dia efa St Lucian izy, saingy tadidio fa raha tany amin'ny tanin-dry zareo izany dia ho ambaran-dry zareo mazava tsara ny planeta niaviany, dia amin'izay tahaka ireny tsy misy zava-dratsy ireny velively any amin'ny taniny.

Ninoan'i Longly Francois fa raha ny marina ny famahana betsaka ny olan'ny heloka bevava no mety hamerina indray ny fahatokiana amin'ny fahazoana antoka ny nosy :

Izay tsy maintsy natao dia ny mampiseho amin'ny fitomboan'ny heloka bevava aty amintsika hoe  mitombo araka izany koa ny olana voavaha. Ho asehon'io fa tsy misangy amin'ny heloka bevava isika ary omentsika toky ihany koa ny mpitsidika fa raha misy adala mitady hanova ny fialantsasatr'izy ireo ho nofy ratsy dia ho faizina izy.

Mampitandrina amin'ireo resaka tsy marim-pototra i Allan Amedee :

 Mampitandrina amin'ireo endrika resaka tsy marim-pototra rehetra aho. Na izany aza anefa dia zanaka lahin'ny hafa foana izy, rahalahy, ray ary olon-tiana. Indraindray izahay Lucian dia tia mampiasa basy sy manala baraka ny nosinay mahafinaritra. Olana iray eto amin'ny firenena io izay hitako ho tsy lanin'ny vavoniko. Mety tsy ho ny tsara indrindra i Lucia nefa, azo antoka fa  tsy ny RATSY INDRINDRA ihany koa.

Amafisin'i Grand Anse fa na tsy raisina aza ny antsipirihan'io raharaha io, ny hoe izy nitranga tao St Lucia fotsiny dia efa hisy fiantraikany ratsy amin'ny fiheverana ny nosy:

Fa na ahoana na ahoana, hisy voka-dratsiny amin'i St Lucia foana io vonoan'olona io, fa tsy maintsy mavitrika isika amin'ny fiatrehana izany, tsy amin'ny resaka fanadihadiana ihany, fa amin'ny endrik'i St Lucia ihany koa, ary ny fomba fiatrehantsika ny heloka bevava amin'ny ankapobeny. Ho an'i Antigua, mba hahazoana indray ny laharany dia tsy maintsy mametraka fepetra henjana sy fampiharana ny lalàna tsara izay hitondra tombontsoa ho azy ho an'ny firenena amin'ny ankapobeny.

Ary nofaranany:


Mandritra izany fotoana izany dia misaona sy iharan'izao karazan-dresaka tsy marim-pototra rehetra izao ny fianakaviana sy ireo namana. Avelao ho azy ireo ny fiadanana sy ny fahamendrehana izay irintsika ho antsika ihany rehefa anatin'ny toe-draharaha mampalahelo toy izao, tsy misy tsaho. Antenaiko fa hiseho masoandro ny zava-nisy, raha mbola eo an-dalam-panatontosana azy kosa ny fanadihadiana, antenaiko fa handray fepetra mba tsy hisian'ny voka-dratsiny amin'ny toekarem-pirenena  sy hisoroka ny loza tahaka ireny amin'ny hoavy ireo rehetra tafiditra amin'ny resaka fizahantany sy izay sehatra mifampiankina aminy. Betsaka ny asa mila vitaina miandry antsika rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.