Mahatsiaro Ny Loza Nitranga Tamin'ny Lalao Baolina Kitra Tao Limà, 50 Taona Lasa Izay

EstadioLima

Kianja Nasionaly ao Lima, ny 24 May 1964. Sary avy amin'ny mpampiasa ny Flickr leondeurgel. CC BY-NC-ND 2.0.

Dimampolo taona lasa Izay, ny kianja nasionalin'i Però ao Limà no toerana voasokajy ho nitrangan-doza ratsy indrindra tamin'ny kianja filalaovana baolina kitra hatrizay, olona 320 no maty tamin'izany ary 500 no naratra. 

Tamin'ny 24 May 1964, nandresy tamin'ny isa 1-0 ny ekipa nasionalin'ny Arzantina nandritra ny lalao fifantenanana ho amin'ny Lalao Olaimpika tany Tokyo. Roa minitra tsy hifarànan'ny lalao, nahafaty baolina teny ampanidinana ny ekipa Peròviana izay nolavin'ny mpitsara Orogoaiana Angel Eduardo Pazos. Naharomotra ireo mpankafy io fanapahan-kevitra io, nitsambikina nihoatra ny fefy mihintsy i Víctor Vásquez, izay fantatra tamin'ny anarana hoe “Negro Bomba” (Baomba mainty). Nanaraka azy ireo mpankafy maro, saika hidaroka ilay mpitsara lalao. Teo ankilany, navotsotr'ireo mpitandro ny filaminana ireo alika, izay tonga dia niantsampy teny amin'ireo mpankafy.

Lasa nifamono tamin'ny hazo sy zavatra maranitra ireo mpanotrona ny ekipa roa, izay samy nilamina tsara teo ampijerena ny lalao, minitra vitsy teo aloha. Nandefa baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana mba hampilamina ny raharaha. Anjatony ireo saika nitsoaka ny kianja noho ilay baomba fa tsy afaka, satria nihidy ny varavarava tany amin'ny faritra avaratra, ka voahidy tao anatiny tao ireo vahoaka. Nohidian'ny mpitandro ny filaminana mihintsy ireo varavarana ireo raha ny marina, niezaka ny namerina ny filaminan'ireo mpijery izy ireo ary namerina azy ireo teo amin'ny toerany.

Portada Gráfico

Fonon'ny El Gráfico, gazetikìboky momba ny fanatanjahan-tena ao Arzantina. Sary avy amin'i leondeurgel,  mpampiasa Flickr . CC BY-NC-ND 2.0.

Nosamborina i Víctor Vásquez roa andro taty aoriana. Ny lehiben'ny mpitandro ny filaminana Jorge de Azambuja, iray tamin'ireo nandray anjara betsaka tamin'iny loza iny, nilaza toy izao taty aoriana “nanome baiko ny handefasana baomba mandatsa-dranomaso teny amin'ny toeran'ny mpijery aho. Tsy afaka ny hilaza aho hoe firy ny isany. Tsy noeritreretiko mihintsy ny loza mety hitranga vokatr'izany.” Tsy nisy sazy nomena an'ilay lehiben'ny mpitandro ny filaminana Azambuja na ilay mpitsara lalao Pazos, izay mbola nanohy ny asany tao Orogoay ihany.

Fandehanan-drà anaty sy fahasemporana no anisan'ny nahafaty ireo tra-doza maro tamin'iny, ary teo amin'ny faritry ny tohotra ny ankamaroany. Avotra kosa ireo izay nijanona teny amin'ny kianja. Teny amin'ny làlana manakaiky io, trano sy fivarotana maro no potika.

Manome antsipirihany [es] mikasika ny zavatra nitranga tamin'io fotoana io ny bilaogy “Curiosidades del fútbol” (Fitia te hahalala ny momba ny baolina kitra):

El árbitro uruguayo Angel Eduardo Pazos había concedido el gol en primera instancia,pero ante las reclamaciones airadas de Perfumo lo había invalidado.La grada peruana estaba en plena ebullición ante el desenlace de aquella jugada.Es a partir de aquí cuando comienza toda la desgracia.

Neken'ilay mpitsara lalao Orogoaiana Angel Eduardo Pazos ihany aloha tamin'ny voalohany ilay baolina maty, fa nolaviny indray taorian'ny fitarainana nataon'i Perfumo [Roberto – Arzantina ]. Nanangan-tsandry ny mpijery Peròviana taorian'io fanapahan-kevitra io. Nanomboka teo no niseho ny zavatra nahamenatra sy nampalahelo rehetra.

Eo ankilany, ny bilaogy Jorge de Jesús Kbdto [es] nizara ny niantsoan'i Héctor Chumpitaz azy iny. Mpilalao baolina kitra Peròviana tao amin'ny ekipa nasionaly i Chumpitaz, io andro io tao amin'ny kianja nasionaly:

Regresando hacia nuestro lugar de concentración íbamos escuchando la radio y hablaban de 10, 20, 30 muertos. Cada vez que salían las noticias el número aumentaba: 50 muertos, 150, 200, 300, 350….
Después que llegamos a los vestuarios hubo personas que salieron y cuando regresaron nos contaron que había dos muertos. ¿Dos muertos?, preguntamos, pensando que uno ya hubiera sido demasiado.

Raha niverina tany amin'ny toerana fivoriana alohan'ny lalao izahay, naheno tamin'ny radio izahay ary nilaza fahafatesana olona 10, 20, 30 izy ireo. Nalefa matetika ny vaovao, nitombo hatrany ny isa: 50 no maty, 150, 200, 300, 350….
Tamin'ny fotoana nahatongavanay tany amin'ny toerana fisoloana akanjo, nisy olona nivoaka ary nilaza anay hoe nisy maty roa. Nanontany izahay hoe : maty roa? nieritreritra mantsy izahay fa efa betsaka aza ny iray.

Ny bilaogy Historia, tradición y fútbol [es] kosa nitanisa tranga hafa niseho tao amin'io kianja io ihany ary namakafaka ireo anton'iny tranga niseho tamin'ny 24 May 1964 iny:

Para entender la tragedia, no debe recurrirse exclusivamente a factores netamente futbolísticos o deportivos –como el error humano de tener cerradas las puertas de acceso al estadio, el fanatismo del embriagado Víctor Matías Campos Vásquez, alias “negro Bomba”, o las desacertadas medidas policiales de arrojar gases lacrimógenos a las tribunas Oriente y Norte. Hubo otros factores que explican la descomunal cantidad de muertos y se encuentran más allá de lo meramente futbolístico.

Mba hahazoantsika iny loza nitranga iny, tokony tsy hifantoka be loatra fotsiny amin'ny resaka baolina kitra, na ny fanatanjahan-tena isika – jereo ny hadisoan'ny olona nanidy ny varavarava fidirana, ny fitiavana diso tafahoatra sady tao anatin'ny hamamoan'i Víctor Matías Campos Vásquez, izay antsoina hoe “negro Bomba”, na koa ny fepetra tsy amim-pieritreretana nataon'ny mpitandro ny filaminana toy ny hoe nanipy baomba mandatsa-dranomaso tany amin'ireo fipetrahana tany amin'ny faritra atsinanana sy avaratra. Maro ny antony hafa manazava ny fahafatesana maro be, izay tsy miankina fotsiny amin'ny resaka baolina kitra.

Maro ireo nahatsiaro io datin'andro io tao amin'ny Twitter, ary nizara sary maro sy ny fomba fijeriny avy:

Toy izao ny fomba nitantaran'ny mpilaza vaovao ny loza nitranga tao amin'ny Kianja Nasionaly.

Fijoroana vavolombelon'ny mpijery iray avotra nandritra iny loza iny tao amin'ny Kianja Nasionaly (LAHATSARY)

Toy izao ny fomba nitantaran'ny mpilaza vaovao ny loza nitranga tao amin'ny Kianja Nasionaly: Ny tantara nampalahelo tamin'ny 24 May 1964…

Mitsingerina androany ny faha 50 taona nisian'iny loza iny tao amin'ny Kianja Nasionaly. Hita fa toa mbola tsy nandray lesona tamin'ireo hadisoantsika ihany isika. Ataovy TSIA ny herisetra amin'ny lalao baolina kitra.

Mahamenatra! Nampanofain'ny governemantan'i Però nanaovana fety rindran-kira “salsa” ny Kianja Nationaly androany, amin'ny andro fitsingerenan'ny faha 50 taonan'ilay loza lehibe indrindra nitranga tamin'ny tantaran'ny baolina kitra: nahitana olona 320 maty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.