Mifaninana Amin'ny Fifidianana Eoropeana Ny Olona Manana Fahasembanana Sy Ireo Manana Aretina Tsy Fandre

Niseho hifaninana amin'ny Fifidianana Eoropeana tontosaina ny 25 Mey ny vondrona politika vaovao misolo tena ny olona manana fahasembanana sy ireo manana aretina tsy fandre. 

Eo ankilan'ny antoko politika fanta-daza sy be mpikambana, dia misy ireo kandidàn'antokon'olona mbola vitsy tahaka ny Movimiento Red (Hetsika an-tambajotra), Primavera Europea (Lohataona Eoropeana), VOX, Podemos (We Can), ary ny Recortes (Fampihenana). Ankoatra izany, misy iray vaovao ankoatra ireo koa nitsangana tamin'ity taona ity, antsoina hoe Vondron'ny Mpifidy Manana Fahasembanana sy Aretina Tsy Fahita-DER [es]. Tsy hiaro ideolojia ny tanjona voalohan'izy ireo fa ny hanatsara ny androm-piainan'ireo olona manana fahasembanana na aretina tsy fandre. 

Eduard Carreras, cabeza de la agrupación DER

Eduard Carreras, filohan'ny  DER.

“Izahay dia vondron'olona tratra mivantana na ankolaka amin'ny fahasembanana na aretina tsy fandre, navondron'ny tanjona iraisana — hanatsara ny androm-piainan'ireo izay iharan'ireo toe-javatra ireo,” hoy i Eduard Carreras, kandidàn'ny vondrona, zatovolahy 25 taona avy ao Girona, Espaina, mararin'ny ozatra mihapotika mihamalemy tsikelikely.  

Ny ivon-toeran'ny sehatra ara-pifidianana [es] miresaka lohahevitra tahaka ny asa, hatramin'ny fotoana nanamarinan-dry zareo fa mihoatra ny 60% ny tahan'ny tsy fananan'asa eo amin'ny tanora manana fahasembanana, ka izany no tsy hahatongavan'izy ireo hahatsangy no ary sy hahaleo tena. Mifantoka ihany koa izy ity amin'ny fahazoana miditra feno amin'ny fitaterana sy ny toeram-bahoaka, ny tsy fandoavana TVA manontolo amin'ny fanaovan-draharaha tahaka ny fiara natokana ho azy ireo na ny fanafody, hanokanana fikarohana bebe kokoa amin'ny aretina tsy fandre firy, ary ny hanatsarana, ankoatra ny zavatra hafa, ny fitsaboana, ny fanabeazana ary ny fampidirana ireo manana aretina tsy fandre na manana fahasembanana ho ao anaty fiarahamonina.

Tsy miaro na mitsipaka antokoa na ideolojia izy ireo. Ny hany tanjon'izy ireo dia ny hiaro ny sehatra mpifidy azy ireo izay “hany tanjona tokana mampiray anay” raha araka ny filazan'i Carreras. Nampiany: “Tsy antoko izahay raha raisina araka izay hevitra izay. Tsy manana ideolojia izahay, ary hafa noho ny an'ny antoko lehibe izany lalanay izany.” 

Nanome antoka i Carreras fa “tokony handeha any amin'ny zava-dehibe ny vola” ary efa nasehon-dry zareo fa taorian'ny fahazoana sonia 15.000 ilaina hahafahana mirotsaka amin'ny fifidianana, dia tsy nandany na dia ariary aza ry zareo hanaovana dokambarotra. Nanazava izy:  

Vamos a intentar convencer de que es necesario actuar rápido y tomarse en serio nuestros problemas, y vamos a denunciar a todo el que ponga obstáculos. Si nuestras propuestas son rechazadas, serán los que las rechacen quienes tendrán que justificarse ante sus ciudadanos. Estamos dispuestos a sumar, y serán bienvenidos quienes se sumen a nuestras propuestas.

Miezaka izahay ny handresy lahatra anareo fa ilaina ny mihetsika haingana sy mandray tsy akisangy ny olana mihatra aminay, ary hiampanga izay zavatra rehetra manakatsakana izahay. Rehefa tsipahina ny tolo-kevitray, dia tsy maintsy hanamari-tena eo anoloan'ny olom-pirenena ao aminy ireo izay mitsipaka izany. Mazoto izahay ny hiezaka hiaraka amin'ny hafa sy handray tsara ireo hiara-hanolotra ny tolo-kevitray. 

Eto ambany ny lahatsary miresaka ny vina sy ny tsy ampy amin'ny FIkambanan'ny Mpifidy manana Fahasembanana sy/na Aretina tsy fandre [es]:  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.