#Conservaeloso: Fanentanana Hanavotana ny “Alcatraz-n'i Karaiba”

Photo by José Jiménez, used with permission.

Efa nanomboka ny fandravana amin'ny ampahany ny Oso Blanco. Nahazoana alalana.

Niteraka fanentanana ny daholobe ho fiarovana ny endriky ny maritranony sy ny maha-toerana manantantara azy ny fanambarana nataon'ny Governora milaza fa hopotehina ihany ny farany ny Fonjabem-Panjakana malaza ratsy ao Poerto Riko antsoina hoe Oso Blanco (Orsa Fotsy). Hanokafana foibe itsaboana ny homamiadana ny toerana.

Manazava [es] ny mpanao maritrano Miguel Rodríguez Casellas, fa ankoatra ny lanjan'ny endriky ny maritrano, dia manana lanja ara-tantara lalina dia lalina ihany koa i Oso Blanco, izay naorina tamin'ny 1933:

A lo mejor usted no tiene o tuvo familiares convictos, pero para un amplio sector de nuestra ciudadanía que si los tiene o ha tenido, este sitio es un monumento al sufrimiento, a los aciertos, pero más que nada, desaciertos de la filosofía de crimen y castigo desde el mollero estatal. Borrar todo eso, de un puercazo mecánico o implosión de dinamita, a favor de causas simpáticas — “la cura del cáncer” — es quizás una pérdida aún mayor que la gracia estilizada del inmueble, que ya de por sí, los que sabemos del asunto, defendemos. 

Mety ho tsy manana havana nohelohina ianao, fa ho an'ny ankamaroan'ny mpiray tanindrazana amintsika izay manana na nanana havana nigadra, dia tsangambaton'ny fijaliana, fahombiazana, fa ho an'ny ankamaroany dia tsy fahombiazan'ny filozofian'ny fomba fanasaziana sy ny herisetram-panjakana io toerana io. Ny fandravana azy amin'ny alalan'ny fomba mekanika na amin'ny fanapoahana dinamita hanaovana zavatra mahafinaritra -“fitsaboana homamiadana”- angamba no fahavoazana bebe kokoa noho ny fomba fihaingon'ilay fanorenana, izay efa fantatray izay mahatsapa izany ny hasarobidiny, ka mahatonga anay hiaro azy

Ilay mpaka sary sady mpanoratra an-gazety José Jiménez no nanomboka ny fanentanana an-tserasera #conservaeloso (avoty ny orsa), ary nanaparitaka ny saripikan'ny fonja nopihany manerana ny tanànan'i San Juan, renivohitra, izy izay misy hafatra tahaka ny : “Ilay mpamono ny fanorenana manan-tantara” sy ny “Tantara ihany koa ny tahotra.” Misy ihany koa ny pejy Facebook. Ny mpanao maritrano Cristina Cardalda no nanokatra fanangona-tsonia an-tserasera hitakiana amin'ny governora Alejandro García Padilla ny hampiatoana ny fandravana ny fonja. 

"The murder of a historic building." Photos by José Jiménez, used with permission

“Ilay mpamono (ho faty) ny fanorenana manan-tantara.” Saripikan'i José Jiménez, nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.