Fanamby : Nanala Ny Voaliny Ny Vehivavy Iraniana

Nihaika nanala ny voaliny ireo vehivavy mpikatroka mafana fo manerana an'i Iran mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny governemanta amin'ny vehivavy. Efa mahatratra eo amin'ny 320 000 isa sahady ny mpanohana ilay fanentanana amin'ny fiteny karazany roa “آزادی های یواشکی زنان در ایران” na “Fahafahana indray mipi-maso ho an'ny vehivavy Iraniana” taorian'ny roa volana nisiany. Manasongadina ireo vehivavy Iraniana manerana ny firenena manaisotra ny voaliny ilay fanentanana, fihetsika iray mety hiatrehan'izy ireo olana henjana araka  Andalana faha 638 amin'ny lalàna Iraniana milaza hoe : ” Ho voaheloka an-tranomaizina folo andro ka hatramin'ny roa volana, na handoa onitra dimanjato ka hatramin'ny dimy alina Rials ireo vehivavy, miseho eny amin'ny toerana ho an'ny daholobe sy eny an-dalambe nefa tsy misarona voaly silamo.”

Nisy ireo nisafidy ny hanakona ny endriny ary ireo nisafidy ny hampiseho izany.

Amin'ity lahatsary nozaraina teo amin'ny “Stealthy Freedom” ity, vehivavy iray nisafidy ny handeha an-tongotra niala teo an-tranony hatrany amin'ny banky iray eo akaiky eo, tsy nanao ny saron-dohany:

 

Ho an'i Masih, Manahoana
Nalain'ny vadiko ity lahatsary mikasika ahy ity, izay ahitana ahy mandeha an-tongotra miala eo amin'ny varavaran'ny tranonay ka hatreny amin'ny banky Mellat eo akaiky eo. Nahafinaritra ny fihetsiky ny olona. Nisy lehilahy iray nandray ny tànan'ilay vehivavy niaraka taminy ary nanova ny làlany izy ireo. Afaka hitanao kely ao anatin'ny lahatsary izy ireo. Mpitantana fivarotana iray nanontany raha alainay ho an'ireo televiziona iray mandeha amin'ny zanabolana io. Niresaka taminy ny vadiko any amin'ny farany ka mahatonga ilay lahatsary ho tsy indray mipi-maso intsony.

Nanazava izy hoe:

My husband recorded this video of me in which I walk the distance between our house door and the nearby Mellat bank. People's reactions were marvelous. A man took hold of the hand of the woman with whom he was walking and changed their direction. You an see them a little bit in the video. A shop keeper asks whether we are recording it for a satellite TV channel. My husband talks to him in the end and this makes the video less stealth.

Ireto misy ohatra maromaro mampiseho ireo vehivavy mankahatra ny fandraràna – any amin'ny tany efitra, eny an-dranomasina, eny akaikin'ny farihy ary eny amin'ny lalamby.

 

Izao ny fotoana voalohany nahitako ny tany efitra. Raha nitaratra mba hanome haja ny hatsaràny ny masoandro, noesoriko ihany koa ny saron-dohako mba hahitany ihany koa fa tsara aho.
.
Nahafinaritra ny niaina izany.. Tsy nisy …tahotra aho tany an-tany efitra.. niaraka tamin'ny lohako tsy nirakotra tany an-tany efitra.

 

ary ny fifampizarànay ny ranomasina!
Namak-Abrood

 

Ny fahafahako indray mipi-maso tao Mazandaran …

 

Zarrin-Dasht, tsy dia lavitra loatra an'ny Mazandaran, telo volana nialoha ny nandaozako an'i Iran.
Tsapa ho tsaratsara kokoa ny mamela ny voloko hikirazorazo ao an-tanindrazako.

 

Zon'ny tsirairay ny hanana fahalalahana! Fahalalahana…hafaliana…ny loko rehetra …dia zon'ny vehivavy Iraniana tsirairay
.
Zo ny fahalalahana; ary mila hiadiana sy azo noho ny tolona ny zo ! Satria tsy hatolotra anao mihintsy ireo. Noho izany, isika mihintsy no mila maka izany

nalaina teo amoron-dranomasina, fananam-panjakana! tao Chaboksar

 

Miezaka ny mampahafantatra antsika ilay fanentanana hoe tsy fanentanana natao hanoherana ny fisalobonana voaly ity, fa fotsiny fanentanana mirona amin-tsafidy iray.

Satria natao tamin'ny fomba indray mipi-maso no nitakiana fahalalahana, manana zavatra hambara hafa i Nasrin Sotoudeh, ilay mpisolovava miaro ny zon'olombelona izay nihidy an-tranomaizina nandritra ny 3 taona noho ny niarovany vehivavy mpampanoa lalàna, ny zon'ny vehivavy sy ny zon'ireo voafonja amin'ny ankapobeny (tsindrio mba hahitanao manontolo ny hafatra):

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.