Crossroads: Lahatsary Mitantara Ireo Mpifindra Monina Any Malezia

Mikendry ny fampiroboroboana sy ny fanamafisana orina ny fisoloana vava sy ny fahaizamanaon'ireo mpiasa mpifindra monina, ireo mpialokaloka, ireo olona tsy manana zom-pirenena sy ireo vondrona mpanohana azy ireo any Malezia ny tetikasa lahatsary Crossroads. Fiaraha-miasa eo amin'ny EngageMedia sy ireo Olon-tsotra Mpanao Gazety ao Malezia izany.

Malezia no be mpiasa mpifindra monina indrindra any Azia Atsimo Atsinanana. 2,1 tapitrisa ireo mpiasa mpifindra monina voarakitra ary vinavinaina ho mpiasa mpifindra monina 1,3 no tsy ara-dalàna anatin'ny sisintainny araka ny antontan'isa avy amin'ny fitondrana tamin'ny jolay 2013. Midika izany fa mpiasa iray amin'ny telo no avy any ivelan'i Malezia.

Heverina ho tsy ara-dalàna ireo mpiasa tsy manana taratasy manan-kery ary mazàna no iharan'ny fanararaotana samihafa – avy any amin'ny fitazonana tsy ara-drariny ny karamany hatrany amin'ny fanaovana kolikoly ary ny fanolanana. Kanefa, tsy fantatra mazava na tsy lazaina amin'ny haino aman-jery ny tena zava-misy marina iainan'ireo mpiasa ireo. Misy hevitra raiki-tampisaka ratsy maro hita ao anatin'ny rivotra misavorovoron'ilay vondrom-piarahamonina mampiantrano vahiny.

Crossroads Introduction

Crossroads : fampidirana

Inoan'ny EngageMedia fa amin'ny fanohanana ireo mpiasa mpifindra monina ireo mba hitarika amin'ny fitantarany ny tantarany amin'ny alàlan'ny lahatsary no ahafahan'ny Maleziana mahafantatra tsara ny traikefa ananany mba hanitsiany ireo  hevitra raiki-tampisaka sy hamporisihany ny hisian'ny fifandeferana. Ananan'ireo mpiasa ireo ihany koa ny fahaiza-manao ilaina amin'ny fampiasana lahatsary ho porofo ary ny antontan-kevitra ho fanampiana amin'ny fisoloana vava. 

Atrikasa miisa 12 no nokarakarainay tany Klang Valley, Selangor, Kota Kinabalu ary Sabah tamin'ny taon-dasa. Ho an'ireo 15 mpandray anjara izay ahitana Indoneziana, Nepale, Maleziana ary Birmana,  fahaiza-manao momba ny fitantarana, ny fisoloana vava amin'ny alàlan'ny lahatsary, tantara an-tsary, fandraketana lahatsary tselatra sy famoahana izany, fizaràna lahatsary amin'ny aterineto na ivelan'ny aterineto ary fanomezana dikanteny Amara ho an'ny ety anaty aterineto no natolotray . 

Cupin's Tale: Even Chickens Listen

Ny anganon'i Cupin: Mihaino hatramin'ireo akoho

Avy amin'ny lafy maro samy hafa ireo mpandray anjara niaraka taminay, toa an'i Karmadi (ankavanana, sary eo ambony),  Indoneziana nifindra monina any Malezia ary miasa amin'ny sehatry ny fanorenana. Nitady fotoana hanatrehana ireo fiofanana rehetra izy na dia eo aza ny hasarotry ny fandaharan'asany, ary vao haingana no nividy boky amin'ny fiteny Malay momba ny sary mba hahafahana manohy ny fampiharana manodidina ireo toeram-piasany isankarazany. Antenainy fa ” ho azony ampiasaina hahafahana manao asa fanorenana misimisy kokoa ilay lahatsariny vaovao sy ny fahaiza-manao sary”. Hazavain'i Karmadi ao anatin'ity lahatsary ity ny olana iainan'ny mpiasa tsy ampy antontan-taratasy:  

Tsy mahaliana ny manam-pahefana ny hahafantatra izay antony maha-tsy ampy antontan-taratasy ireo mpifindra monina. Ny hanasazy azy ireo ihany notiany. Tsy misy mpiasa tsy te-hanana taratasy izany fa noho ny fahantran'ny lalàna sy ny fampiharana izany no mahatonga ireo mpiasa birao hanam-pahafahana manakivy be ihany ireto mpiasa mpifindra monina diso fanantenana.

Natambatra ho ao anaty DVD iray ahitana lahatsary 12 voatsinjara ho toko dimy ahitana ny loha-hevitra izay avoitrany momba ny fifindra-monina, isan'izany ny Fandaharan'asa 6P, Rafitra Fanohanana ireo mpiasa mpifindra monina, ny andraikitry ny manam-pahefana amin'ny fampiharana ny lalàna, ny fikarohana fiarovana ary ny fiarovana ny ankizy ilay lahatsary farany novokarin'i Karmadi sy ireo mpandray anjara hafa. Misy toro-lalàm-pampianarana natao hametrahana ireo lahatsary ireo ho ao anatin'ny vanim-potoana ampiasana azy ho ampiasaina amin'ny resaka fampianarana sy fanentanana ihany koa io lahatsary io. 

School of Hope

Sekolin'ny fanantenana

Tamin'ny 15 Desambra 2013, nisy sava-ranonando nokarakaraina tany Kuala Lampur, Malezia, niaraka tamin'ny Tenanganita, ONG miaro ny zon'ny mpifindra monina. Nanome voninahitra io lanonana io ny mpamorona azy ihany, Itompokolahy Dr. Irene Fernandez, izay nampahatsiahy ireo mpiasa mpifindra monina nasaina ny amin'ny zo fototry ny olombelona sy nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny lahatsary, ankoatra ireo fitaovana maro samy hafa, ho porofo sy ho fanovozam-pahalalàna.

Amin'ny maha mpitarika ny tetikasa ahy dia zavatra be dia be no nianarako tamin'ireo mpandray anjara izay nifampizara tamiko. Tsy ny tantaran'ny tolona any amin'ny tany fivahinianana ihany, fa ny fanoherana sy ny fanantenana ho avy mendrika ihany koa. Azo jerena sy trohana eto ireo lahatsary rehetra sy ny lahatsoratra PDF-n'ny torolàlam-pampianarana avy amin'ilay tetikasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.