SARIPIKA: Hafatra Artistikan'ny Mozea Palestiniana Iray Hoan'ny Papa

Nifantohan'ny mpikatroka maro manantena ny hiresahan'ny pontifa Katolika hirona amin'ny fotokevitra ijoroan'ny Palestiniana ny fitsidihan'ny Papa any amin'ny Tany Masina (fitsidihana androany tany Jordania, Palestina ary Israely).

Natao tamin'ny alalan'ny maso artistika ny hetsika an-tsariohatra (saimbolika) iray natao ho amin'izany fanantenana izany. The Palestinian Museum, mozea iray vaovao niomanana hisokatra ao anatin'ny lohataona 2015, no nanangana afisy vaventy maro tao amin'ny Kianjan'ny Fihinanam-Bilona ao Bethlehema ho tafiditra anatin'ny hetsika “In The Presence of the Holy See” izay mampiseho ny ankamaroan'ny kisarisary Katolika mifandrafy amin'ny fijaliana Palestiniana.

Manasongadina ny 12 amin'ireo afisy vaventy ireo ao amin'ny pejy Facebook-ny Mozea. Andao hojerentsika izany:

Ecce Homo (c. 1605), Michelangelo Merisi Caravaggio- “Ecce homo!“ John 19:5 Photo: Palestinians crossing Qalandiya checkpoint on their way to Jerusalem. 20 Apr. 2002, by Alexandra Boulat

Zavakanto: Ecce Homo (c. 1605) nataon'i Michelangelo Merisi Caravaggio, maneho an-tsary an'i Pontio Pilato manolotra an'i Jesoa eo anoloan'ny vahoaka mitabataba.
Saripika: Palestiniana miampita ny toera-pisavana ao Qalandiya raha ho any Jerosalema. 20 Avrily 2002, avy amin'i Alexandra Boulat.

Madonna of the Rosary (c. 1607) Michelangelo Merisi Caravaggio Photo: Sun is shining through what was once the roof of a Palestinian Refugee shelter in the Burj el-Barajneh camp, Lebanon 1993. by M. Nasr, UNRWA photo archive

Zavakanto: Tompovavin'ny Rôzery (c. 1607) avy amin'i Michelangelo Merisi Caravaggio.
Saripika: Masoandro mitaratra tamin'ny tafo fialofan'ny  mpialokaloka Palestiniana ao amin'ny toby Burj el-Barajneh, Libanona tamin'ny 1993. Avy amin'i M. Nasr, Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana Miasa sy Manampy ireo Mpialokaloka Palestiniana ao Afovoany Atsinanana (Akaiky?) (UNRWA) sary tahiry.

Beach refugee camp, Gaza Strip UNRWA photo archive.  An Israeli soldier at Qalandiya checkpoint. 20 Apr. 2002, by Alexandra Boulat

Sary mainty sy fotsy: tobim-pialokalofana ao amin'ny tomandavan'i Gaza. Sary tahiry avy amin'ny UNRWA.
Sary miloko: Miaramia Israeliana eo amin'ny toera-pisavana ao Qalandiya. 20 Avrily 2002, avy amin'i Alexandra Boulat.

Clothes distribution in Rafah refugee camp, Gaza Strip 1972. Kay Brennan, UNRWA photo archive An Israeli soldier searches a Palestinian boy at a checkpoint in Hebron,  20 Nov. 2005, by Nayef Hashlamoun

Sary mainty sy fotsy: Fizarana fitafiana ao amin'ny tobin'ny mpialokaloka ao Rafah ao amin'ny Tombandavan'i Gaza, 1972. Avy amin'i Kay Brennan, sary tahiry UNRWA.
Sary Miloko: Miaramila Israeliana misava zazalahy Palestiniana eo amin'ny toera-pisavana eo Hebrona.
20 Nov 2005, avy amin'i Nayef Hashlamoun.

Dheisheh refugee camp, after the 1948 partition. UNRWA photo archive A segment of the Israeli separation wall near Beit Hanina,, Jerusalem 2012. by Tanya Habjouqa

Sary mainty sy fotsy: tobim-pialokalofana Dheisheh taorian'ny fivakisana tamin'ny 1948. sary tahiry UNRWA.
Sary miloko: Ampahan'ny rindrim-pisarahana Israeliana manakaiky an'i Beit Hanina ao Jerosalema, 2012. avy amin'i Tanya Habjouqa.

One of the few remaining refugees after the civil strife in Jisr el-Basha camp, passes a quiet moment in the partly damaged Pontifical Mission Church, Lebanon 1976. UNRWA photo archive Palestinian Presidential Headquarters (al-Muqat’a), Ramallah 2002., by Jamal Arouri

Sary mainty sy fotsy: Iray amin'ireo mpialokaloka vitsy sisa tavela taorian'ny ady an-trano tao amin'ny toby Jisr el-Basha mandany fotoa-mangina ao amin'ny Fiangonana Misiona Pontifikaly ao Libanona 1976. sary tahiry UNRWA.
Sary miloko: Foiben'ny Filoha Palestiniana (al-Muqat’a) ao Ramallah, 2002. Avy amin'i Jamal Arouri

Abraham’s Sacrifice (c. 1635) Rembrandt Harmenszoon van Rijn photo: Israeli soldiers overwhelmed by the smell of dead bodies in Jenin refugee camp, West Bank. 16 Apr. 2002 by Alexandra Boulat

Zavakanto: Sorona nataon'i Abrahama (c. 1635) nataon'i Rembrandt Harmenszoon van Rijn.
Saripika: Miaramila Israeliana sempotry ny fofom-paty ao amin'ny tobin'ny mpialokaloka ao Jenin ampitan'i Jordania. 16 Avrily 2002, avy amin'i Alexandra Boulat.

The Deposition (c. 1507) Raphaello Sanzio da Urbino “In that day there will be great mourning in Jerusalem.“ Zechariah 12:11 photo: Israeli soldiers kill a Palestinian and detain others, downtown Ramallah.  31 Mar. 2002 by Alexandra Boulat

Zavakanto: Ny Fanitrihana (c. 1507) avy amin'i Raphaello Sanzio da Urbino.
“Amin'izany andro izany hisy androm-pisaonana lehibe any Jerosalema“ Zakariah 12:11.
Saripika: miaramila Israeliana mamono Palestiniana sy managadra ny hafa ao afovoan-tanànan'i Ramallah. 31 Marsa 2002, avy amin'i Alexandra Boulat.

The Incredulity of Saint Thomas (c. 1602) Michelangelo Merisi Caravaggio “Reach here your finger and test the reality of my being” photo: An Israeli Border Police examines the ID card of a Palestinian at the Qalandiya crossing during Ramadan.  20 Aug. 2010 by Matt Milstein

Zavakanto: Ny Tsi-finoan'i Masindahy Tomasy (c. 1602) avy amin'i Michelangelo Merisi Caravaggio. “Ataovy eto ny rantsan-tananao ary tsapao ny mahanofo ahy.”
Saripika: Polisy misahana ny sisintany Israeliana manamarina ny karapanondron'ny Palestiniana iray eo amin'ny fiampitana an'i Qalandiya mandritra ny Ramadany. 20 Aog 2010, avy amin'i Matt Milstein.

Christ healing the Paralytic at the Pool of Bethesda (c. 1670) Bartolomé Esteban Murillo “Rise, take up your bed and walk.” John 5:8 photo: A Palestinian passes into Gaza via the Erez checkpoint.  24 May 2006 by Alexandra Boulat

Zavakanto: Kristy manasitraka ilay Paralitika ao amin'ny Dobon'i Bethesda (c. 1670) avy amin'i Bartolomé Esteban Murillo. “Mitsangàna, raiso ny fandrianao ary mandehana,” Jaona 5:8.
Saripika: Palestinian ho any Gaza mndalo ny toera-pisavana ao Erez. 24 Mey 2006, avy amin'i Alexandra Boulat.

Palestinian refugees walking across Allenby Bridge on their way to Jordan, July 1967. Myrtle Winter  UNRWA photo archive A woman runs terrified from her house in Bint Jbail during a “temporary cease fire“ in South Lebanon during the Israeli led war of 2006. by Tanya Habjouqa

Sary mainty sy fotsy: Palestiniana mpialokaloka miampita ny tetezana ho any Jordania tamin'ny Jolay 1967. Avy amin'i Myrtle Winter, avy amin'ny sary tahiry UNRWA.
Sary miloko: Vehivavy koditra avy any an-tranony ao Bint Jbail nandritra ny “fitsaharan'ady vetivety“ ao Atsimon'i Libanona nandritra ny ady nataon'i Israely tamin'ny 2006. Avy amin'i Tanya Habjouqa.

Lamentation of Christ (c. 1606)  Annibale Carracci photo: First lifting of the curfew in Jenin refugee camp after the Israeli raid. 15 Apr. 2002 by Alexandra Boulat

Zavakanto: Vavaka fitarainan'i Kristy (c. 1606) avy amin'i Annibale Carracci.
Saripika: Fanalana voalohany ny tsy fahazoana mivezivezy tao amin'ny toby fialokalofana taorian'ny daroka baomba nataon'i Israely tao Jenin. 15 Avrily 2002, avy amin'i Alexandra Boulat.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.