‘Selfizm-Pako’ Hanadiovana an'i Tonizia

Maro ireo Toniziana no maka sary ny tenany (selfie) akaikin'ny fako miangona mialoha ny hamoahana azy amin'ny tranonkalan-tambajotra sosialy amin'ny alalan'ny fampiasana ny diezy #SelfiePoubella (‘selfim-pako’) hiampangana ireo fako manemitra ny lalana manerana ny firenena.

Izany no natao dia ho setrin'ny selfies sy saripika maro dia maro avoakan'ny Minisitry ny Fizahantany Amel Karboul amin'ny tambajotra sosialy ho fampiroboroboana ny fizahatany ao amin'ity firenena Afrikana avaratra indrindra ity.

selfies
Tamin'ny 16 Mey ny mpandrindra ny pejy Facebook ‘Diovy i Tonizia’ nandrisika [fr] ny mpisera hamoaka ny selfies-ndry zareo [sarin'ilay maka ny sary ihany] :

Nous attendons vos photos selfies qui montreront la gravité de la situation ds nos rues et partout ds le pays..Ils cherchent à cacher la triste réalité de nos quartiers avec les cartes postales des beaux paysages de la Tunisie et oublient qu'il y'a un peuple 3ayech fi ezzebla ….

Miandry ny selfies-nareo mampiseho ny halalin'ny toe-draharaha eny an'arabentsika sy manerana ny firenena izahay…Mitady hanafina ny zavamisy mampalahelo any amin'ny fokontanintsika amin'ny alalan'ny “cartes postales” mampiseho ny hakanton'ny tontolon'i Tonizia ry zareo ka manadino fa misy ny vahoaka miaina anaty fako…

selfie 3

Tamin'ny hafatra hafa nivoaka [fr] tamin'ny 19 Mey ry zareo no niteny hoe :

Si les selfies de Karboul sont généralement justifiés par la bonne cause touristique, cette campagne de Selfie Poubella se montre tant d’intérêt touristique que citoyen, puisqu’elle appelle, tout simplement, à débarrasser les villes de Tunisie des déchets qui jonchent ses rues.

Le principe est tout simple( …)Avec pour objectif que le citoyen tunisien, autant que le touriste de passage, profite d’un espace public propre.

«Montrons aux responsables de ce pays le vrai visage de nos rues et la pollution de l'environnement A vos Selfies!!

Raha natao hanatsarana ny fizahantany amin'ny ankapobeny ny selfies-n'ny [minisitry ny fizahantany] Karboul, dia manome vahana ny fizahantany tahaka izany ihany koa ny fanentanana Selfie Poubella no mijery ny tombontsoan'ny olom-pirenena satria miantso tsotra izao ny hanesorana ny fako mameno ny araben'ny tanàn-dehiben'i Tonizia.

Tsotra foto-kevitra dia ny mba samy hianoka toerana ankalamanjana madio na ny olom-pirenena toniziana na ny mpizaha tany mandalo.

Andao aseho amin'ny tompon'andraikitr'ity firenena ity ny tena endriky ny lalana atsy amintsika sy ny fahalotoan'ny tontolo iainana. Ataovy ary ny Selfies ô!!

selfie 2

Tamin'ny Avrily lasa teo, notombanan'ny governemanta fa telo hetsy taonina ny fako misavovona eny an'arabe izay miampanga ny “fivakisan'ny” fitaovana entina manango-pako sy ny fitomboan'isan'ireo mpiasa manango-pako miato asa noho ny aretina. Na dia maro aza ny fanentanam-panadiovana ataon'ny manampahefana sy ireo vondrom-piarahamonim-pirenena isan-karazany any amin'ny faritra maro, dia mbola mitohy misavovona hatrany ny fako.

selfie 1

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.