Governora Okrainiana Nohorakorahan'ny Vahoaka Nandritra Ny Kabary Fankalazana Ny Androm-Pandresena

A woman carrying a child charges the stage in disgust, after the Governor speaks ill of the Red Army and ambiguously about Hitler. Kherson, Ukraine. May 9, 2014. YouTube.

Vehivavy iray, rikoriko, mitrotro zaza miroso ho eny amin'ny lampihazo, taorian'ny filazàn'ny governora momba ny Tafika Mena sy nanafosafoany ny momba an'i Hitler. Kherson, Okraina. 9 May 2014. YouTube.

Mbola matanjaka lavitra noho ny any an-kafa ny lova navelan'ny Ady Lehibe Faharoa any amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha. Tena izay mihitsy,  ireo Rosiana izay manondro ny Vava-ady tany Atsinanana, toerana izay nanaovan'ny liona ny ady sy nahitàny fahafatesana tao Eoropa, tsy amin'ny maha “Ady Lehibe Faharoa” azy, fa amin'ny maha “Ady Lehiben'ny Fitiavan-tanindrazana.” Ny fandresen'ny Firaisana Sovietika ny fasisma (mpanao jadona) dia satroboninahitra ho an'ny zava-bitan'ny fireneny. Ho an'ny maro amin'izao fotoana izao dia mitoetra hatrany ho zava-masina ilay ady — vavolombelon'ny tanjaka sy ny lazon'adin'ny vahoaka Sovietika.

Omaly, nandritry ny tsingerintaona faha-69 n'ny Androm-pandresena, nahatezitra ny vahoaka ilay governora avy amin'ny faritra iray any atsimo Atsinanan'i Okraina rehefa nampitaha ny tafika Sovietika tamin'ny Nazi Alemana, tamin'ny nilazàny fa na i Staline na Hitler dia samy tsy nisy nahavita nanafaka ny firenena Okrainiana tamin'ny fahababoana. Ilay governora, Yuri Odarchenko  avy any Kherson koa dia toy ny nametraka fa nampiasa fomba tahaka izany i Rosia ankehitriny rehefa injay i Kremlin naka ny fon'ireo mpitaky fizakantenan'i Okraina Atsimo Atsinanana .

Ity ny fandikàna ny fanehoankevitra fototra nataon'ilay Governora :

Androany, fankalazàna ny Androm-pandresena, tsaroantsika ireo vanim-potoana nampisamboaravoara izay nitranga nandritry ny Ady Lehiben'ny Fitiavan-tanindrazana. Tsaroantsika ny vahoaka niady nanohitra ireo mpanao ankeriny nanandrana haka ny tanintsika.

Ireny mpanao ankeriny ireny [tafika Sovietika] dia tsy ny faniriana fotsiny haka ny tanintsika sy hanandevo ny vahoakantsika no nanosika azy, fa koa nanely fotopisainana ry zareo mikasika ny hoe fanafahana ny firenena tsy ho eo ambany ziogan'ireo olona miaina eo amin'ny tany izay nezahan'i Hitler hogiazana. Raha mianatra tantara ianareo, hitantsika fa izy [Hitler] no voalohany nanely ny fotokevitra “fanafahana ny vahoaka eo ambany ziogan'ny Kaomionista” sy “fanafahana ny olona ambany vahohon'i Staline.”

Io no voalohany nandrisika an'i Hitler, fony izy nanandrana haka ny tany. Saingy tonga niaraka ny vahoakantsika, nitafy fahavononana hiaro ny Okraina nahaterahantsika, ary nanao mandatehezana miray, naneho [tamin'i Hitler] fa mahavita ny vahoaka ary halainy hiverina aminy ny taniny. Androany, mitranga indray ny zavatra toy izany any amin'ny sisintanin'i Okraina.

Yuri Odarchenko, Governor of Kherson, Ukraine. Khersonline.net.

Satria Odarchenko niteny ny “Staline olon-doza”,  marobe ireo tao anaty vahoaka tao no nihorakoraka sy nisiotsioka. Araka ny ambaran'i Khersonskie Vesti, vohikalam-baovao ao an-toerana, dia niezaka nanapaka ilay kabary ireo mpomba ny Antoko Kaomionista ao Okraina. Efa ela tany aloha, vehivavy iray nitrotro zaza no nanao an-terisetra nanivaka ho eny amin'ny lampihazo, nandrombaka ny ‘micro’ teny amin'i Odarchenko, ary nanipy izany teny amin'ny tany. Rehefa nikisaka metatra maromaro ho aminà lampihazo iray hafa ny Governora, olona iray hafa indray avy any anaty vahoaka no nanatona ary nisintona ny tongotry ny ‘micro’. Nisy olona naharakitra izany rehetra izany ho anaty lahatsary, ary tsy ela dia nampakatra azy tao amin'ny YouTube, izay efa nahazoany sahady mpijery maherin'ny 300.000 tao anatin'ny 24 ora latsaka.

Fa inona no nezahan'i Odarchenko hambara momba ny Nazi sy ny Sovietika e? Nolokoin'ireo media Rosiana ho fombàna an'i Hitler ilay kabary. Vakinteny iray metimety kokoa angamba ny hoe nampitovian'ilay Governora i Rosia Kaomionista sy i Alemana Fasista, mahatonga ny fanilihan'i Okraina ireo hery matanjaka roa sy narahany fampanantenana fizakantena, nefa raha ny tena zava-misy dia fanandevozana ihany no naroson-dry zareo. Nohodidinin'ireo bekotro maroholatra i Odarchenko raha nanao ny kabariny — ireo lehilahy azo eritreretina ho niady tao anatin'ny Tafika Mena fony fitondràn'i Staline. Tsy nitarazoka tamin'io raharaha io ilay Governora, fa nanova ny ezaka an'adin'i Okraina ho toy ny fandresena tsotra izao ho an'ny Okrainiana. Tsy dia nisy dikany loatra, afa-tsy ny vanim-potoana maoderina misy an'i Okraina mahaleotena rahonan'ireo Rosiana mpifanolo-bodirindrina aminy.

Amin'ny andro iray fiatoana hanomezana voninahitra ireo an'aliny izay niady sy nanao sorona ny tenany mba hoe hitehirizana ny Firaisana Sovietika, dia izao izany, Odarchenko nanome fanafintohinana ny vahoaka tamin'ny alàlan'ny fanamarihany.

Koa satria miakatrakatra ny fifandirana eo amin'i Maosko sy Kiev, ho ampahan-tantara iray hafa ny kabarin'i Odarchenko tamin'ny Androm-Pandresena, izay hinoan'ireo mpanohana an'i Rosia ho toy ny mifono famadihana ny lasa niraisana ataon-dry zareo Okrainiana. Satria voarakitra anaty lahatsary ilay izy ary nakarina ao amin'ny Youtube, an'aliny maro ireo olona no ho vavolombelon'ity fanalam-baraka ity. Adala ireo Kaomionista ao Kherson, ary tsy ambaka an'izany ireo Rosiana 143 tapitrisa etsy ampita.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.